Global Voices teny Malagasy
Miharatsy ny fanabeazana any Kazakhstan
Ny 01 hatramin'ny 10 jona no niatrika ny fanadinana famaranana (UNT) ireo mpianatry ny ambaratonga faharoa any Kazakhstan-fanadinana atrehan'ny mpianatra voalohany kanefa manan-danja eo amin'ny fiainany. Ny salanisa ankapoben'ny mpanala fanadinana, araka ny nosoratan'i Zara, mpitoraka bilaogy iray, dia 74.9 , izany hoe nitombo isa 7 raha oharina amin'ny teo aloha. Niakatra ho 54.5% ny salan'isa ankapoben'ny mpianatra raha 36% izany tamin'ny taon-dasa. Amin'ny ankapobeny dia nihatsara ny vokatra raha oharina tamin'ny taona lasa rehetra, araka ny fanamarinany.
Milaza ny tarehimarika azony i Sadenova, araka ny antontan'isa eo am-pelantanany, ary nanamarika:
“Raha jerena ny vokatra tamin'ity taona 2009 ity dia mpiadina 1 amin'ny 7 no tsy nahazo isa 45, 1 amin'ny 9 no nahazo isa mihoatra ny 100 ary 1 amin'ny 13 500 no nahatratra ny isa ambony indrindra 125[ru].
Milaza kosa i Lord-Fame fa nisy ny hosoka nandritra ny fanadinana. Tsy misy dikany ny fandraràna ny fitondrana finday raha ampitahana amin'izao manaraka izao[ru]:
300 dôlara-izay no vola aloa amin'ireo mpiasan'ny fampianarana tsy hahatratrarana finday any am-pelantanan'ny mpianatra iray manala fanadinana. Toy izany ihany koa ny vola aloa any amin'ny faritany raha somary lafolafo kosa any Almaty sy Astana… Raha mandoa 1000 dôlara mantsy ianao dia mahazo matoky fa atoron'ny mpampianatra raha toa ka misy fanontaniana sarotra.
Adil Nurmakov
Tontolo Arabo: Aleo hanao izay tiany eo ny Iraniana
Nitana ny votoatin'ny bilaogy arabo efa ho herinandro izao ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vokany natao tany Iran, miaraka amin'ny fanehoan-kevitr'ireo mpitoraka bilaogy eny rehetra eny.
Mangataka an'izao tontolo izao i Harrega mpitoraka bilaogy jordaniana hiala mandritra ny famahanan'ny Iraniana samy irery ny aferany:
Nifidy ry zareo, na marina io fifidianana io na nisy hosoka, tsy fantantsika izany, ka heveriko fa tsy misy na iray aza afaka manamarina izany. Halako i Ahmadinejad kanefa tiako kosa ny demokrasia, ka rehefa mifidy ny olona dia tokony hajaina ny safidiny. Tsy tiako ny fanaon'i Etazonia manoloana ny firenena hafa, rehefa milaza izy fa ara-dalàna ny fifidianana rehefa ny “olony” no lany ary naneho ny heviny mazava tsara ny vahoaka, fa misy hosoka ny fifidianana rehafa “ilay masiaka” no maharesy.
Avelao ny Iraniana hifidy izay tiany, ka rehefa tiany ny hidina an-dalam-be hanongana an'i Ahmadinejad doa aleo hataony izany. Ny farany nanonganana olona masiaka tamin'ny alalan'ny miaramila nanao be fiavy dia toa tsy nandeha araka ny nilana azy loatra, tany amin'ny firenena tena akaiky an'i Iran no nisehoan'izany, akaiky ara-jeografika sy ara-pitenenana.
Ao amin'ny bilaogy arabo-amerikana KABOfest dia miresaka ny andraikitra raisin'i Etazonia amin'ny fifidianana tany Iran i Kalash ary milaza koa ny foe heno teny an-dalana teny:
Tsy fantatra na nangalarina ny vaton'i Moussavi na tsia, fa ny zavatra mazava kosa dia hoe manao fihetsiketsehana rahana kajikajy ny mpitondra. Ny hevitra tsy tia amerikana no tena voizin'ireo lohandohan'ny mpitondra fivavahana iraniana amin'izany. Mba hampidinana ny feo fotsiny no nahatonga an'i Théheran nihaino an'i Washington, satria nanalefaka ny foeny i Obama. Kanefa raha avela ho eo i Ahmadinejad dia mizotra mankany amin'ny lalan-dratsy ny fifandraisan'i Etazonia sy Iran. Mampatahotra ny zavatra miseho ankehitriny. Raha maka fanapahan-kevitra mazava i Obama dia mety hivoaka handresy ny mpitondra fivavahana silamo any an-toerana.
Enga anie mba ho raharahan-tokantrano ny zava-miseho ankehitriny. Mila manao fikomiana i Iran raha te hanaisotra ny fitondran'ny mpitondra fivavahana izay mandrirotra ny tady. Tsy i Moussavi velively anefa no ho olona afaka hitarika izany fikomiana izany, fa ny tena zava-dehibe aloha dia ny hoe efa mihetsika ny vahoaka. Tsy vita ao anatin'ny indray andro izany, kanefa mety hianjera ihany indray andro any ny Repoblika Islamika.
Hoy ny bilaogy mpanohana an'i Palestine Jews Sans Frontières:
Tsy fantatro izay hitranga any Iran. Ny fahadalana mihoampampana ataon'ilay mitonon-tena ho mpiara-dia amin'ny Tandrefana, Moussavi, izay milaza fa nahazo fandresena manoloana ilay toa hoe efa naloan'ny vahoaka, Ahmadinejad, toa tsy misy heviny firy.
Ho an'ny Iraniana dia hoy izy:
Maneho fahavononana ny vahoaka manoloana ity fanjakana mitam-piadiana sady vonona ny hamono ity, ary eo an-dalam-panoratana tantara izy ireo ankehitriny. Hotahiana anie izy.
Avy any Ejipta i Wael Nawra no maneho hevitra ao amin'ny Weekite ny amin'ny hevitry Obama manoloana iny fifidianana tany Iran iny:
لابد أن أعترف أن تعليقه متوازن وينطوي على قدر كبير من الاحترام للشعب الإيراني وتجربته الملهمة، وفي نفس الوقت لغة أوباما قوية وواضحة في دعم الحقوق الكونية لكل إنسان وشعب وللإيرانيين في اختيار من يحكمهم، كما يحمل خطابه روح إيجابية وأمل على الرغم من القلق الواضح نتيجة للعنف
Azo lazaina fa tena voalanjalanja tsara sady maneho fanajana tanteraka ny vahoaka Iraniana ny fanehoan-keviny. Miaraka amin'izany koa dia nanambara mazava i Obama, amin'ny fanohanany ny zo eran-tany sy ny zo isam-batan'olona ary ny iraisam-pirenena, sy ny zon'ny Iraniana hifidy izay hitondra azy. Nitondra fanantenana sy ho avy mihatsara koa ny teniny, na dia eo aza ny fitaintainana manoloana ny fifamonoana.
Farany dia nanamarika ny Irish for Palestine:
Ireo mpanao gazety tandrefana dia manohana ny hevitra hoe hanongana ny Repoblika Islamika ny vahoaka Iraniana, izay araka ny hevitro, dia zavatra mampatahotra izany, kanefa manana ny fandaharam-potoany ny fampahalalam-baovao. Mitovy hevitra amin'izay koa ilay mpanao gazety anglisy Fisk izay nilaza fa tsy ny hanongana ny Repoblika Islamika akory no miseho fa te hanala an'i Ahmadinejad fotsiny ireo vahoaka ireo ary matoky ny fifidianana izy ireo.
Amira Al Hussaini
Però: Ireo tompon'andraikitra tamin'ny famonoana nandritra ny ady tao Amazonia
Niteraka resabe teo amin'ny tontolon'ny bilaogy tany Pérou ilay zava-nitranga nampihorin-koditra niseho tany Bagua ao anaty alan'i Amazonie any amin'ity firenena ity. Tsikerain'ny mpitoraka bilaogy maro ny filoha Alan Garcia sy ny governemantany satria tsy nanaja ireo fifanarahana sy fifanekena milaza fa alohan'ny hanaovana zavatra ao amin'ny tanin'ireto tompon-tany ireto dia tsy maintsy hanontaniana aloha ny heviny. Izany indrindra no nahatonga ny fihetsiketsehana sy ny fanakana-dàlana ary niteraka fifandonana izay nahitana mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny teran-tany sy poilsy maro maty. Nahazo tsikera koa ny filazam-baovao momba ny fomba firesahany ny zava-niseho sy ny lahatsoratra avoakan'ny mpanao gazety sasany manamaivana ny fahafatesan'ireo teratany.
