Myanmar ny andron'ny 26 septambra

Namoaka sarimihetsika roa ilay mpampiasa YouTube dennisbier09 ary nanoratra :

Ny sary faharoa dia mampiseho ny mpitoka-monina sy ny olom-pirenena eo ampihetsiketsehana hanoherana ny fitondrana jadon’i Birmania (Myanmar). Nalaina tao an-drenivohitra Yagon (Rangoon) ny alatsinainy 24 septambra 2007 tolakandro tao anaty orana ny sary.

  Awzar Thi kosa nanangona ny sarim-pihetsiketsehana nalefan’ny mpibilaogy Birmana tao amin’ny vohikala Saffron Revolution [en] (Revolisiona jaky)

 Mieritreritra ireo namany any Birmania ny mpibilaogy Thailandey  Bangkok Dazed [en] 

Naharay mailaka roa avy tamin’ny namako any Rangoon aho androany tolakandro. Nanoratra ny iray tamin’ireo fa « mihenjana tena mihenjana ny raharaha. Mikatona manomboka rahampitso ny sekoly ianaranay. Tsy fantatro intsony izay hitranga. »Nanoratra ihany koa ny Birmana iray : « Manomboka mifandona ny ao an-tanàna ao androany. Tahaka ny ho ratsy ny fandehan’ny raharaha. Mbola hanoratra ihany aho. Tsy fantatro intsony aloha hoe haharitra hafiriana aho no mbola afaka hivoivoy aterineto…mety hotpahiny manko io izao. »Tsy nitsahatra ny nivoivoy aho tao ho ao hanaraka ny toe-draharaha. Tahaka ny efa manankery ankehitriny ny tsy fahazoana mivoaka amin’ny alina ao Rangoon sy Mandalay. Mandritra izany fotoana izany kosa dia miangavy an’i Malaisia sy ny Fikambanan’ny firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana (ASEAN) ny politisiana Lim Ki Sian [en] handray an-tanana ny raharaha hialana amin’ny ra mandriaka ao Myanmar. 

Tokony ho lohalaharana amin’ny fitadiavam-bahaolana ialan-draorao amin’ny fihetsiketsehana tsy misy herisetra tarihin’ny mpitoka-monina ao Rangoon sy Mandalay i Malaysia sy ny ASEAN, satria ny ASEAN no nankato ny fitondrana jadona ao Myanmar tamin’ny fanekena ny hidirany ao amin’ny fikambanana folo taona lasa izay ka nampahazo aina azy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

  Efa nampitandrina an’i Inda sy Shina, mpifanolotra sisintany no manohana ny fitondrana jado-miaramila ao Myanmar ihany koa ranamana io tamin’ny sorany teo aloha: 

Shina – indrindra fa hoe manomana ny lalao olaimpika ao Beinjing izy amin’ny 2008 - sy Inda dia tsy afa-miala amin’ny fanamelohana iraisam-pirenena raha vao mandriaka ny ra ao Myanmar ary tompon’andraikitra ihany koa noho izy ireo nanohana ny jado-miaramila no sady mody tsy mahita ny herisetra manjaka ao Myanmar.

Nizara ny fahitany ny toe-draharaha ao Myanmar ny mpibilaogy teratany Yangon Thu [en]. Manaika ny mpamakiny izy mba hanao fanangon-tsonia mangataka :

…amin’ny Shina mba handresy lahatra fitondrana miaramila ao Myanmar tsy hamaly bontana mpanao fihetsiketsehana tsy mampiasa herisetra ary mba tsy hanelingelina ny ezaky ny Firenena Mikambana hamonjena ny Birmana (mponina ao Myanmar)

  Nihevitra anefa i The Acron [en] mpibilaogy Karana fa tsy afaka ny hanindry ny fitondrana ao Myanmar mihitsy i Shina, i Inda ary i Thailandy. 

Tsy manana fitaovana ampy hanerena ny firenen-kafa ankoatra an’i Shina. Fa hanantena inona avy amin’i Shina moa isika ? hampanaiky amin’nyy fitondrana miaramila ny demokrasia ? Ny hany azon’i Shina atao dia ny hamefy araka izay azo atao tsy hisian’ny ra mandriaka be loatra. Dia tahaka izany koa amin’ny sekretera jeneralin’ny ASEAN izay Thailandey. I Thailandy izay saiky handrangaranga ny demokrasia dia eo ambany fitantanan’ny miaramila koa ankehitriny. Noho izany tsy misy azo antenaina avy amin’i Thailandy. Ny governemanta Indiana (tarihin’ny antoko UPA) miaraka amin’ny fifidianana mety ho avy amin’ny herintaona ihany koa dia hangina eo anatrehan’ny toe-draharaha. Tsia, tsy hanao fanazarantena ara-tafika amoron’i Myanmar ny tafika Karana. Ary tsy hanao izany ihany koa ny tafika Amerikana. Mitoby any Pasifika.

 Esoesoin’i  Bangok Dazed [En] ny fanapaha-kevitry ny filoha Amerikana George Bush milaza ny hanasazy an’i Myanmar : 

Fanasaziana bebe kokoa ? inona moa no tiany atao amin’izany ? Mampiavaka ny diplaomasian’i Bush mihitsy io : Lazainy fa anaty lisitra mainty ilay firenena, dia faiziny nefa sady tsy tratra ny tanjona no tsy afaka miady hevitra hisian’ny fifanarahana intsony avy eo

Preetam Rai

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.