Mibilaogy amin'ny teny vaovao (Patwa)

Hatramin’ny nanombohan’ny global online conversation no efa niadian-kevitra izay mety ho vokatsoa sy vokadratsy azo avy amin’ny fivoaran’ny haitaom-pampitam-baovao misy ankehitriny manoloana ny karazam-pitenenana rehetra misy. Amin’ny lafiny tsara, ahafahana mifandray sy mifanakalo hevitra hampiroboroboana sy hiarovana ny teny manokana ananan’ny vondrom-bahoakam-paritra ny aterineto. Ny mety haharatsy azy kosa indray dia noho ny fanatontoloana indrindra, mihamiroborobo kokoa ny fiteny lazaina hoe « lingua franca » teny ifandraisana ao an-toerana sady mifaoka tenim-paritra anarivony tsy dia fantatra loatra eo akaikiny. Fangaronteny no mipoitra avy eo fa tsy misy fiteny madiorano intsony. Porofo mivaingana ny karazam-pitenenana any anaty blaogin’ny rehetra any, amporisihana kokoa ny fampiasana teny vahiny (teny anglisy amin’ny ankapobeny) raha te-hiresaka amin’ny olona hafa fitenenana amin’ny zava-mitranga iray eo an-toerana isika. Fa inona kosa moa no hitranga raha te-hifandray amin’ny olon-kafa amin’ny teny fampiasantsika andavanandro isika ? Ahoana raha mba misy teny tsotra kokoa, azo roritina ka ifampizarana  amin’ny mponina manerantany asolo ny teny anglisy be feo sarotra tononina, be tsy manaja fitsipi-pitenenana ? 

Izay fanontaniana izay no niaingan’ny fanorenana ny Neo Patwa, fangaronteny nosainina mpibilaogy  mipetraka any Japana Atoa Jens Wilkinson ary ary soratany isam-potoana ao amin’ny blaoginy, ary dia nanara-dia ihany koa I Jack Parsons. Niresadresaka tamin’I Jens aho ny amin’ny fihaviana, ny antom-pampirisihana ary ny ho avin’ny Neo Patwa. Inona no tena nahaliana anao hieritreritra ny hamorona ny Neo Patwa, inona moa no mahasamihafa azy amin’ny teny noforonina hafa?Hatramin’izay ny teny noforonina rehetra dia nifototra tamin’ny teny Eoropeana vao miitatra amin’ny hafa tsikelikely. Izaho kosa mitady teny tena avy amin’ny kolontsaina samihafa mihitsy. Mety kokoa raha manandrana miresaka amin’ny teny iraisana isika raha tafiditra avokoa ny singa avy amin’ny kolontsaina manerana izao tontolo izao.Fa inona ny olana amin’ny teny anglisy ho teny iraisampirenena?

Marina tokoa fa tena be mpiteny tokoa ny teny anglisy. Saingy tsy azo ekena noho ny antony roa lehibe. Voalohany, sarotra ho an’ny karazan’olona betsaka manana fiteny hafa ny miteny anglisy. Be loatra ny zanatsoratra, ary misy teny manahirana be tahaka ny teny hoe “sixths”(renintsoratra efatra mifanaraka be izao!). Izaho aza sahirana dia sahirana manonona io teny io. Betsaka ny teny anglisy no tsy manaja rafipitenenana ary be “tenim-paritra” ihany koa ny teny anglisy.Ny antony faharoa indray dia manome vahana loatra ny efa mpiteny azy ny fametrahana ny teny anglisy ho teny iraisampirenena. Ka na lamaody aza ny miteny azy dia teraka ho azy ao an-tsaina fa misy kolontsaina iray ambony noho ny kolontsaina hafa. Ankehitriny ary, afaka manao ny zavatra rehetra aminy ve isika? Mieritreritra aho fa ny fampielezana teny tahaka ny Neo Patwa, na dia anaty dingana kely fotsiny aza, dia hanome fisainana ao anatintsika fa tsy tokony hamela vondron’olona iray hanao ampihimamba ny teny iray  ifandraisana isika.Ahoana indray ny fomba nakanao ny fitsipipitenenana, ny voambolana ary ny endriky ny Neo Patwa?Ny teny tahaka ny pidgins sy ny creoles no tena nakako hevitra betsaka, ireo manko no teny (niforona sy) nivoatra hifandraisana tanatina fiaraha-monina iray manana tenin-dreny samihafa ao anatiny. Izay indrindra no tokony nataon’ny teny iraisampirenena. Ohatra, mpivarotra Arabo niezaka niresaka tamin’ny mpiteny bantou no niteraka ny Swahili. Ny teny Malay ihany koa dia teny ifanakalozana ara-barotra teo amin’ny samy manana fiteny maro. Dia niezaka koa aho nampiditra teny avy amin’ny teny be mpiteny indrindra manerantany, ny teny anglisy ampiarahana amin’ny teny mandarin ohatra. Dia nakako ihany koa ny Singlish fiteny mifangaro betsaka avy amin’ny teny anglisy, shinoa ary malay.Hatraiza ary izao ny zavatra hitanao rehefa nibilaogy teny Neo Patwa ianao?Niezaka araka izay tratrako tokoa aho nibilaogy tamin’ny teny Neo Patwa. Na dia azo atao tahaka ny pidgin aza ny Neo Patwa dia mbola betsaka ihany ny singa mbola mila fivoarana. Manantena ny fiaraha-miasa amin’izay rehetra manana ny fiteniny aho amin’izany.Inona indray ary ny dingana manaraka ho an’ny Neo Patwa?Amin’izo fotoana izao aloha dia mitady izay olona vonona hanandrana sy hampiasa aho hanome soso-kevitra hahatsara azy kokoa. Olona tsy mpiteny Eoropeana no tena tadiaviko hialana araka izay azo atao ny teny Eoropeana. Chris Salzberg

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.