Notsikerain'i Silvio Rendon ao amin'ny bilaogy Gran Combo ny fanaovan'ny governemanta tsinontsinona ny fifanarahana mikasika ny fifanakalozana malalaka amin'i Etazonia sy ny fifanarahana amin'ny birao iraisam-pirenena momba ny asa izay milaza fa tsy maintsy hanontaniana ny hevitr'ireo teratany mialohan'ny hampiasana ny taniny. Mbola tohizany ihany:
El tema no es la inversión ni nacional ni extranjera, sino que se respeten los derechos de las comunidades nativas. Si el asunto arranca violando sus derechos, ¿por qué las comunidades tendrían que creer que la violación de sus derechos no va a seguir?
El gobierno accedió al diálogo en medio de la protesta nativa, con los bloqueos ya en marcha. Sin embargo, de repente el gobierno decide que no va a hacer nada si la medida de fuerza continúa. Un repentino cambio de reglas. Y además, ¿qué puso sobre la mesa todo este tiempo? ¿Consulta a los nativos? No. Modificaciones cosméticas de las leyes rechazadas por los nativos. Entretanto, varios decretos han sido declarados inconstitucionales por la Defensoría del Pueblo como por la Comisión de Constitución del Congreso. No es que los nativos no tengan razón. El gobierno viene forcejeando por leyes que han sido declaradas inconstitucionales.
Tsy ilaina ny mahafantatra hoe fampiasam-bolan'ny fanjakana izany na avy any ivelany, fa kosa tsy maintsy hajaina ny zon'ireo tompon-tany. Raha manitsakitsaka ny zon'ireo tompon-tany izy, ahoana moa no hahalalana raha mbola hitohy foana izany fanitsakitsahana izany?
Manaiky ny hifampidinika ny governemanta rehefa mandeha ny fihetsiketsehana sy ny fanakana-dàlana. Nanapa-kevitra indray àry izy fa tsy hanao na inona na inona raha mbola mitohy ny fihetsiketsehana. Famadihana fitsipi-dalao tampoka teo! Ankoatr'izany, inona no nataony hifanarahana nandritra izay fotoana izay? Niresaka tamin'ny tompon-tany ve ianareo? Tsia, ny fanovana endrika ny lalàna ihany izy efa nalavin'ireo tompon-tany! Ary koa, hitsivolana maro no efa nambaran'ny mpitondra tenin'ny teran-tany sy ny Comité Constitutionnel du Congrès fa tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana.
Ao amin'ny bilaoginy Conflitos Sociales en el Peru no mitsikera ny governemanta momba ny andraikiny sy ny tsy fahamalinany amin'izao krizy izao i Erick Garcia. Na dia eo aza ny vaovao ananan'ny governemanta sy ireo avoakan'ny fampahalalam'baovao dia fantatra fa mpihavy maro any an-toerana no manatevin-daharana ireo mpanao fihetsiketsehana:
Ahora me pregunto si un par de Decretos Legislativos valen todo el odio y dolor que generarán estas muertes. Se podrá ahora hablar de una solución pacifica y concertada con tantas muertes a cuestas (sobre todo cuando ya la Ministra del Interior ha declarado que Pizango y compañía deben ser detenidos y puestos a disposición de las autoridades – RPP 16:30) Lamentablemente comenzará la casería por encontrar a los responsables “políticos” e “ideológicos” de esta masacre; qué actitud que tomará el parlamento respecto a los decretos aún es incierto (seguramente estarán pensando más en la censura ministerial que en otra cosa); lo único claro es que el tema de fondo que en algún momento pudo discutirse “el modelo de desarrollo amazónico” solo sabe Dios cuando volverá al debate público.
Ankehitriny, manontany tena aho raha misy hitsivolana mendrika ny fankahalana sy ny fangirifiriana niteraka ireny faty olona ireny. Afaka miresaka famahana olana am-pilaminana amin'izay isika vidin'ireny maty marobe ireny (indrindra taorian'ny fanambaran'ny minisitry ny atitany fa hosamborina sy hatolotra ny fitsarana i Pinzago, mpitarika ny fihetsiketsehana sy ny namany hafa. Indrisy fa hanomboka amin'izay ny fitadiavana ireo mpanao “politika” sy manana “foton-kevitra” tamin'iny famonoana iny; mbola tsy mazava ny toerana horaisin'ny parlemanta mikasika ireo hitsivolana ireo, mazava ho azy fa ny fanafoanana ny ministera no hataon'ireo solombavam-bahoaka). Ny hany zavatra mazava dia hoe tokony ho nifampiresahana ny fototry ny olana, “ny fampandrosoana filamatra an'i Amazonie”, Andriamanitra irery no mahalala hoe rahoviana indray izany vao hatao ady hevitra handraisan'ny rehetra anjara.
Mitsikera tsy am-pihambahambana ny filoha Garcia kosa ilay vahiny Peroviana monina any Espagne, Garcia izay nanambara fa tsy diso ireo mpanao fihetsiketsehana ireo ary tsy afaka hilaza amin'ny vahoaka peroviana miisa 28 tapitrisa tsy hiditra ny faritra misy azy, raha manao izany izy ireo dia hanao fahadalana ary “hihemotra ho olon-dia”. Manoratra mikasika ny filoha Garcia i Jomra:
No solo es mentiroso, sino que es intolerante e ignorante de la propia Constitución y los tratados que Perú ha firmado. … Pero lo importante es el fondo: El presidente asume que puede aplastar lo que la Constitución y el Convenio OIT nº 169 Sobre Pueblos Indígenas y Tribales en Países Independientes (de 1989, entró en vigor en el 91 y Perú lo ratificó en el 94), en la primera se establece una entidad jurídica especial para las Comunidades nativas y campesinas que el ejecutivo debe respetar y en el segundo se obliga a que toda decisión que afecte a las comunidades sea previamente consultada. El DL 1090 no lo ha sido.
García cada vez que puede acusa a la dirigencia de las comunidades de manipular a los pobres ignorantes, a la vez que pone que todo esto está orquestado por otros países, no se atreve a acusar a Venezuela pero indica que a quien conviene es a Chile (supongo que en el vecino del sur se mueren de risa al oír los despropósitos de García).
Tsy vitan'ny hoe mpandainga fotsiny izy, fa olona tsy manana fandeferana sady tsy mahalala ny lalàm-panorenana sy ireo fifanarahana samihafa nosoniavin'i Pérou…Fa ny tena goavana, izay fotony dia: mihevitra ny filoha Garcia fa azo tsinontsinoavina ny voarakitra ao amin'ny andalana 169 ny fifanarahana amin'ny Birao iraisam-pirenena momba ny asa izay mahakasika ireo teran-tany sy mponina any amin'ny firenena mahaleo tena (lalàna natao ny 1989, nampiharina ny taona 1991 ary nankatoavin'i Pérou ny taona 1994). Miantoka ny rafitra ara-dalàna nomena ireo mponina sy tompon-tany ary ny tantsaha io lalàna io. Ny faharoa dia mitaky fa ny fanapahan-kevitra rehetra  mahakasika ny fiainan'ireo tompon-tany ireo dia tsy maintsy hifampidinihana aminy aloha vao tanterahana. Noraisina tsy nisy fifampidinihana ny hitsivolana 1090.
Isaky ny manameloka ireo mpitaika fikambanana ireo ho mpilalao ny mahantra ny filoha Garcia dia izy izay no manao. Amin'izany dia tohanany tsara ny hoe firenena hafa no manao ilay zavatra. Tsy nisalasala akory izy niampanga an'i Vénézuela, nefa nilaza indray izy avy eo fa misy tombontsoan'i Chili (angamba matin'ny fihomehezana ireo mpifanolo-bodirindrina aminay aty atsimo aty noho ny laingany).
Ao amin'ny bilaogy Peru Apartheid no manoratra i Amazalia Fracaso fa malemy ny fiaraha-monina any Pérou ary afaka hamarinina izany satria tokony tsy nisy ireny faty olona ireny. Notsikerainy koa ny fampahalalam-baovao noho ireo andraikitra noraisiny nandritra ity krizy ity:
También lo es que la indiferencia e incluso la justificación de muchos comentaristas y bloggers, que haya gente que es capaz de aceptar estas muertes como necesarias para mantener el orden y el desarrollo significa que aún estamos muy lejos de ser un país que pueda caminar hacia adelante.
Es vegonzoso como los medios de comunicación como Peru21, El Comercio, RPP, desinforman a la población y se dedican a poner a la opinión pública en contra de las protestas sociales, ya sea minimizando las muertes que los nativos han sufrido, escondiendo información o exagerando y dandole un spin tétrico a las noticias. Esto también pasa con alguna prensa internacional, Simón Romero del NYT hace una nota sobre la protesta, mezcla el conflicto con Sendero Luminoso, (y) presenta a los nativos como anti-desarrollo.
