Myanmar vao hanakoako

Mampitandrina ny mpanao fihetsiketsehana hiala ny arabe ny governemanta ao Myanmar taorian’ny filaharambe tao Yangon omaly. Notarihan’ny mpitoka-monina ny fihetsiketsehana ary mitaky fahafahana sy fanafoanana ny fanondrotam-bidin’entana nolazaina tamin’ity volana ity. Manohana sy mitoraka ny eritreriny ny mpibilaogy.  Mampahatsiahy I Olom-pirenen’I Marsa fa niaina toe-javatra sahala amin’izao ihany koa ny tany Filipina.

Na inona na inona hiafaran’ny fihetsiketseham-bahoaka aoYangon (Rangoon), enga anie ka tsy ho tonga hatrany amin’ny herisetra mahery vaika ity raharaha ity, na dia fantatra aza fa mety hisy hatrany izany (herisetra mety hiseho amin’ny endrika isan-karazany izany) rehefa misy ny fihetsiketseham-bahoaka manohitra governemanta tahaka izao. Enga anie ka ho tony mandrakariva ny Jeneraly fa tsy hampiasa habibiana amin’ny mpanao fihetsiketsehana an-dalam-be. Efa niaina toe-javatra tahaka izao izahay indray mandeha, indroa akory aza, ny voalohany tamin’ny taona 1986 niaraka tamin’ny EDSA sy tamin’ny taona 1991 voatery nametra-pialana ny filoha teo aloha Joseph Estrada tamin’izay fotoana izay.

 Le Diacritic, ilay nanoratra ny fahamatoran’ny fifandraisana akaiky eo amin’ny Vietnam sy Myanmar, kosa dia mitsikera ny gazety vietnamiana noho ny tsy firaharahiana ny momba ireo mpanao fihetiketsehana. 

Ny gazety fanta-bahoaka sy be mpamaky indrindra Tui Tr, Vietnam dia nametraka fehezanteny dimy tao amin’ny lahatsoratra « 20.000 Người Mianma diu hành phn đối chính quyn quân s» raha nampahatsiahy ny nitranga tao anaty fehezanteny fito kosa i Thanh Niên tao amin’ny « Hơn 100.000 người biu tình ti Myanmar”nefa mibahana amin’ny matoandahatsoratr’ireo gazety ireo ny vaovao iraisam-pirenena.

Mbola nanampy Le diacritic

Nampita vaovao taty aminay ny mpiaramiasa Birmana fa araka ny tsahotsaho dia mety ho tapaka ny fifandraisana aterineto mba ahafahana manakana ny sary sy sarimihetsika mitantara ny zavamisy izay niely haingana tokoa.

 Ao amin’ny toraka mitondra ny lohateny hoe Miaraka aminao izahay Myanmar, dia mamaly ny tsikera mahazo mpitokamonina bodista miditra amin’ny raharaha politika i Somongkol Teng.

Fantatro fa amin’ny fampianarana bodista, dia manoka-tena fa tsy miditra an-tsehatra amin’ny esaka politika ny mpitokamonina. Nefa aoka isika hieritreritra toa azy ihany koa, mizaka zom-pirenena ihany koa izy ireo eo amin’ny fireneny. Miantraika amin’ny rehetra ny zavamisy eo amin’ny fireneny na mpitoka-monina izy na olo-tsotra. Raiso ho ohatra ny tamin’ny andron’ny Khmer mena. Mpitoka-monina an’arivony no novonoina. Betsaka ny antony tsy tokony hanginany intsony. Raha mila ny fidirany an-tsehatra ny fiaraha-monina, dia mety raha mba henoiina ny feony ary arahina ny fanapaha-keviny.

 

Maniry ny mpibilaogy avy ao Singapour Bernard Leong raha mba miditra an-tsehatra ao Myanmar ny ASEAN sy i Shina hampitsahatra ny fifanjevoana. 

Nandritra ny roapolo taona farany, hatramin’ny Tienanmen mbola tadidiko tsara, ny fihetsiketsehana rehetra tahaka io (ankoatra an’i Filipina sy Indonezia taorian’ny krizy ara-toe-karena dia miafara amin’ny fifanjevoana hatrany. Raha vao mandefa ny tafiny ny fitondrana miaramila , dia mety hisy izay ny fifanjevoana. Dia ain’olona maro indray no ho lasa sorona. Inona izany no hataon’izao tontolo izao ? raha efa mampihatra ny fanasaziana ny Amerikana dia miandry izay hataon’i Shina ny rehetra. Manahy aho fa tsy hiditra an-tsehatra mihitsy ny ASEAN izany hoe tsy hanao na inona na inona dia izay alehany ao alehany, toheriko io.

  Manantena fiovana ao Myanmar vokatry ny krizy kosa i Monsson Blogging avy ao Singapour.

Te-hahita fandrosoana ao Myanmar ny tsirairay amintsika, banga fivoarana ny firenena tao anatin’ny zenerasiona roa farany rah amihazakazaka kosa ny toe-karen’ny firenena Aziatika Atsimo Atsinanana ambiny. Izao no fotoana ifohazan’i Myanmar, hanatonany ny oram-batravatran’ny fandrosoana Aziatika ary hifampizara amin’ny fahabetsahan-karena. Tsy maninona izy endrim-pitondrana rehefa miadana ny vahoaka ary manana ny ho aviny ny zanany.

Preetam Rai

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.