Goatemala: Ireo Vahoaka Hafavolokoditra

Taranaky ny teratany (hataontsika hoe hafavolokoditra eto)[indigenes] efa teto talohan’ny nahatongavan’ny Eoropeana ny maro an’isa amin’ny mponina eto Goatemala. Tena ankavitsiana no mba hafa volonkoditra monina eto. Noho izany zavamisy izany no tena nandraisan’ny eto amin’ny firenena ho zavadehibe nandrasana hatry ny ela ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana ho fiarovana ny Zon’ny vahoaka hafavolokoditra (peuples indigènes) nivoaka tamin’ny 13 septambra lasa teo. Fa ny tena mahaliana dia ny teny sy ny fijerin’ny matrobolokoditra ary ny momba ny fanavakavahana eto an-toerana izay soratan’ny mpibilaogy Goatemalteka. Nivoaka tao amin’ny Democracia Multicultural [ES] ohatra ny lahatsoratry Lucia Escobar izay nilaza fa :

Aunque el papel todo lo aguanta y del dicho al hecho hay un gran trecho, celebro la Declaración sobre derechos de pueblos indígenas parida recientemente por Doña Naciones Unidas. ¿Cuántos años tardaron los estados para ver a los pueblos indígenas del mundo y reconocer que no son atrasados, ni salvajes sino sólo diferentes? ¿Cuánto tiempo más pasará para que respete esa diferencia? ¿Y cuánto para valorar el enorme aporte en justicia, ciencia, arte, ecología, espiritualidad, medicina que desde hace cientos de años y hasta el día de hoy empapa con sabiduría milenaria el planeta?

 

Na dia afa-manoratra izay tianao hosoratana amin’ny taratasy aza ianao dia hita ihany fa misy elanelana be ao amin’ny lazaina sy izay atao. Faly aho rehefa nivoaka ny Fanambaran’ny Firenena Mikambana ho fiarovana ny Zon’ny vahoaka hafavolokoditra. Naharitra hafiriana moa ho an’ny firenena maro vao manaiky fa olonkafa fotsiny fa tsy hoe olon-dia (=mpihetraketraka) na tsy tia fivoarana ny vahoaka hafavolokoditra? Haharitra hafiriana izao vao hajaina ny fahasamihafana? Haharitra firy taona indray vao homena lanja ny hay, ny zavakanto, ny fahalalana ho fampanajana ny tontolo iainana, ny fanajana ny rariny, ny fitandroam-pahamasinana ary ny raokandro efa nomeny nihoatra ny zato taona izay, ary hatramin’izao dia mbola mampahalala ho an’ny planeta ny fahendrena efa nananany anarivony taona izay?

 

Vao niadian-kevitra vao haingana tamin’ny blaogy Goatemalteka ihany koa ny resaka fanavakavaham-bolokoditra sy ny zon’ny vahoaka hafavolokoditra, indrindra noho ny laharana fahafito azon-dRigoberta Menchu, ilay hany hafavolokoditra nirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena. Araka an’i Carpe Diem [ES] tao amin’ny Preguntas que hay que hacer dia : 

En Uspantán, Quiché, la tierra de Rigoberta Menchú, sólo 268 de 9655 votos válidos fueron para la Premio Nobel de a Paz y dirigente indigenista. ¿Será que allá son racistas?

 

Tany Uspantán, Quiché, toerana nahaterahan-dRigoberta Menchu , mpifidy 268 amin’ny 9655 ihany no nandrotsa-bato ho an’ny Loka Nobel ho amin’ny fandriam-pahalemana sady mpitarika ny hafavolokoditra. ¿Mpanavakavaka ve ry zareo amin’izany toe-javatra izany?

 

Amin’ny lafiny ilany indray, mba hafa kokoa izany hoe misy hafavolokoditra mirotsaka ho kandidà izany ho an’ny mpibilaogy sasany. Nanadihady ny fiantraikan’ny fsian’io tranga io ao amin’ny blaoginy i Jorge Cabrera :

Esto puede parecer negativo pero a mi criterio es incluso bueno, por años ha habido gente que en Menchú han ido a descargar en voz baja con críticas, rumores y chistes de salón sus sentimientos hacia el indígena y con estas elecciones han aprovechado para decirlo un poco mas alto …. Muestras de estos comentarios pueden encontrar muchas en internet

 

Mety hihifikifi-doha ny sasany saingy tsara ny nirotsahany amiko. Menchu, nahafahan’ny sasany nibitsika ny tsikera, ny tantara ary ny vazivazy nandritra ny taona maro, no mba nahalalana izay mba eritreritra sy fomba fijerin’ny vahoaka hafavolokoditra. Ny fifidianana kosa no nanararaotan’izy ireo hitabatabany izay tiany lazaina…afaka mijery ohatra be dia be isika amin’ny aterineto.

