Korea: Ny toetra araka ny sokajindra

Manambara ny mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’Yonsei fa vao nahatontosa fikarohana manaporofo fa samihafa araka ny sokajin-dra ny toetra manokana mahaizy ny olona iray (personality). Niorina tamina volavolam-pikarohana 50 mikasika ny karazana sokajin-dran’ny mpianatra teratany sy vahiny, noraisin-dry zareo hanampy (isa) ny valim-pikarohana ihany koa ny tranga hafa re sy ny traika efa niainana tamin’ny ankapobeny (na fitsarana ivelany) teo amin’ny kolontsaim-bahoaka ary noesorina (na nanesorana isa) kosa ireo tranga manohitra ilay fifandraisan’ny sokajin-dra sy ny toetra manokana mahaizy ny olona iray. Izany hoe araka ny fahazoan’ny mpandika teny malagasy azy dia notefena tsikelikely araka ny zavanisy hitandry zareo aloha vao tonga tamin’ny valim-pikarohana nanaovan-dry zareo fanambarana io.

Nofehezin’i Skillyou ilay valim-pikarohana :

…논문에는 아주 경악할 만한 결과가 있습니다…바로…저주받은 B형이죠…사람들사이에는 B형이 성격 안좋다고 널리 알려져있습니다. 논문으로 쐐기를 박는군요.ㅎㅎ;
혈액형 내향성 논리성 안정성 리더쉽 사려성
A 14 10 10 -4 2
B -6 -7 -7 -1 -3
O -15 1 6 3 0
AB 5 -4 3 -7 0
A형은 내성적이지만 논리적으로 안정적이며 생각이 깊다…오…좋군요. O형은 외향적이고 안정적이며 리더쉽이 강하다! 지도자 타입이군요. AB형은 튀지않는 무난한 성격이군요.
B형을 봅시다. 내향성 -6, 논리성-7, 안정성 -7, 리더쉽-1, 사려성-3…
비논리적이고 불안정하며 리더쉽이 부족하고 생각이 짧다….ㅜㅜ

…Misy zava-mahagaga ilay valim-pikarohana, jereo ireo manana sokajin-dra B. Efa fantatra tamin’ny ankapobeny fa ratsy toetra ny olona manana sokajin-dra B. Ary dia namoaka izay tokoa ny taratasy. Karazana tabilao ity soratako manaraka ity:

Sokajin-dra Fitodihanaanaty Fandaharankevitra Mahatoky Fitarihana Fanajana

A 14 10 10 -4 2
B -6 -7 -7 -1 -3
O -15 1 6 3 0
AB 5 -4 3 -7 0

Be fandinihantena (intraverti), misaina, mahatoky ary maranitra ny sojaky A. Tsara kosa koa!

Be resaka sady mahatoky ary tena natao ho mpitarika olona ny manana sokajin-dra O.

Tsara sy mandeha ilalana ny sokajindra AB.

Fa jereo anie ilay sokanjin-dra B e: fandinihantena -6, fandaharankevitra -7, fahatokisana (na fananana fotokevitra mazava ihany koa) -7, fitarihana olona -1, Fanajana -3; vendrana, tsy azo itokisana, ary tsy mahay mitondra olona…

Tsy vitsy ny tahaka an’I pk46 no manakiana azy ho fitarihana ny olona hanana fiheverena mialoha raha mahalala ny sokanjin-dran’izay iresahany .

혈액형별로 성격을 분류하는 것은
한국과 일본에서만 유행하는 미신같은 겁니다.
그리고 재미삼아 얘기하는 거라면 모르지만
사람을 위축시키고 잘못 판단케 한다면 문제가 있지요.
실제로 서양사람들은 자기 혈액형을 모르는 경우가
대부분이고 입사서류 등 인적기록엔 아예 혈액형을
써 넣는 칸이 없습니다. 그리고 한국사람들이 혈액형으로
성격을 판단하는 것을 보면 신기해 합니다.
혈액형에 따라 성격이 결정된다는 가설에는 어떤 근거도
제시되지 못했습니다. 서양 학자들에게 물어보면
“그런 게 있나요? 라는 반응을 보일 겁니다.

Finoanoam-poana malaza eto Korea sy any Japana ihany ity fampizarazarana ny toetra mampiavaka ny olona amin’ny alalan’ny sokanjin-dra ity.

Mahafinaritra ilay izy raha atao kilalao, fa miteraka olana amin’izay raha mitarika ny olona hitsaratsara fahatany no mahatonga ny olona hiafinafina.

