· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Angletera tamin'ny Aogositra, 2011

ANGLETERA:#BlameTheMuslims Tenifototra Tao amin'ny Twitter Nivaona Tamin'ny Tokony Ho Izy

Sanum Ghafoor, izay mandeha ao amin'ny Twitter amin'ny @Strange_Sanum, dia silamo 19 taona ary mpianatra ao Angletera. Tezitra amin'ny fanondroana avy hatrany ny Silamo ho tompon'antoka amin'ireo herisetra maro isan-karazany, indrindra fa ilay asa fampihorohorona tao Oslo tamin'ny herinandro lasa teo iny, nanao tora-po tamin'ny fibitsihana tamin'ilay tenifototra #blamethemuslims (an'ny silamo ny tsiny) i Sanum. Satria efa zary mahazatra antsika ny mahita lohahevitra iray mipariaka lavitra be toy izany eny am-pototsofin'ireo mpihaino, mahagaga fa efa mivaona amin'izay zava niseho ny fampiasàna azy, nitarika ho amin'ny fahasorenan'ireo mpampiasa Twitter tanteraka.

Grande Bretagne (UK): May i Londres (Lahatsary)

  16 Aogositra 2011

Nivadika korontana sy fandrobana teo amin'ireo tanora ao an-tanàn'i Londres sy ao an-tanàna hafa ao Royaume Uni  ny fahatezerana noho ny famonoana nataon'ny polisy taminà rangahy iray 29 taona tao Tottenham, avaratr'i Londres tamin'ny 4 aogositra 2011. Tao amin'ny Twitter, ampiasana tsy ankiato ny tenifototra #LondonRiots, misy hatrany ny fanehoan-kevitra, tsaho sy...