 

Misy milaza fa noho ny fanavakavahana, ny hafa milaza fa noho izy vehivavy sy ny tsy fahampiambola nampiasaina no naharatsy ny vokatra azon’i Menchu. Ny azo heverina ho mety ho antony tokana dia ny noho ny foko nihaviana,  misy ireo izay mifidy ny mpiray fihaviana aminy ihany. Moa fomba fijery manavakavaka izany ? Hoy ny mpanoratra ao amin’ny bilaoginy Guatemalalahistoria [es] :

En Guatemala hay racismo y hay discriminación racial para el indio, pero no hay lucha de razas, ni discriminación racial para los indivudios de raza nativa que ya no son indios. La discriminación racial, entre nosotros, es un fenómeno ideológico, de súper estructura, que responde a la lucha de clases y opera solamente en función de ella.

 

Misy fanavakavahana sy fanilikilihana ny hafavolokoditra eto Goatemala, fa tsy fifanandrinana eo amin’ny samihafa foko na fanilikilihana ireo teratany izay tsy indios no hita fa noho ny foto-kevitra iainana, efa lalimpaka, misy ifandraisana amin’ny sarangam-pananana sy vondron’asa sy mifandray akaiky

 Ny fanavakavahana sy ny saranga sosialy, lohahevitra mandeha hatrany ao amin’ny blaogy any amin’ny fiaraha-monina anjakan’ny fizarazarana. Ohatra azo itarafana izany ny ao amin’ny blaogy  Antología del Desengaño [ES]  misy ny lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe Guatemala de clase: 

Guatemala todavía es un país clasista. Se manejan muchos estereotipos caducos y prejuicios absurdos. Claro que en este país, se debe encajar dentro de un molde para pertenecer a él. De allí que se crea que todas las personas que estén tatuadas sean delincuentes. O que los canchitos son más inteligentes que cualquiera.

 

Firenena mbola miefitrefitra i Goatemala. Eto no mbola ahitana fanombanana tsy mandeha ilalana sy fitsarana ivelany mandiso eritreritra betsaka. Mazava fa eto tsy maintsy mifanaraka tsara amin’ny saranga na tadiavin’ny vondrona vao tafiditra anatiny. Amin’ny vondrona sasany, ny olona mitondra tombokavatsa dia olo-meloka. Any amin’ny sasany indray izay menasofina (dika bontolo : mavo volo) dia heverina ho mahay kokoa noho ny hafa.

 

Tsy tahaka fahita mahita ny safidy mizara noho ny faritra samihafa, na hevitra mizara noho ny fihaviana samihafa, tafakambana ny fizarazarana tamin’ity indray mitoraka ity. Tsy nifidy Filoham-pirenena ny olona fa nifidy izay ho olom-pamantarana an’i Amerika Latina manaraka. Maro ny mpibilaogy no nitsamboamboatra nanoratra izany ary tsy diso anjara koa ny haino aman-jery rehetra. Nampiasa ny blaoginy  CARLOS PEÑA FANS [ES] ny mpankasitraka ny talentany hanohanany azy amin’ny fifidianana, araka ny voasoratra ao amin’ny vohikalany : 

1er. Blog (hecho en Guatemala) del artista Guatemalteco que está haciendo la diferencia en latinoamérica con su voz y su talento.

 

Blaogy voalohany vita eto Goatemala ana artista Goatemalteka , nametraka ny fiavahany eto Amerika Latina tamin’ny feony sy ny talentany.

 

Nanintona ny mason’ny rehetra izy ary nahazo ny fon’ny saranga rehetra, mpanankarena, mahantra, hofavolokoditra, tsy hafavolokoditra ary ny antoko ankavia. Noho ny asan-tserasera no anton’izany, ny bahana azony tamin’ny takela-gazety, ny fotoana manokana ho azy tany amin’ny haino aman-jery ary ny fanohanan’ny mpandraharaha sy ny orinasa. Tian-kaseho eto fa afa-maneho ny heriny ny serasera eto Goatemala hanaporofo amin’ny karazam-bondrona rehetra fa na dia lehibe aza ny elanelana sy ny fahasamihafana tany amin’ny fotoana lasa dia afaka miray sy mitovy hevitra ihany amin’ny lafiny sasany, na dia hoe fifaninanana anaty Fahitalavitra fotsiny ihany aza. 

Renata Avila

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.