Porofon’izany, maro ny tandrefana no tsy mahalala akory ny sokajin-drany ary tsy misy fizarana famenoana sokajin-dra eo amin’ny fehinteny. Dia mieritreritra ry zareo fa mahaliana ny mitsara ny olona araka ny sokajin-drany.

Tsy misy azo anaporofoana fa tarihin’ny sokajin-drany ny toetra mampiavaka ny olona iray.

Raha hanontany ny mpianatra vahiny isika dia mety hanontany ry zareo hoe “hay ve misy an’izany koa e?”

Mihevitra I Dcinside fa mety ho azo raisina ho fahalalana io amin’ny fotoana ho avy, na dia tsy marim-pototra aza ny ny petra-kevitra aminy.

내가 만난 여자들 중 한 80%는 정말 혈액형 별로 성격이 구분된다고 믿는 것 같더라.물론 나는 당연히 개구라라고 생각하고 아직까지 혈액형에 관해서 찌라시 및 여성잡지를 본적도 없지만 5%정도의 확률로 내가 틀렸을 수도 있다고 생각한다….레이디경향이나 여성중앙 한권을 땅에 묻어놓고 수천년후에 누군가가 우연히 발굴하게 되면
“고대인의 지혜” 라면서 숭상하는 무리들이 생겨나고 나중엔 동의보감 수준의 권위를
인정받게 되는것도 가능하지 않을까?

Eo amin’ny 80%n’ny vehivavy iresahany no mino fa manefy toetra ny sokajin-dra. Mazava loatra fa tsy mitombina izany amiko ary tsy mbola nahita Gazety-boky na takelaka miompana manokana momba ny vehivavy niresaka momba izany koa aho. Mety ho diso eo amin’ny 5% eo ho eo aho. Mety hoe azo ekena noho ny fitsaboana nentim-paharazana koreana ity…ary arivontaona maromaro any, hono, dia nisy nihady ka nahita kisendrasendra izay boky milaza izany; dia mety hanizingizina ry zareo fa izany no fahalalan’ny Ntaolo. Mety hitovy lanja amin’ny Dong-eui-bo-gam (bokim-pitsaboana nentim-paharazana Koreana malaza indrindra).

Misy aza ny karazana tonombintana ahalalana toetra avy amin’ny fahafantarana sokajin-dran’ny olona iray miaraka amin'ny tononandro nahaterahana. Indreto ange mba vakio ny santionany voalohany mamaritra toetra araka ny sokajin-dra e:


* 혈액형 형제.자매만 알면 성격이 보인다 *

A형_ 공상파 로맨티스트
예민한 성격의 당신은 작은 일에도 상처받기 쉽고, 필요 이상으로 민감한 반응을 보이는등 마음
대로 생각하고 해석하여 오해를 사기도 한다. 그러나 본심을 숨기고 상대를 배려하고 주변을 잘
살피므로 친절한 사람으로 보인다.
로맨틱한 분위기를 좋아하고, 현실을 잊고 공상의 세계에 빠지기도 하며, 의외로 완고한 완벽주의
자이기도 하다.

B형_ 인생을 즐기는, 꿈꾸는 낙천주의자
인생을 즐기기 위해서 산다는 낙천주의자. 실패도 웃어넘길 수 있는 사람이다.
로맨티스트이기도 한 당신은 현실과 약간 동떨어진 생각을 하기도 한다. 그러나 자유로운 생
활이 지나치면 생각지 않던 적을 만들 수도 있다. 또 될 때로 되라는 식의 성격은 고쳐야 한다.

너무 빨리 포기하는 것은 아닌지, 다시 한 번 생각해볼 것.

O형_리더십이 넘치는 자신감
행동력이 있는 당신은 리더십이 강한, 밝은 성격의 자신만만한 사람. 친절한 성격이라 곤란한
처지에 있는 사람을 그냥 지나치지 못한다. 인생을 드라마틱하게 연출하고 싶어 하기 때문에
주위에서는 다소 부담스러워하기도 한다. 평범함 속에 행복이 있다는 것을 잊지 말도록.
프라이드가 높고 타인에게 간섭받는 것을 싫어하기 때문에 자기 마음대로 살고 싶어 하지만
작은 일에 너무 신경 쓰지 않도록 주의하자.지나친 자신감은 나중에 독이 되기도 한다.

실패했을 때 자신감 때문에 심한 슬럼프에 빠질 수 있으니 조금은 여유를 두고, 나도 실패할
수 있다는 것을 염두에 두자.

AB형_끈기와 집중력으로 무슨 일이라도 해내는 사람
끈기와 집중력이 강해서 한번 정한 일은 끝까지 해내는 타입.
공동 작업이나 팀플레이로 해야 하는 과제가 주어졌을 때 재빨리 자신이 해야 할 일을 찾아 실
행에 옮기기 때문에 일이 순조롭게 풀리도록 뒷받침해주는 스타일이다. 정치나 환경 문제에 관심
이 많고 교양이 풍부하여 자신보다 다소 떨어지는 사람을 바보로 만들거나 그에게 고압적인 태도
를 보이기도 한다.
사람을 얕보는 것은 금물. 남의 가치관이나 살아가는 방식을 수용하여 존중하는 것이 중요한 교양
덕목 중 하나라는 것을 기억하자

.

Afaka mamantatra ny toetra manavaka ilay olona ianao araka ny sokajin-drany:

Sokajin-dra A, ilay mpanofinofy tantaram-pitiavana mahasondriana.

Olona mora andairan-javatra. Mora maratra na dia amin’ny zavatra kely tsy dia manao ahoana aza ary mora tohina tafahoatra. Mieritreritra mandrakariva eny an-dalana, mitady ny heviny fa tsy mahazo (ny dikany). Fa raha manafina ny eritreritrao ianao, dia tahaka ireny olona mahafinaritra mihevitra ny hafa sy mikarakara ny manodidina ireny. Manadino ny zavamisy ary minomino tontolo tena mahafinaritra. Tsy mahagaga raha mitady fanatsaran-javatra mandrakariva ianao rehefa manao zavatra.

Falifaly mpijery lafitsaran-javatra ny sokajin-dra B

Mankafy fiainana, mihomehy na dia eo sendra tsy fahombiazana aza. Mitady hirona amina tantaram-pitiavana mahafinaritra ka mety tsy mifanojo amin’ny zavamisy izay eriteretina. Fa rehefa mankafy ny fiainana loatra ianao dia ho mety ho maro fahavalo. Tsara raha miala amin’ny toetra mora miraviravy tanana. Ary tokony hieritreritra ny antony mahatonga anao mora miala an-daharana sahala amin’izany…

Mpitarika (sefo fokontany?) azo itokisana tsara ny olona manana sokajin-dra O

Mamy hoditra ary tsara fitondra olona. Izay fahatsaran-toetranao izay no tsy mamela anao handao ny olona tra-pahasahiranana. Lasa ataonao feno alahelo ny fiainana, hany ka mety ho tsy azon’ny manodidina anao ny ainy. Aza adino fa misy misy fifaliana ihany koa anaty fiainana. Mirehareha tena tsy tia tapahinteny. Tianao ny miaina araka izay saininao, saingy mety hivadika poizina ho anao ny fitokisatena tafahoatra. Raha tsy nahomby ianao dia mahatsiaro lavo (midaraboka) noho ny fitokisanao. Raiso mora ihany ary aza adino fa tsy hahomby mandrakariva ianao fa mety mandamoka ihany izay ataonao.

Olona manana faharetana sy fifantohana ny manana sokajin-dra AB

Afaka manao ny zavatra rehetra ianao noho ireo toetra roa ireo. Ataonao milamina dia misesy tsara ny zavatra rehetra rehefa miaramiketrika amin’ny hafa. Marani-tsaina be rehefa liana politika sy tontolo iainana. Lasa manery ny hafa amin’ny tsi-fahalalana ka vinitra tahaka ny adala rehefa be baikobaiko. Aza manambanimbany ny hafa. Tadidio fa mila hajaina ny hafa ary manana ny fomba fiainany ihany koa.

Misy karazan-toetra hafa araka ny sokajin-dra ihany koa ary na oviana ianao na inona na inona tononandronao mamaky ity blaogy ity.

Dia maneho hevitra ny hafa hoe “ ataovy fanalan’andro re io fa aza itompoana tahaka ny an’ny mpino ny finoany.” Sy ny hoe “ tahaka nympamosavy izany izay olona mitady sokajin-dra B”. Inoanao ve io peta-kevitra io?

Ity ary misy oronantsarimihetsika maneho aza anie fa samy manana ny fomba fiadiny araka ny sokajin-drany ny olona e!

Hyejin Kim

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.