Tantara misongadina mikasika an'i Grande Bretagne (UK)
Lalao ‘Paralympiques’ : Lasa izao !

Hatramin'ny 29 Aogositra ary hatramin'ny 12 Septambra, atleta 4.200 avy aminà firenena 166 no mandray anjara amin'ny andiany faha-14 amin'ny lalao 'paralympiques' ao Londona ary hifanandrina anaty taranja roapolo. Tantara miavaka amin'ny mahazatra no zarain'i Anna Guèye.
Kamerona: Ireo Antony Nandosiran'ny Atleta Tany Amin'ny JO Tao Londona

Ireo fandosiran'ny atleta fito amin'ny 33 nandrafitra ny delegasiona Kamerone, no lasa nalaza teo amin'ny fampahalalam-baovao iraisam-pirenena. Ireo mpampahalala vaovao sy Kamerone bilaogera maro dia nitanisa ny antony ara-toe-karena ho toy ny antony fototra nanosika ireny fandosirana ireny.
-
Mametraka Ny Tahiry ICP-ny Any Shina Ny Vohikala Ofisialin'ny Lalao Olaimpika Ao Londona
30/07/2012
-
UK: Nanjavona Tsy Teo Amin'ny Làlam-be Olaimpika Tao Londona Ny Sainam-Pirenen'i Taiwan
29/07/2012
-
Mali: Loha Mitraka No Entin'ireo Atleta Miatrika Lalao Olaimpika Any Londona
27/07/2012
-
Eoropa : Tsianjery Maimbo Momba Ny Fifindra-monina 11/05/2012
-
Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?
05/03/2012
Tantara farany mikasika an'i Grande Bretagne (UK)
12/05/2013
Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao
Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika - mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli - ao anatin'ny "fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano"
10/09/2012
Sabotsy Mahafinaritra Nataon'ny Ekipa GB Nandritra Ny Lalao Olaimpika 2012 Tany Londona
Nahatratra ny tanjony vitsivitsy tao anatin'ny iray andro monja tamin'ny Sabotsy 4 Aogositra 2012 ny ekipa nasionalin'ny mpampiantrano ny Lalao Olympika tany Londrona (fantatra amin'ny anarana malaza hoe #TeamGB) rehefa niadam-panomboka.
04/08/2012
Tontolo: BRICS vs. NATO – Tolona Am-batolampy Momba Ny Hevitra Fitsabatsabahana
Ny fanapahan-kevitra vao haingana norasin'i Shina sy Rosia hampiasa ny vato tsy azo ivalozana tao amin'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana ho vahaolana ao Syria - dia nanainga indray ny adihevitra mikasika ny fifandraisan'ireo hery 'vaovao' tahaka an'i Brezila, Rosia, India, Shina ary Afrika Atsimo - ny BRICS - amin'ireo hery 'tranainy' tahaka ny Fifanaraham-piaraha-misan'ireo Firenena Any Amerika Avaratra (OTAN) rehefa misy ny fitsabahana iraisam-pirenena.
19/07/2012
Kenya: Mau Mau Mpiady Ho Amin'ny Fahafahana Mitondra Ny Raharaha Eny Amin'ny Fitsaràna Britanika
Mau Mau telo fahiny mpiady ho amin'ny fahafahana no nitondra ny governemanta Britanika hiatrika ny Fitsarana Ambony ao Londona mitaky fifonana sy onitra noho ny habibiana nozakain-dry zareo nandritra ny fitonfdràna fanandevozan'ny Britanika an'i Kenya. Miraradraraka ireo bitsika mikasika ilay raharaha ho fanohanana ny tolona fikatsahan-dry zareo ny rariny. Mibitsika mivantana avy any an'efitrano fitsaràna i @JeromeTaylor sy @TandemLaw.
13/07/2012
Okraina: Tapitra ny “Euro 2012″ Ankehitriny!
Raha Okraina no nahazo nampiantrano ny “Euro 2012″ niaraka tamin'ny Polonina, maro no nahita azy io ho fotoana anararaotana hanatsarana ny endrik'i Okraina amin'ny maha-firenena Eoropeana azy. Saingy tsy mora izany....
15/03/2012
Makedonia: Mitohy Misondrotra Ny Vidin-tsolika
Ny fisondrotana tsy mitsahatry ny vidin-tsolika no anton'ny olana maro ho an'ireo vahoaka ao Makedonia, ary ny sasany tsy misalasala miresaka ilay fihenjanana anaty hanihany
16/02/2012
Makedonia: Britanika Parlemantera Eoropeana Ni-Tweet Ny Fiantsonanan'Ilay Fiaramanidina Noho ny Hamehana Tao Skopje
Nampisaina teo noho eo tao amin'ny Twitter ny voina an-habakabaka tao an-tseranam-piaramanidina Skopje, taoriana ny fiantsonan'ny fiaramanidina noho ny hamehana. Ny alin'ny 10 sy 11 Febroary teo, nihodikodina nandritra ny 40...
03/02/2012
Global Voices Podcast: Bodoy Ity!
Miarahaba ny rehetra! Tonga soa eto amin'ny tafatafam-baovao Global Voices podcast andiany hafa ity. Amin'ity fizarana ity no iresahantsika ny hevitra sy ny olana manodidina ny hetsi-panoherana ataon'ny Hetsika Bodoy...
04/01/2012
Global Voices Podcast: Taom-baovao 2012 Feno Fahavitrihana
Anatin'ity andian'ny podcast ity dia hamerina hibanjina ny taona 2011 isika, handinika ireo fitoviana sy fahasamihafàna eo amin'ny fanaovan-gazety mahazatra sy ny fampiasàna ny media vaovao, hamantatra momba ny fihaonan'ny Rising Voices mitondra aingam-panahy natao tany Bolivia mba hanohanana ny fivoaran'ny tontolon'ny bilaogin'ireo teratany sy tsy mitovy ara-piaraha-monina. Nanao dia tamin'ny kodiaran-droa eraky ny aterineto ihany koa izahay
03/12/2011
Global Voices Podcast: Teknolojia hanomezan-kery bebe kokoa ny vehivavy!
Ato isika no handre ny fomba fampiasan'ny vehivavy any Ejipta ny teknolojia hiadiana amin'ny fanorisorenana, sy izay ataon'ny tonia sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices ao amin'ny Fetiben'ny Mozilla ao Londres. Homarihantsika ihany koa ny Andro manerantany iadiana amin'ny Sida amin'ny fanomezana fitenenana ireo mpikatroka momba ny resaka VIH/SIDA any Kenya sy Ejipta momba ny asa manokana ataon'izy ireo.






























RSS ho an i Grande Bretagne (UK)
Karohy Wikipedia ny Grande Bretagne (UK)








Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa