Iran: ny mpibilaogy sy ny raharahan’ny « kadradraka ».

Herinandro lasa izay, namoaka sary ny gazety « The Columbus Dispatch » ao Chicago : mampiseho an’Iran ho toy ny lavaka feno kadradraka. Nahatonga ady hevitra mazamazana teo amin’ny mibilaogy iranianina, indrindra moa fa ireo monina eto Amerika avaratra.

Ny Iranianina toy ny kadradraka

Ny bilaogy “Iranian Truth” dia mihevitra fa toe-zavatra mavesatra izany: “Raha dinihana dia misy fanimbazimbanana ny maha-olona hatrany mialoha ny tantaran’ny famonona olona anarivony, ny ady sy fampijaliana toy ny famonona tany Cambodge, Serbia sy Bosnia nandritry ny ady an-trano tany Yougoslavia , ny famonona tany Armenia sy ny Holocauste”. Dia nandefa lahatsoratra fanoherana izany ity amin’ny tompon’andraikitra amin’ny dispatch ity mpibilaogy ity.

Sarisary mpanavakavaka tany Iran:

Karnangir dia tsy mitovy hevitra amin’izany: noho ny ady hevitra nateraky ny sary tao amin’ny “The Columbus Dispatch” dia nanao fanadihadihana tsotsotra tao amin’ny gazetim-panjakana iranianina “Kay” izay voatendrin’ny filoha farantampony. Inona no vokany? Anjaranao ny mitsara. Hoy ihany ity mpanoratra: misy ny mpibilaogy iranianina no nahatsiaro tena ho voaompa tamin’ny Columbus Dispatch. Toy izany ihany koa ny NIAC (National Iranian American Council).
Fanompana ny tera-tany monina eto Etazonia sy ny fananganana tsy fitiavana azy ireo izany. O ry zareo? Tonio ny saina. Tsy misy manompa anareo ho kadradraka. Nisy olona iray naneho ny heviny hoe firenena miteraka olana goavana eto amin'ny faritra atsinanana. Afovoany io I Iran. Misy mandà izany ve?

Ry zareo sy isika:
Hoy Nik Ahanghosar mpibilaogy sy mpanao sary malaza:

“Ny fahafahana miteny dia tsy midika akory fahafahana manoratra izay rehetra mandalo an-tsaina. Tsy azo atao ny manompanompa ny firenena hafa. Ny fahafahana dia hevi-dalina miovaova araky ny toerana sy fiaviana ary ny finoana isan’izany, ny fomba amam-panao isan-karazany.

Hoy koa ny mpibilaogy “Iran writes”: hitondra antsika aiza moa ny fanerena an’ny Columbus Dispatch hifona. Hamarana ny adi-hevitra ve izany? Isika no foto-mpihavian’izao rehetra izao. Raha mbola mihevitra isika fa mitovy sy miray hina amin’izay rehetra iranianina, anisan’izany Ahmadinejiad sy Khomeiny: henonareo ve ny nambaran’i Ahmadinejiad isan’andro? Tsy mahatezitra anareo ve izay? tsy kiriko ve ianareo? Tsara kokoa no ireo sarintsary ireo ve ny tarehintsika asehony? Tsy misy iray amintsika no hanaiky ho iray hevitra aminy. Saingy izany no zava-misy, ary toy izany ireo fahitan’izao tontolo izao azy, na tiantsika na tsia. Mazava ho azy fa toy izany no fahitan’ny Amerikana antsika ary tsy mahagaga izany. Raha tiantsika ny ho hajaina amin’ny maha-iranianina antsika dia tsy maintsy mendrika haja isika rehetra ary mendrika ny zavatra ataontsika rehetra amin’ny maha-iranianina antsika.

Hamid Tehrani

2 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.