Ao koa ny tsy firaharahiana, eny hatramin'ny fanamarinana aza nataon'ireo mpaneho hevitra sy mpitoraka bilaogy - izay nilaza fa ny fisian'ireny maty ireny no hamerenana indray ny filaminana ary hanomezana antoka ny fampandrosoana - izay manambara fa mbola lavitry ny fandrosoana ny firenentsika…
Mahamenatra raha ny fampahalalam-baovao tahaka ny Prey21, ny E1 Comercio ary ny RPP no milaza lainga amin'ny mpamaky ary mamily resaka amin'ny hevitry ny vahoaka mikasika ny fihetsiketsehana sosialy, na izany amin'ny fampihenana ny isan'ireo maty avy amin'ny tompon-tany, na izany amin'ny fanafenana ny vaovao na avoaka ihany fa mivalana. Afaka hamarinina koa izany amin'ny vaovao iraisam-pirenena, nanao fanadihadihana mikasika ny fihetsiketsehana ilay mpanao gazetin'ny New York Times, Simon Romero, kanefa nampifangaroany tamin'ny fifandonana tamin'ny Shining Path (lalana mazava) izany izay nilaza fa manohitra ny fampandrosoana ireo teran-tany.
Juan Arellano
Korea Avaratra: Mpanao gazety Amerikana roa voasazy hiasa an-terivozona
Tsy dia mandrisika loatra ireo vaovao avy any Pyongyang. Taorian’ny niampangana azy ireo ho niditra an-tsokosoko tany Korea Avaratra, voasazy hiasa an-terivozona mandritra ny 12 taona ireo mpanao gazety Amerikana Laura Ling sy Euna Lee (araka ny re tao amin’ny CNN). Namoaka fintina am-blaogy momba ity raharaha ity ho an’ny Global Voices i Jillian York talohan’ny namoahana ny sazin’ireo mpanao gazety.
Miteraka hetsika goavana avy amin’ireo mitolona ho an’ny fahafahan’ny fanaovan-gazety eto amin’ny aterineto io vaovao mampivalaketraka io ary takiany ny famotsoran’i Korea ireo mpanao gazety roa ireo.  Misy takelaka Facebook ho an’i Laura sy Euna  efa manana mpikambana maherin’ny dimy arivo sahady. Androany dia niangavy ny vahoaka izy ireo mba hanaja ny fiainana manokan' ny fianakaviana amin'izao fotoana izao ary mba tsy ho entanin'ny fihetseham-po  be loatra:
““Ho feno ny fonareo. Miangavy, ezaho fehezina ny hatezeranareo . Fandanian-kery ny hatezerana ary izay no tadiavin’ny Korea Avaratra aminareo. Afaka ary ho afaka hiasa hiaraka isika ary hampiasa ny fahaizantsika mba hivoahana amin’izao zava-misy izao.”
LiberateLaura, blaogy nosoratan’ilay mpanao gazety avy any Los Angeles Richard Horgan, dia manoritsoritra ny zava-mitranga any Korea Avaratra ho “mendrika an’i Shakespeare” ary manontany tena momba ny fanapahan-kevitry ny “Fanjakana Hermit  [mpitoka-monina]” hisambotra an’i Laura Ling sy Euna Lee:
“Indrisy, tao amin’ity fanjakana adala ity, efa manoloana ny faharavàna, no namaranan’ireo mpanao gazetin’ny Current Laura Ling sy Euna Lee ny dia. Tamin’ny Talata 17 Martsa, na noho ny tsy nahy, na noho ny fitaky ny Sinoa iray ‘mpitari-dàlana’ azy ireo, voavidy, nampangaina izy ireo ho nandika an-tsokosoko ny faritra tsy hita maso teo amina tetezana iray mampitohy an’i Sina amin’i Korea Avaratra. Nanaraka izany ireo fanadihadiana hentitra sy fanokana-monina roa volana sy tapany, ary ankehitriny, taorian’ny fitsarana fohy, sazy mafy asa an-terizvozona mandritra ny 12 taona noho ny fidirana an-tsokosoko tany an-toerana sy  ‘heloka goavana’ tsy voafaritra.
Ilaina ilay fampitoviana amin’i Shakespeare satria manampy antsika kely ihany  hanisy dikany an’ity valim-pitsarana saro-takarin’ny 8 Jona an’i Ling-Lee ity. Tena mampiasa ireo vehivavy Amerikana tsy manan-tsiny mihitsy i  Kim Jong-il eo amin’ny olana ara-diplomatika, ara-nokleary, mba hampitony ireo  mahery loha ao amin'ny tafiky ny firenena fa hotazonin'ny mpandimby an' i Kim Jong-un tsy hihetsika ny tafika.”
Ao amin’ny YouTube, mandefa horonan-tsary ireo mpanohana izay mitaky ny famotsorana tsy misy hatak’andro an’i Laura sy Euna. Misy koa  horonantsary sy sarin'ireo mpitaky am-pilaminana [mpitily] any Korea Atsimo, San Fransisco ary koa any Etazonia.
Ity misy fanambarana am-pahibemaso avy ao amin’ny Pacific Rim Video sy Kelly Hu:
<object width="408" height="248" data="http://www.youtube.com/v/rcakemWJ5FA&hl=en&fs=1&" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/rcakemWJ5FA&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Raha miara-miaky ny famotsorana an’i Laura sy Euna ny vahoaka sy ireo fikambanana maro isan-karazany ho an’ny fahalalahan'ny fampitam-baovao, ny sasany kosa dia manontany tena momba ireo fihetsiky ny departemantam-pitondràn’ny Etazonia sy ilay filoha lefitr'i Etazonia teo aloha Al Gore (nanorina sy filohan’ny Current TV, izay mpampiasa an’i Euna sy Laura) manoloana ny zava-misy.
Miteny i Donald Kirk ao amin’ny Asia Times:
“Tohina foana ireo Koreana Tavaratra isaky ny misy manam-boninahitra Amerikana mitsidika ny faritra, ary olana iray avy hatrany tamin’ny fitsarana ny fifanindriany amin’ny dian’ny delegasiona Amerikana notarihan’ny Minisitra lefitra misahana nyraharaham-bahiny James Steinberg nankany Korea Atsimo, Sina ary Japana.
Tsy niresaka am-pahibemaso momba ireo vehivavy roa i Steinberg nefa nanambara mazava tsara izy nandritra ny fihaonana tamin’ny filohan’ny Korea Atsimo Lee Myung-bak sy ireo mamnampahefana ambony hafa fa tsy manan-kevitra ny hiady varotra momba izay mahazo azy ireo i Etazonia. Mety mba ho  nieritreritra azy ireo ihany  izy tamin’ny nanambarany tamin’i Lee fa tsy hanome fanampiana an’i Korea Avaratra intsony i Etazonia. “
Manohy amin’ny firesahana ny fandraisan’i Al Gore anjara amin’ny ady varotra izy:
“Fa maninona izany no avela ho andraikitry ny delegasiona manampahefana ambony Amerikana? Tonga ao an-tsaina  ilay hoe i Gore no olona afaka mamaha io olana io raha mijery ny toerana misy azy amin’ny fandrindrana ny tamba-jotra niasan’ireo vehivavy roa.
Toa nangina hafahafa izany i Gore momba an’iny, izay mahatonga hieritreritra  fa hoe  miandry ny ho tonga eo anoloan’ny Koreana Tavaratra izy hamonjena ireo vehivavy roa – fiafarana toa mampilendalenda nefa sarotra inoana.”
Mety tsara ho an’io iraka io i Gore. Ny fandraisany anjara dia mety hanome ny fanekena tadiavin’ny Korea Avaratra ho fanekena azy ho isan’ireo mpikambana ao amin’ny fikambanan’ny firenena nokleary nefa tsy hitondraamin'ny faneken'i  Etazonia am-pahibemaso mihitsy.
Tsy ny rehetra no mandray ny fahanginan’i Gore ho maivana. Tsy nohamaivanin’i John in Condition Yellow ny tsy fahampian’ny fandraisan’i Gore anjara, tamin’ny fitenenana fa:
Tsy mihevitra aho fa hamela ny asany fotsiny amin'izao  Ingahy ‘Fihafanan’ny Tany'  ka hitety ranomasina ho any Korea Avaratra mba hiady varotra fotsiny amin’ny famotsorana ireo olona roa miasa ho azy. Mbola sahirana mamonjy ny planeta ilay nahazo ny lokan’ny Nobel ho an’ny fiadanana. Sa tsy izany? Fa hafiriana no ho laniny mba hamoahana teny kely toy ny hoe, “Eh, Kim Jomg Il! Avelao ny oloko handeha, raha tsy izany dia hotsoahinay lavitra anao ny ‘carbon credits’ -nao.”
Nefa am-pahamatorana, Izaho irery ve no mieritreritra fa na dia fanambarana am-pahibemaso tsotra avy amin’Atoa Pulitzer aza, hanamelohana ilay fitsarana, dia efa  zavatra tso-po kely indrindra tokony hatao ho an’ny olona izay miasa ao aminy?
Hmmm. Eny ary, mety ho i Bill Richardson no hahomby kokoa .
Fa misy zavatra iray tena azo antoka, araka ny  lazain'i Jo  ao amin'ny blaogy Jo's Department – maniry ny fiverenan’ireo mpanao gazety am-pilaminana ny rehetra:
Manantena aho fa tsy hiaritra ny haratsian’ny rafi-pigadràna any Pyongyang (araka ny voasoritsoritr’ireo afaka tamin'izany) izy ireo ka ho afaka hiverina am-pilaminana sy hihaona amin’ny fianakaviany tsy ho ela ireo mpanao gazety roa ireo.
