Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mitatitra amin'ny firenena 167 izahay. Mandika amin'ny fiteny 35 izahay. Izahay (Isika) no Global Voices.

Mihoatra ny 800 izahay manerantany no miasa miaraka hitondra vaovao tsy dia fahitanao loatra. Saingy tsy afa-manao izany samirery izahay. Fa na dia mpilatsaka an-tsitrapo aza ny ankamaroanay, dia mbola mila ny fanampianao hatrany hanohana ny tonia, ny mpahay teknolojia, ny tetikasa fanentanana sy fiarovana, ary ireo mpisahana lanonana (fivoriana) avy ato aminay.

Mandraisa anjara ary ankehitriny »
GlobalVoices anaty

Teny ierana

Ekenay , ankatoavinay, takianay ny fahafahana milaza, ny fiarovana ny zo hilaza sy ny zo hihaino.

Takianay ny zon’ny isam-batan’olona sy ny daholo be hànana ny fitaovana filazàna sy fampielezana rehetra.

Noho izany, ezahanay homena izany fitaovana izany izay rehetra te-hampilaza ary koa izay te-hihaino azy ireo.

Noho ny fandrosoana ara-tekinika ankehitriny, tsy ampelatanan’ireo vitsy an’isa irery intsony ny fitaovana famoahana sy fampielezana. Tsy voagejan’izy ireo intsony ny fahafahana misaina, miteny, mifandray sy mifanakalo hevitra. Tsy azon’ny mpitondra sy manam-pahefana ferana intsony koa izany fahafahana izany. Zon’ny tsirairay izao ny fahafahana manoratra ; zon’ny tsirairay ny mitantara izay tiany ho tantaraina amin’izao tontolo izao.

Ezahanay ny fanorenana tetezamita hampifandray ny olona, hihoatra ny fefy sy hantsana ara-kolotsaina sy ara-pitenenana mampisaraka azy ireo, hifankahalalàny kokoa. Ezahanay ny hampivelatra sy hanamafy ny fiaraha-miasa, hitomboan’ny vokatry ny asa.

Inoanay tokoa fa ny fifandraisana mivantana no lalam-pahombiazana. Ny fehim-pifandraisan'ny teratany samihafa fiaviana dia manana hery manokana, ho an’ny tsirairay sy ara-politika, mahery vaika tokoa.

Inoanay marimarina fa ny adihevitra mihoatra ny faritry ny tany isan’isany no fitaovana mahomby indrindra hanorenana ampitso vaovao, hanjakan’ny fahafahana sy ny rariny, hamokarana harena maharitra sy marim-pototra – ho an'ny tsirairay eto amin'ity planeta ity.

Na miasa sy misaina ary miteny amin’ny fomba samihafa ara-piaviana aza izahay, ny zo sy zava-kendrena kosa no itambarana: Ny teny ierana dia ny hifanaja, hifanampy, hifampihaino, hifampianatra.

IZAHAY NO “FEON’ IZAO TONTOLO IZAO”

Renim-paritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny