2008-12-27
Frantsa: Vonona handray filoham-pirenena mainty hoditra ve?
Amin'izao vanim-potoanan'i Obama izao, vonona handray filoham-pirenena mainty hoditra ve i Frantsa? ka i Eugene Ebode, vahinin'ny bolongana ao amin'i Alain Mabanckou, no miresadresaka momba ny karazana politika any Frantsa.
Iran: Mpamaham-bolongana Islamista Iraniana manohana an'i Gaza
2008-12-26
Makedonia tsy voafetran'ny fotoana
ty lahatsary ity dia nosoratana sy notontosain'i Milcho Manchevski (efa tafiditra hifaninana tao amin'ny Academy Award ny taona 1995), ary ny tanjona amin'izany diany hampiroboroboana ny fizahantany mankany Makedonia. Halefa ao amin'ny CNN ity lahatsary ity, sy any amin'ny firenena hafa ampolony sady havoaka amin'ny fiteny valo samihafa. hitatitra amintsika izay ambaran'ireo bolongana sy ny fihetseham-po nahita ny lahatsary i Elena Ignatova.
Bahrain: Fampitahana ny fomba fiasan'ny Bahrainita sy ny Japoney
Mpamaham-bolongana Bahrainita Yagoob izay mianatra any Japana amin'izao fotoana izao - dia manatri-maso ny lazan'ny fitiavan'asa eo amin'ny Japoney. Amin'ity lahatsoratra ity ary no anehoana anareo ny fampitahana ny fomba fiasan'ny maro amin'ny Bahrainita sy ny fanaon'ny Japoney.
2008-12-25
Tonga soa Global Voices amin'ny teny Serba
Nomena teny hilaza aho ka mihasolanga milaza aminareo ny fisokafana amin'ny fomba ofisialy ny Global Voices amin'ny teny serba, izay hiara-dalana amin'ireo vohikala Lingua hafa (toy ny amin'ny teny malagasy). Atoa Sinisa Boljanovic izay mpanoratra eto amin'ny Global Voices ihany no angady nananana sy vy nahitana, nanokatra izany Global Voices amin'ny teny Serba izany.
Mangina ny tanàna any Ginea taorian'ny fanonganana, hoy ny mpamaham-bolongana
Nanjaka ny savorovoro tany Conakry taorian'ny nampodimandry an'i Filoha Lansana Conte (misy malagasy faly ery manonona anarana hafa saingy tsy soratako etoana kosa izany) sy ny fahombiazan'ny fanonganam-panjakana notarihin'ny Jeneraly Ginieana Moussa Dadis Camara.
Nitondra amim-pangejana mafy an'i Ginea nandritra ny ampahaefatry ny taonjato iray i Conte. Toa tsinjo nihamalemy ny ...
2008-12-24
Eoropa afovoany sy atsinanana: ny marika napetraka ;-) sy tantara aterineto hafa
Indreto atolotra anareo eto ambany eto ireo lahatsoratra nataon'ny mpamaham-bolongana avy any Eoropa afovoany sy atsinanana miresaka ny tambajotra an-tserasera, fampitam-baovao iaraha-mientana, fahazotoana an-tserasera sy izay zavatra rehetra mifandraika amin'izany.
Eternal Remont no nanoratra momba ilay mpandraharaha Rosiana Oleg Teterin, izay milaza fa efa marika ananany zo ny sarikely ;-) ...
Shina: Ny Sata faha 8, mba halàlaka sy tsy hanan-tahotra
Ankatoky ny fankalazana ny faha enimpolo taonan'ny fanambarana eran-tany momba ny Zon'Olombelona ny 10 Desambra, Sinoa 303 mpitandro ny zon'Olombelona, no niaraka namoaka ny Sata faha 8, izay mitaky fanavaozana pôlitika any Shina. Kanefa, ny governemanta Sinoa dia nanapa-kevitra ny hankalaza ny fanambarana eran-tany ny zon'Olombelona amin'ny alalan'ny famoretana izany ...
2008-12-23
Madagasikara: Televiziona noterena hijanona
Noho ny nandefasany ny lahatsarin'ny mpanohitra iray an-tsesintany dia nakaton'ny fanjakana ny VIVA televiziona. Miady hevitra momba ity fanapahan-kevitra politika ity sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fahafaham-pitenenana ny mpamaham-bolongana.







Pakistan: Nisy baomba nipoaka sady nahaf...
- eny tompoko, misaotra anareo nanome ny vaovao mikasika ny fiainam-pire...
Tohiny »