Pero: Fanohintohinana ny zon'olombelona sy ny fahalalàhana miteny
Nanomboka tamin’ny nandravàn’ny mpitandro filaminana ny barazy natsangan’ireo zanatany [indizena] mba hanoherana lalàna iray (DL 1090) izay eritreretin’izy ireo ho mandika ny zony amin’ny tany navelan'ny razany ny fandatsahan-drà tany amin’ny tanàna Perovianan’i Bagua . Tsy fahafatesana sivily tsy fantatra isa mazava ( 10 no isa ofisialy, nefa araka ny loharano hafa dia manodidina ny 80 hatramin’ny 250 izany) sy mpitandro filaminana 23 ihany no naterak’ireny, fa niteraka diabe sy hetsika fanehoana firaisankina amin’ireo zanatany [indizena] manerana an’i Pero koa. Toa tsy manana afa-tsy valin-teny tokana monja ny ankabeazan’ireo Peroviana momba ny hoe iza no nahatonga ireo fahafatesana ireo: ny governemanta.
Ny hany setrin'izany avy amin’ny governemanta dia toa ny herisetra. Ohatra amin’izany, ny hetsika iray nataon’ireo mpianatra tany Lima ka nifandona tamina mpitandro filaminana mpandrava fihetsiketsehana maro tsy toy ny  mahazatra izay nanaparitaka azy ireo tamina baomba mandatsa-dranomaso. Nambara ihany koa ireo tetika hanadiovana ampahan-dàlana iray (any Yurimaguas) amin’ny faran'ity herinandro ity, izay mbola sakanan’ireo mpanao fihetsiketsehana. Na dia nitafa tamin’ireo mpitarika ireo vondrom-piarahamonina indizena eny an-toerana aza ny governemanta, mbola matahotra fandatsahan-drà ihany ny maro.
Tsy maintsy nifikitra tamin’ny filazàna  ofisialy momba ireo zava-nitranga ny haino aman-jery tranainy, indrindra tamin’ny  nanombohan'ny zava-nitranga, ary izany no nahatonga ireo fampitam-baovao sosialy toy ny  blaogy sy twitter (ampiasao ny teny fototra #bagua) ho  lasa loharano voalohany momba ireo vaovao hafa. Na dia mitohy eny aza ny fandisoam-baovao goavana atao  momba io tranga io, tsaratsara kokoa raha nitsimbadika ity raharaha ity.
Raharaha iray izay nampieritreritra momba ny andraikitry ny governemanta amin’ny fanapariahana ireny vaovao tsy ofisialy ireny ny fanakatonana ilay toby fampielezam-peo tao Bagua, La Voz de la Selva toa noho ny fanapariahana vaovao tsy marina. Efa namoaka  filazàna momba ny tahotra ny mety hitrangan’izany ilay toby fampielezam-peo. Androany anefa, tanteraka ihany izany tahotra izany, izay avy hatrany dia niteraka hetsika fanoherana nataon’ireo mpanentana sy ireo avy amin'ny anjerimanontolo. Mikasa ny hanohitra ity fanakatonana ity koa ireo tompon’ilay toby fampielezam-peo. Nampiely ny fiampangan'ilay toby ny  fampijaliana  sy ny  tsy fanajana ny zon’olombelona ny vohikala Enlace Nacional. Nanohitra ny fanafoanana ny fanomezan-toky nataon’ny governemanta koa izy, sy ny fandavàny hanaovana lanonam-panomezam-boninahitra ireo niharan’ny herisetra.
Zavatra hafa nampibaribary ny tsy fandeferan'ny governemanta koa ny fampihatoana mpikambana fito ao amin’ny kongresy izay naneho ny fanohanany ny vahoaka indizena. Farany, na dia nanambara aza ny governemanta fa hanokatra fifanakalozan-kevitra indray amin’ireo mpisolo tena ny indizena, dia mbola mandà kosa ny hampidirana ny AIDESEP izy, fikambanana izay misolo tena ny ankamaroan’ny vondrom-piarahamonina indizena any Pero, nefa koa voatoroka ho manone vàhana azy ireo. Nanohatra izany fanapahan-kevitra izany ny mpanelanelana avy amin'ny governemanta.
Amin’izao fotoana izao, tsy dia misy fanantenana loatra ny toe-javatra misy an’i Pero momba ny zon’olombelona sy ny fahalalahana miteny. Tsaratsara kokoa ny manaitra ny fiaraha-monina iraisam-pirenena, mba handefasan'izy ireo  mpanara-maso sy hijerijereny ny fivoaran’ny zava-misy any Peru, alohan’ny hiharatsian’ny raharaha sy hisian'ny tranga iray mety hanenenan’ny firenena mandrakizay.
Fandikan-teny ho amin'ny anglisy avy amin'ny lahatsoratra fototra amin'ny teny espaniôla nataon'i  Tom Schrieber.
Indonésie: fitaovam-piadiana mihasimba
Elikopteran'ny tafika indoneziana anankiray indray no nianjera ny alatsinainy lasa teo tany Cianjur, any andrefan'i Java, ka miteraka fanahiana eo amin'ny vahoaka indoneziana manoloana ny fiarovan-tenan'i Indonésie amin'ny lafiny fitaovam-piadiana (Alutsista).
Ny volana lasa teo dia niaiky ny filoha Susilo Bambang Yuhoyono (SBY) fa nehana ny toe-bola hamatsiana fitaovam-piadiana hiarovan-tena. Nilaza kosa anefa izy fa tsy nokitihan'ny governemanta ny vola natokana hokojakojana izany fitaovam-piadiana izany.
Amin'izao fotoana izao dia manana disadisa amin'ny mpiray vodirindrina aminy i Indonésie dia i Malaisie izany noho i Ambalat. Samy mitonona ho tompon'ity fari-dranomasina manan-karena solintany ao amin'ny faritry Célèbes ity avokoa ny roa tonta, faritra tafiditra ao amin'ny firenen'i Malaisie ao Sabah.
Na dia eo aza ny fifanarahan'ny roa tonta fa hampitsahatra ny fampisehoana hery dia mahatsapa kosa ny rehetra fa saro-pady ho an'ny fiarovana ny fiandrianan'i Indonésie ny fotoana iainana.
Mametram-panontaniana momba ny hatsaran'ny tafika indoneziana ny biloagy Pemuda Indonésie Baru:
Kembali Pesawat TNI jatuh padahal belum lama tragedi Hercules berlalu. Pesawat jenis Helicopter Bolco milik TNI angkatan Darat (AD) ini yang membawa 3 penumpang dan 2 kru. Pesawat ini dikabarkan jatuh di desa Pagelaran, Cianjur Selatan, Jawa Barat.
Kejadian naas ini membuat kita bertanya-tanya, Sekuat apakah TNI kita? Pertanyaan ini timbul dikarenakan saat ini bangsa kita dihadapkan pada situasi yang sangat penting untuk membuktikan bahwa TNI kita Kuat. Dimana Negara tetangga kita saat ini sedang asyik-asyiknya memamerkan kekuatan (Show Force) tentaranya di Ambalat.
Menurut salah seorang Anggota DPR, bahwa kekauatan TNI saat ini masih diatas Tentara diraja Malaysia, Tolak ukur dari pernyatan beliau adalah kuantitas, dimana Jumlah personel dan peralatan TNI masih lebih banyak bila dibandingkan dengan Tentara Diraja Malaysia. Tapi bagaimana dengan kualitas?
Jatuhnya pesawat milik TNI yang terjadi beberapa kali belakangan ini dapat dijadikan sebagai indikasi bahwa kualitas Tentara Nasional Indonesia (TNI) perlu dipertanyakan. Benar memang dari jumlah kita menang tapi dari kualitas sangat diragukan.
Nianjera indray ny fiaramanidin'ny tafika, nefa vao tsy ela akory izay no niharan-doza ny Hercules. Eloikoptera Bolco an'ny tafika indoneziana, nitondra sivily 3 sy miaramila 2. Nianjera tany amin'ny tanànan'i Pagelarana any Cianjur, andrefan'i Java izy ity. Io toe-javatra mampalahelo io no mahatonga antsika hanontany tena mikasika ny herin'ny tafintsika.
Mipetraka ny fanontaniana ao anatin'ny vanim-potoana saro-pady indrindra izay tokony hanehoan'ny tafika ny heriny. Maneho ny heriny am-pahavitrihana anefa ny tafiky ny firenena eo akaikintsika any Ambalat.
Araka ny voalazan'ny manam-pahefana iray dia matanjaka noho ny tafiky ny Maleziana ny tafika indoneziana, nefa araka ny isa ihany io tombatombany io, satria fantatra fa betsaka ny miaramilantsika no sady maro koa ireo fitaovam-piadiana raha ampitahaina ny an-dry zareo Maleziana. Kanefa inona moa izay isa?
Mampametram-panontaniana momba ny hatsaran'ny tafika ireo lozam-piaramanidina nisesisesy tato ho ato. Marina fa mandresy isika raha ny isa no jerena, nefa mampanahy kosa ny kalitao.
Nanoratra tao amin'ny Think and Think Act for National Defense i Dwi Eka, fotoana fohy taorian'ny loza nahazo ny Lockheed C-130 tany antsinanan'i Java ny volana lasa teo, izay nahitana mpandeha 101 sy miaramila maty. Nohamarininy fa lasa resabe teo an'ivon'ny governemanta ny fomba fiarovana ary hatramin'ny 2007 dia nihena foana ny vola natokana ho an'ny tafika izay nahatonga azy ireo hitaky hitazonana ny Alutsista.
TNI adalah ujung tombak pertahanan negara, dan pertahanan negara adalah penentu kedaulatan dan kelangsungan negara.
Boleh jadi, permasalahan alutsista bukan hanya karena terbatasnya anggaran melainkan serapannya yang juga rendah. Anggaran yang telah ditetapkan dalam APBN ketika dicairkan tidak tepat sasaran, atau mengalami kebocoran. Adanya sistem fee yang telah membudaya sangat mempengaruhi kualitas proyek. Sehingga tidak heran jika ada yang menginginkan audit ditubuh TNI. Ini tentunya didasari atas niat yang baik, bukan sama sekali untuk menggembosi TNI itu sendiri, melainkan sebaliknya, dengan sistem pengadaan & perawatan alutsista yang transparan & terukur, kita ingin agar TNI dapat menyerap anggarannya sebesar-besarnya untuk peningkatan kekuatan pertahanan. Audit dimaksudkan untuk melihat sejauh mana serapan anggaran itu berlangsung dan jika ada indikasi penyimpangan maka dapat segera dicari solusinya.
Selain itu, untuk meningkatkan serapan anggaran, masing-masing pihak secara jujur dan ikhlas harus menjunjung profesionalisme dengan mengedepankan aspek moralitas bahwa semata-mata kita berjuang untuk mempertahankan harkat dan martabat negara.
Berikutnya perlu dikaji ulang secara mendalam pula tentang bagaimana menata kembali sistem perekrutan, meningkatkan standar pendidikan prajurit dengan mengutamakan profesionalisme bukan pengharapan materi semata, dan mengisi kembali pos-pos yang selama ini terabaikan seperti memperkuat kembali wilayah perbatasan dan pemeliharaan aset negara serta kemampuan tempur personil TNI.
Upaya ini diharapkan dapat meningkatkan serapan anggaran yang terukur kinerjanya. Dengan demikian publik pun akan paham dan merelakan sebagian anggarannya dialihkan untuk sektor pertahanan.
Ny TNI  (Tafika Indoneziana) no andrin'ny fiarovan-tenam-panjakana ary ny fiarovan-tenam-panjakana no mamaritra ny fiandrianam-pirenena.
Azo heverina koa fa olan'ny Alutsista dia tsy vokatry ny fahakelezan'ny toe-bola fotsiny fa ao koa ny fahakelezan'ny vola nampiasaina avy amin'io toe-bola io. Tsy voafaritra mazava na misy fahaverezana ny fampiasana ny toe-bola voatokana, izay ao anatin'ny toe-bolam-panjakana. Misy akony eo amin'ny hatsaran'ny vinavina (fividianana) ny fanakaramana olona ivelany. tsy mahagaga raha toa ka tsy misy manara-maso ny ao anatin'ny tafika indoneziana. Mandeha ny fanaraha-maso, mazava ho azy, , fa hiheverana hanatsarana zavatra, fa tsy natao handemena ny TNI akory, ny mifanohitra amin'izay aza, amin'ny alalan'ny fanampiana eo amin'ny famatsiana sy ny fikojakojana mazava sy voamarina, dia manantena ny rehetra fa hiakatra ny fomba fampiasan'ny tafika ny vola natokana ho azy hahafahana mitady vahaolana raha sanatria ka misy tsy fetezana eo amin'ny lafiny toe-bola .
Ambonin'izany raha te hampiakatra ny toe-bola isika dia tokony ho marina ny tsirairay, tokony ho tsotra, manam-pahaizana ary mametraka foto-pisainana tsara satria voninahim-pirenena no arovantsika.
Dingana manaraka koa ny fijerena ny fomba fandraisana miaramila, amin'ny fanatsarana ny sandan'ny fanabeazana noratovin'izy ireo ary tsindrina tsara ny fahaiza-manao ambonin'ny fitaovana hampiasana, jerena tsara ny toerana banga, tahaka ny nanamafisana ny herin'ny miaramila any amin'ny sisin-tany sy ny fiarovana ny herm-bakoka dia hatao toy izany koa ny fahaiza-miadin'ny miaramila ao amin'ny TNI.
Ireo ezaka rehetra ireo dia afaka hanatsarana na dia kely fotsiny aza ny fandaniana ny toe-bolan'ny tafika. Amin'izay dia ho azon'ny vahoaka tsara ka hanaiky ny hampiakarana ny toe-bolan'ny tafika izy ireo hiarovana ny firenena.
Naneho nyheviny tao amin'ny gazety any an-toerana iray ny vice-maréchal ao amin'ny tafika anabakabaka, Sagom Tamboe, nanambara izy fa ny firesahana am-pahibemaso ny fiarovam-pirenena dia miteraka loza ho an'ny firenena sy ny vahoaka.
Any Indonésie mantsy dia mbola mijanona ho tsiambaratelo ny vaovao rehetra mahakasika ny fiarovam-pirenena, na dia eo aza ny lalàm-panorenana.
Amin'ny volana jolay ho avy izao dia hifidy izay ho filoham-pireneny ny vahoaka indoneziana. Ho lasa lohalaharana eo amin'ny resaka rehetra hataon'ireo mpilatsaka ho fidiana 3 matanjaka indrindra any an-toerana ny momba ny Alutsista, ary milaza ny tsirairay fa hampiakatra ny toe-bolan'ny tafika raha voafidy eo.
Carolina Rumuat
Iran: Fanoherana sy Famoretana
Manohitra i Tehran, ao amin'ny jomhour.info
An'alinaliny ny Iraniana tao  Tehran sy tamin'ireo tanàn-dehibe hafa maro no  niara-nientana hanohana ny mpilatsaka ho filoham-pirenena   Mir Hussein Mousavi, tsy niraharaha ny fandraràna fanehoan-kevitra navoakan'ny governemanta. Miantso fanafoanana ny voka-pifidianana ho filoham-pirenena ireo mpihetsiketsika, amin'ny filazàna fa ny fandresena azon'ny  Filoha Mahmoud Ahmadinejad tamin'ny fifidianana natao ny 12 Jona dia hosoka. Henjana tokoa ny fepetra noraisin'ny mpitandro filaminana ho fanakànana ny  hetsika, ary raha kely indrindra dia olona iray no maty tao  Tehran androany.
Na  Twitter, Facebook sy YouTube dia samy voasakana avokoa amin'izao isika miteny izao ao  Iran, maro amin'ny Iraniana no mampiasa  proxies mba hiodinana [hamitahàna] ireo sivana sy hampitàna ny vaovao isa-minitra. Nosakanan'ny manampahefana Iraniana koa ny tolotra hafatra fohy [ SMS ] , ary sivaniny ihany koa ireo vohikala maro samihafa misy fanehoan-kevitra mitodika amin'ny fanovàna.
Iran09 dia nandefa tamin'ny Tweet androany vao niposaka:
“Amafisiko fa misy toby  Basij iray [Milisy Islamista] manodidina ny kianja eto ary mitifitra ny olona avy eny ambony tafontrano. #iranelection”
Jadi nandefa tweet:
“Mirohotra manatevin-dahàrana ny hetsika ny olona maro. Sady mihira hoe  ‘Mousavi! Mousavi! Raiso ho anao ny vatom-pifidianako' #IranElection”
Niresaka sy niantso i Mousavi ny amin'ny tokony hiverenana handinika ny vokatry ny fifidianana. Nolazainy fa vonona izy ny handray anjara aminà fifidianana iray vaovao. Misy sarimiaina [video] vitsivitsy  mitatitra ny vaovaom-pifidianana  eto.
Mihahenjana ny fanoherana ary manaraka izany koa ny famoretana
Notafihan'ny hery miaramila ireo mpianatra maro izay nanohitra ny fifidianana filoham-pirenena tany amin'ireo Anjerimanontolo maro samihafa. Ity misy sarimiaina iray maneho efitrano fatoriana iray ao amin'ny Anjerimanontolon'i Tehran tamin'ny alin'ny Alahady.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/9T3lGXDP4VA&hl=cs&fs=1&" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/9T3lGXDP4VA&hl=cs&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Fanavaozana [update]: Ity ny kisary mifandimby iray  avy  amin'ny Flickr maneho ny faharavàna [fahasimbàna] taorian'ny nandalovan'ny Hery miaramila tao amin'ireo efitrano fatorian'ny Anjerimanontolon'i  Tehran ny alin'ny Alahady. Araka ny filazan'ny mpampiasa Flickr, Agha Hadi, maro tamin'ny mpianatra no nofonjàna.
<object width="400" height="300" data="http://www.flickr.com/apps/slideshow/show.swf?v=71649" type="application/x-shockwave-flash"><param name="flashvars" value="offsite=true&lang=en-us&page_show_url=%2Fphotos%2F25119595%40N04%2Fsets%2F72157619785704096%2Fshow%2F&page_show_back_url=%2Fphotos%2F25119595%40N04%2Fsets%2F72157619785704096%2F&set_id=72157619785704096&jump_to=" /><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="src" value="http://www.flickr.com/apps/slideshow/show.swf?v=71649" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Ity eto ambany ity, ampahan-tsarimihetsika iray  maneho vehivavy iraniana iray mihantsy ny hery miaramila teo aminà toerana fandraisana fiara mpitatitra.
<object width="425" height="344" data="http://www.youtube.com/v/xlu-qx8ohL8&hl=cs&fs=1&" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/xlu-qx8ohL8&hl=cs&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Azarmehr mitondra fanamarihana amin'ity ampahan-tsarimihetsika ity:
Jereo anie ity liona vavy iraniana ity e, voalohany dia mandàka izy ary avy eo dia mitsipaka ilay mpandrava fihetsiketsehana mivatsy kobay! Voan'ny vely kobay vitsivitsy izy saingy izany no sanda tsy maintsy aloa ho vidin'ny fahafàhana ary tsy raharahainy akory. Hotahiana anie Iran renimalalantsika, noho ny fananany zanakavavy toy ireny. Lasa ny tahotra ary mitohy kosa ny hetsika.
Misaotra an'i Tehranlive fa mahazo sary marobe isika manodidina ny fanoheran'ny vahoaka iraniana sy ny hetsi-panoherana:
Green Vote nandefa tweet [fa] fa iray amin'ny hevi-baventy entin'ny vahoaka ny hoe , ‘Aza matahotra, miaraka isika'. Green Vote mbola amin'ny tweet ihany milaza fa i  Mohammad Ali Tarekh, mpianatra mafana fo iray dia nosamborina tao Shiraz.
Mpitoraka blaogy maro toa an-dry Zeitoon no mitatitra [fa] fa mihira ny  Allah-0-Akbar (Lehibe Andriamanitra) ny vahoaka tany an-tokantranony tany nandritry ny alina. Nangataka tamin'ny vahoaka i Mousavi  mba hihira ny  Allah-o-Akbar eny am-bovonan'ny tranon'izy ireo. Nandritra ny revolisiona [hetsi-panovàna] islamika tamin'ny 1978-79 no efa nanaovan'ny vahoaka toy izany koa ho fanehoam-panoherana ny  Shah.
Aiza i  Obama?
View from Iran, mpitoraka blaogy amerikana iray, no  manoratra toy izao:
Fara ala-nenina, fantatro fa ny  fandresen-dahatra amin'ny fahaizana miteny dia mijanona ho fandresen-dahatra amin'ny fahaizana miteny ihany. Ary ireo teny ambaran'ny filoha iray dia tsy hanova ny tantàra amin'izao fotoana na dia ho voarakitra ao anatiny aza ireny. Raha misy fotoana tokony hiazakazahan'i Obama hitodika amin'ny  kabary tsara-lahany, dia amin'izao fotoana izao. Androany amin'ny 4 ora folakandro dia hisy fanehoan-kery aminà tanàna 20 manerana  an'i Iran. Ireo namako *dia samy te-ho eny an-dalàm-be avokoa.*  Raiamandreny, mpiasam-bahoaka, mpitam-bola, mpandray olona, ary, eny e, mpianatra koa ry zareo ireo. Fa aty am-pàrany, miaraka amin'izao herisetra izao, tsy azoko antoka hoe mbola ho sahy hiseho eny ry zareo.
Noho izany ry Obama, ampiasao ny charm-nao. Ampiasao ireo herin'ny  fandresen-dahatra amin'ny fahaizana miteny mba hilazàna amin'ny iraniana fa , na dia tsy handefa Marines aza isika, ny fontsika kosa any aminy mandrakariva. Haiko fa afaka manao zavatra tsara lavitra noho izaho ingahy.
Ny hirifirin'i Isfahan
Tsy Tehran irery akory no hany tanàna nisian'ny famoretana ny olona nanao hetsika fanoherana. Ireo mpanohitra tao  Isfahan ihany koa dia lasibatry ny hery miaramila.
Iranevents dia  namoaka sary maro momba ireo fanoherana maro ataon'ny  Iraniana.
Eto izao dia hazain'ireo hery miaramila ny vahoaka:
ary eto koa:
Iran: Hifidy sa tsy hifidy
Iray amin'ireo resaka mandeha mandritry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena iraniana ny hoe ‘hifidy sa tsy hifidy'. Raha lazaina amin'ny teny hafa dia ny hoe handray anjara amin'ny fifidianana sa hanao ankivy azy io. Na dia vondrona  mpanohitra maro aza no  niantso fibodoana  ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 12 Jona ho avy izao ,  dia toa sahala amin'ny nihena ihany ny lanjan'izy ireo raha miohatra amin'ny tamin'ny efatra taona lasa. Fikambanana iray matanjaka ivondronan'ny mpianatra toy ny Tahkim Vahdat, tsy toy izay hita efatra taona lasa izay, no manohana mpirotsaka iray ho amin'ny fanavaozana, Mehdi Karoubi ary miantso ny olona hifidy  ny fanovàna.
Tsy isalasalana fa ny hetsika  tena isan'ny vaovao nentina nandrisihana ny olona hifidy dia tany Netherlands no niainga. Kamran Ashtary, mpitoraka blaogy sady mpanakanto monina any Netherlands, sy ireo namany roa  Farhad Golyardi, toniam-panoahana ao amin'ny   Eutopia ary Shervin Nekuee, Iraniana iray mpandalina ny fiarahamonina [sociologist], dia namokatra ny vohikala antsoina hoe  ‘Mifidiana ho an'i Iran [Vote for Iran].”
Kamran manoratra hoe:
Mifidy aho amin'ny fanantenana, tsy hoe fotsiny hiova io governemanta tsy refesi-mandidy io,  fa koa mba hananganantsika fiarahamonina tena demokratika kokoa  ka tsy ho nofinofy intsony ao anatin'izany ny zon'ny vehivavy, ny fahalalahan'ny mpanao gazety, ny fahalalahana miteny, ary ny fanajàna ny zon'olombelona. Ireo efatra taona lasa teo dia nanaporofo fa ny zontsika dia azo nohitsakitsahana nihoatra noho izay azontsika nosaintsainina.
Ho ahy, tsy azoko noeritreretina mihitsy ny fahafahana handray anjara tamin'io hetsika io tanatin'ny efatra taona lasa. Efatra taona nitondran'ny hery havanan'i Ahmadinejad no nametraka an'i Iran aminà làla-mijotso [mitsontsorika]. Antenaiko fa ireo Iraniana mpila ravinahitra dia tokony hitàna toerana misimisy kokoa ho mpanorina fa tsy hiandry fotsiny fahagagàna hanova ny fitondràna.
Iraniana avy amin'ny tanàn-dehibe 25 samihafa maneran-tany no nifamotoana sy nilaza fa handeha hifidy izy ireo:
<object width="560" height="340" data="http://www.youtube.com/v/TBw2eiNgrJs&hl=cs&fs=1&" type="application/x-shockwave-flash"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/TBw2eiNgrJs&hl=cs&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /></object>
Mohammad Ali Abtahi, filoha lefitra teo aloha dia  manoratra fa:
Ny fitotongan'ny onjan'ny fanaovana ankivy ny fifidiana dia tarazo iray lehibe avy amin'ny hetsika ara-pôlitika ihany. Tamin'ireo fifidianana tany aloha, fibodoana goavana iray no naterak'ireo olana [disadisa] tao anatin'ireo efatra taona tany aloha ary dia fanomezana tsy nampino no natolotra ny filoha . Andro maro lasa izay dia nahita vondrona mpianatra aho, nahangona sonia manodidina ny 500 teo ho eo mba hibodo ny fifidianana nandritry ny fifidianana taloha. Amin'izao fotoana dia maro amin'izy ireo no manentana ny olona hifidy.
Paicorg dia manoratra [fa] fa tokony hatao ny fibodoana ny fifidianana. Milaza ny blaogy fa tsy misokatra ho an'ny rehetra no sady tsy malalaka ity fifidianana ity.
Tahrimen Etkhabat  (midika ‘fibodoana ny fifidianana') dia manoratra [fa] hoe ny fibodoanana ataon'i  Iraniana tsy hifidy dia maneho indray koa eo imason'izao tontolo izao fa  tsy mahazo ny fankatoavan'ny sarababem-bahoaka ny  Repoblika Islamika
Raharaham-pitiavana/fankahalan'ny Maraokana an'i Obama
Ny kabary nataon’ny filohan’ny Etazonia Barack Obama tany Kaira ho an’ny tontolo Silamo dia niteraka fihetsika niredareda tany an-toerana sy tany ivelany koa; tsy ny kely indrindra tamin’ireo mpitoraka blaogy avy any Mahgreb izay nandrakofan’ireo lahatsoratra mafana tanaty blaogy sy tweets mivantana hevitra manalokaloka mankany amin’ny fanohanana feno sy tsy misy fepetra, ny fanahiana lalina ary ny fankahalàna sy tsy fahatokisana mihitsy aza.
Na talohan’ny fanandratana an’i Obama aza, ary efa talohan’ny nanapahany hoe firenena iza amin’ny ‘Moyen-Orient’ na Afrika Avaratra no handray ny kabariny momba ny pôlitika ivelany, ireo Marokana-Amerikana maromaro dia efa niezaka nanao tsindry bokotra mba handalovan’ny filoha Obama any Rabat. Ny sasany indray nifidy an’i Casablanca. Nisy vohikala mihitsy aza, President Obama to Speak in Morocco, nosokafana ho amin’izany:
[Izahay dia manasa] ny filoha Obama hifidy an’i Maraoka mba handray ny kabary pôlitika momba ny  ivelany.
I Maraoka no firenena idealy mba handefasana hafatra fiadanana ho an’ny tontolo silamo.
Firenena tia fiadanana henoin-teny aty amin'ny faritra, i Maraoka dia efa naman’i Etazonia hatry ny ela ary ho tretrika hampiantrano ny filoha Barack Obama amin’ity fotoana manan-tantara ity.
Farany, ary tamim-pahadisoam-panantenana lehiben’ireo ho an'ireo  Maraokana mpankafy an’i Obama, tsy hikabary any Maraoka ny Filoha Amerikana fa aleony – lojika be, hoy ny sasany hiteny - Kaira, any Egipta.
Ny blogoma (anarana hafa iantsoana ny tontolon’ny fitoraham-blaogy Maraokana) sy ireo Maraokana maro mampiasa Twitter dia nandray tamin’ny fomba hafa ny  kabary tany Kaira. Ireto misy santionany amin’izany fihetsika izany.
Nandrasana efa ela
Efa novinavinaina ihany ny kabarin’i Obama tany Kaira. “Ahoana raha mifankahita amin’ny Obama aho?” hoy i Mohamed Malouk manontany tena. Raha mitoraka blaogy ao amin’ny Elmafjoue [Ar] izy, dia miteny:
لو التقيت أوباما فسأطلب منه أن يقتطع من وقته الثمين جزءا يخصصه لحكامنا الميامين ليمحو عنهم أميتهم في فن التعامل مع الشعوب ، وليلقنهم بعضا من أبجديات اليموقراطية الواضحة ، وليعلمهم كيفية التخلص من عقدة التخوف من المواطنين .
Raha mifankahita amin’i Obama aho, dia hiangavy azy mba hanokana kely amin’ny fotoan-tsarobidiny ho an’ireo mpitondra anay, amin’izay mba hoafahany amin’ny tsy fahalalàny izy ireo rehefa mikarakara ny vahoakany sy hampianatra azy ireo ny fototry ny demokrasia ary hialàn-dry zareo amin’ny fahatahoran-dry zareo ny vahoakany.
Manohy i Mohamed [Ar]:
لو التقيت أوباما لقلت له إن سلفكم ما ترك فينا إلا حقدا متصاعدا لأمريكا ، وما أنتج لنا إلا غضبا عليها ، وما صنع بيننا إلا كرها لها ، وانت جئت من كل فج عميق بأمل وأطلقت لكل فئة وعدا ، والعرب والمسلمون قوم تتحول عندهم بين لحظة وأخرى الآمال إلى آلام
Raha mifankahita amin’i Obama aho dia hoteneniko azy fa ny teo alohany dia nahatonga fankahalàna ho an’i Amerika teo aminay  ary tsy nanao afa-tsy ny niteraka hatezerana ho azy izany; fankahalàna kolokoloinay ao anatinay; avy eo, tonga ianao [Filoha] miaraka amina fanantenana be ary nanao fanamby tamin’ny vondrom-piarahamonina  rehetra, na dia matetika aza ireo Arabo sy ireo Silamo no mahita ny fanantenany miova ho fahadisoam-panantenana.
Toto-afon'ny mpampita vaovao
Iray tamin’ireo fanavaozana nentin’ny fitondràna Obama ny fahafahan’ny vahoaka nanaraka ny kabary tany Kaira tamin’ny alàlan’ny tatitra nalefa an-kafatra amin’ny finday. Resaka nafana dia nafana tao amin’ny Twitter ilay kabary ary marobe ireo fanehoan-kevitra nipoitra nivantana.
Nanaraka ilay hetsika i Larbi_org [Fr] ary nandefa tweet  izy:
Kabary niezinezina sy nanan-danja nataon'i Obama tany Kaira.
Taoriana kely, tao anatina ‘tweet’ fanindroany, nanontany tena i Larbi hoe “Inona no tian’i Obama tenenina amin’ilay hoe ‘Tontolo silamo’ ?”.
Maro ihany koa ireo fihetsika nampihomehy rehefa nalefan'i   @annouss tamin'ny alàlan'ny tweet ny nolazain'i  @mbaa…
Ho an’ireo olona rehetra ao amin’ny Anjerimanontolon’i Kaira, tsy Hosni Moubarak i Obama, tsy voatery mitehaka isaky ny fehezanteny iray ianareo.
Fandalinana
Nampitaha ny kabary tany Kaira tamin’ny kabarin’i JFK  «Ich bin ein Berliner» i Citoyen Hmida. Nanambara  [Fr] izy fa:
Le discours prononcé à l’Université du Caire a été ponctué par de nombreux applaudissements. En effet, le fait d’entendre un président américain dire « Assalamou 3alienkoum » peut redonner espoir. Cette formule rappelle le fameux « Ich ben ein Berliner » clamé par J.F.K. lors de sa visite à Berlin-Ouest en juin 1963.
Obama a eu également l’élégance intellectuelle de citer, fort à propos, certains versets du Coran.
Ny kabary natao  tao amin’ny Anjerimanontolon’i Kaira dia narahàna tehaka maro . Ny fahenoana Filoha Amerikana miteny hoe «Assalamou Alaykoum» dia manome indray fanantenana vao. Mampatsiahy ilay teny malaza « Ich ben ein Berliner »  notenenin’i J.F.K  fony izy nitsidika an’i Berlin tamin’ny Jona 1963 izany.
Nànana fahalalahan-tsain'ny avara-pianarana nitanisa andininy sasantsasany ao amin’ny Kôrany koa i Obama.
Nanampy  ihany i Citoyen Hmida:
(…)ce discours tant attendu n’est en partie qu’un tissu de lieux communs sur la civilisation arabo-musulmane et sur les positions américaines contre « l’extrémisme violent ».
Ity kabary nandrasana efa ela ity dia, amin'ny ampahany, fitambarana teniteny foana momba ny fandrosoana Arabo-Silamo ary momba ny fandraisan-toeran'ny Amerikana manoloana ny extremisme mahery fihetsika.”
Nitovitovy tamin’izany koa ny fihetsik’i Abdoukili. Nanoratra izy:
Ireo teny nampiasain’i Obama, tahaka ny fitanisana andinin’ny tamin'ny Kôrany (izay nampiasainy in-efatra) ary ireo oha-pitenenana silamo toa ny “assalaamu alaykum” , “azaan ” ary “Mohammed (ho amin’izy ireo anie ny fiadanana) ” dia tetika tsara ho amin'ny fifandraisana amin’ny vahoaka mba hisarihana bebe kokoa ny sain’ny mpihaino Silamo.
Samia miandry dia  hiara-mahita
Ireo mpitoraka blaogy hafa,na dia nankasitraka ny kabarin’i Obama aza dia naka ilay fomba  ‘Samia miandry dia  hiara-mahita’. Laila Lalami, mpanoratra Maraokana monina any Etazonia dia nanoratra:
Fitsapana lehibe iray ho an’ity fifanantonana vaovao ity, amiko, ireo fanjanàhana. Efa niteny tamin’i Netanyahu i Obama fa ny fanatsaharana tanteraka ny fanjanahan’ny Israeliana no tadiaviny ary tsy hanaiky ny fisian'ny tranga miavaka toy ny “fiitàrana voajanahary” izy. Raha mahavita izany izy, dia ho raketina toy ny fiolahana lehibe iny kabary iny; raha tsy izany, dia hanaraka ny làlana nizoran’ny kabary nataon’ireo fitondràna dimy teo aloha iny: n’aiza n’aiza.
Ny fiahiahiana
Tsy ny olon-drehetra anefa no gaga tamin’ireo tenin’i Obama. Abdelhak al'Koush, mpitoraka blaogy ao amin'ny Afinina [Ar], dia nandefa fanakianana mivaivay ho an’ny filoha Amerikana ary nanontany momba ireo hery manosika azy taminà lahatsoratra tsy misy fahalalam-pomba. Nanoratra izy:
توفق الرئيس في شد أنفاس القطيع العربي بمن فيهم البلهى من المثقفين العرب،  ثم لوح بيديه الكريمتين كما يفعل ملوكنا وجبابرتنا الطغاة في لحظات نفاقهم المتميزة ،ـ وصفق له الحاضرون بحرارة ، ولينتهي الفصل الأول من المسرحية
… جاء أوباما  إذن ليقبل العالم العربي الميت ” قبلة الموت”
الحقيقة المرة هو أن أوباما يمنح الولايات المتحدة الأمريكية فرصة أن تلتقط أنفاسها بعد حروب متتالية، اٍذ لم يتردد بوش في [تعبير جارح] العربي البارد ثقافيا وسياسيا  ودينيا وحضاريا ، والحقيقة الأمر  هو أن العدوان الأمريكي سيشتد بعد مرحلة أوباما .
Tonga mba hanolotra oroka i Obama… “oroky ny fahafatesana” ho an’ilay Tontolo Arabo izay efa maty[…] Mangidy ny tena zava-misy marina, manolotra fotoana iray hakàna aina ho an’i Etazonia i Obama taorian’ny ady tsy an-kiato nifanaovana tamin’ireo Arabo izay mangatsiaka ara-kolotsaina, ara-politika ary ara-pinoana. Taorian’i Obama, hirongatra ny herisetra Amerikana.
Nahasarika ny fieritreretan’ny andian'ondry Arabo (sic) ny filoha Amerikana, anisan’izany ireny Arabo  avara-pianarana vendrana (sic) ireny, ary nanofahofa ny tànany izy maka tahaka ireo mpanjakantsika sy ‘despotes’-ntsika tamin’ny fomba fisainan’izy ireo mihatsara velatsihy, dia mitehaka am-pifaliana ireo mpihaino mamarana ny fizarana voalohan’ny fampihomehezana
Sori-panantenana farany
Maro ny zavatra notenenina momba ilay kabarin’i Obama tany Kaira. Anisan’izy ireo i Abdoukil izay naneho sori-panantenana farany  teo am-pamaranana ny lahatsorany tamin’ny fitenenana fa
Amin’ny ankapobeny, nifidy tamim-pitandremana ny teniny i Obama ary niteny izay tian’ny ankamaroan’ny Silamo henoina avy aminy. Tsy misy afa-tsy ny miandry ny fomba hahatanteraka ny nofin’i Obama mba hisy fifandraisana tonga lafatra amin’ny tontolo Silamo sisa, tontolo izay tokony mbola hiasana be mba hanafoanana ny sarisary ratsy ananan'ireo Silamo maro momba an'i  Etazonia.
Nosoratana niaraka tamin’i Hisham ity lahatsoratra ity.
Ghana: Ady hevitra, fientanana ary fanantenana amin'ny fitsidihan'i Obama
Enim-bolana monja taorian'ny fanovana ny fitantanana tao Ghana tamin'ny alalan'ny fifidianana natao tamim-pilaminana ny volana desambra 2008, ary tahaka ny hoe fifanandrifian-javatra fa enim-bolana aty aorian'ny fanovana nankalazaina tamin'ny haino aman-jery tany Etazonia, dia hitsidika an'i Ghana mandritra ny 2 andro ny filohan'i Etazonia Barack Obama amin'ny fiandohan'ny volana jolay ho avy izao mandritra ny fitsidihana voalohany hotanterahany any Afrika Atsimon'i Sahara hatramin'ny nahavoafidy azy.
Nampientana ny mponina rehetra tsy an-kanavaka any Ghana ny fanambarana ity fitsidihana ity tamin'ny volana may lasa teo. Hatramin'ny mpivarotra madinika ka hatramin'ny tanora manam-pahaizana any an-drenivohitra, hatramin'ireo solombavam-bahoaka voafidy vao haingana dia tsy manana resaka afa-tsy izay ihany. Mitantara an'i Mr. Henry Boahene avy any Accra ny sita All Africa,
Tsy hiasa aho amin'izay faran'ny herinandro izay. Hataoko izay rehetra azoko hatao hiarahako amin'ireo vahoaka betsaka hitsena azy amin'io fotoana io - amiko, izay dia hahafa-po ahy.
Fa manerana ny kaontinanta dia maro ireo mametram-panontaniana: “Fa nahoana no i Ghana?” Milaza ny mpandinika maro fa ny safidy hitsidika an'i Ghana voalohany dia fanekena ireo fifidianana notanterahana tamim-pilaminana tany amin'io firenena io, ary mihevitra koa i Etazonia fa ny filaminana sy ny demokrasia no ambony indrindra eo amin'ny fototra mahaolona sy ny tanjaky ny firenena.
Nanoratra ao amin'ny bilaogy nosoratany avy any Atlanta ilay mpitoraka biloagy nizeriana Farooq Kperogi:
Ireo mpandinika sy mpanao politika amerikana sy ny sandan'ny fitsidihana ataon'ny filoham-pirenena dia maneho fa ny fifidianana an'i Ghana hotsidihan'i Obama voalohany any Afrika mainty dia mety ho fanamafisana ny fafandraisana amin'ity kaontinanta ity, izay tokony mbola hamaritany politika mazava tsara.
Ho faritana io, hoy izy ireo, amin'ny alalan'ny fankatoavana ny politikan'ireo firenena izay tsapa fa nanao ezaka goavana hampanjakana ny demokrasia sy fitantanana tsara - sy ny fanombohan'ny vanim-potoan'ny “fitiavana sarotra” miaraka amin'ireo firenena toa an'i Nigeria sy Kenya, izay manimba ny fahaiza-manaony amin'ny firobohana lalina amin'ny kolikoly sy ny fomba fitantanana tsy azo antoka.
Mamerina izay voalazan'ny Maison Blache koa izy tao amin'ny fanambarana nataony izay manamafy ny voalazan'ireo mpanehohevitra:
Mitady hanamafy ny fifandraisana misy eo amin'i Etazonia sy ny firenena anakiray any Afrika Atsimon'i Sahara mendrika itokisana ny filoha Obama sy Ramatoa vadiny, ary notsipihany fa ny fahaiza-mitantana sy ny fiarahamonim-pirenena dia afaka mandray toerana lehibe eo amin'ny fitadiavana izay ho fandrosoana maharitra, hoy ny fanambaran'ny mpanao gazetin'ny Maison Blanche.
Tsy mahagaga, manamafy izany ny mpandinika sasany, fa horesahana any ny solintany izay hita vao haingana tany Ghana. Manontany i Amedor ao amin'ny bilaogy All Voices,
Fitsidihana ara-pirahalahina ve izy ity sa tombotsoan'i Etazonia noho ireo solintany vao hita?
na dia ny ambany indrindra eran-tany aza, 600 tapitrisa barila, dia tsy hanomboka ny famokarana raha tsy amin'ny taona 2010 ary hihoatra ny 1 lavitrisa dolara ny vola hiditra amin'i Ghana isan-taona.
Manontany ny manam-pijery miabo tahaka an'i Elizabeth Dickinson,
Tsy aleo ve mividy solintany any amin'ny firenena manana tantara tsara eo amin'ny lafiny fanajana ny zon'olombelona, ny fitantanana sy ny lafiny ekonomika? Misy fahasamihafana be eo amin'ny mpamatsy solintany an'i Etazonia fahatelo goavana indrindra dia i Nigeria eo akaiky eo izany. Mazava ho azy fa misy tahotra ihany eo amin'i Ghana fa sao sanatria hitovy amin'i Nigeria eo izy, sao dia hanjary firenena mpanangona risitorina eo fotsiny izy, kanefa hita fa tapa-kevitra hiala amin'izay i Ghana. Ary mety ho resahana mandritra ny fitsidihana izany.
Milaza ny teny nataon'ny Ministeran'ny raharaham-bahiny any Ghana ny sita All Africa:
Aleo miomana fa mety hanontany an'izay ny filoha. Ndeha hojerena vetivety izay hita ao amin'ny Corruption Perceptions Index mamoaka isan-taona ny Transparency International, izay milaza fa misy fifandraisana ny kolikoly, ny fifandirana sy ireo firenena andalam-pandrosoana tahaka an'i Tchad, Soudan, Nigeria ary Angola.
Arosontsika ny hevitra fa tokony hanova ny fifanarahana sy ny lalakombana hahazoantsika tombony ny rafitra eran-tany, hahazoantsika manomboka fa tsy hangataka lava izao:
Afaka mandresy lahatra tsara ireo rafitra ireo i Etazonia araka ny fahafantaran'ny ministera azy. Varotra sa fanampiana? Ahoana no fomba hahafahana manatsara ny fiainan'ny Ganeana tsotra iray amin'ny alalan'ny fifanarahana eo amin'ny 2 tonta - Ganeana tsotra izay miaina amin'ny karama latsaky ny 2 dolara isan'andro - ny fotoana ihany no afaka hilaza izany. Filaminana sy fitantanana tsara - aloha sy aorian'ny fivoahan'ny solintany - dia ampy na iza na iza no hividy azy.
Gayle Pescud