Tantara mikasika ny Soeda tamin'ny Jolay, 2012
Yemen: Fampirantiana “Yemen Avy Amin'ny Maso Tavoahangintsika”
Afrah Nasser, Yemenita mpanao gazety sady mpitoraka blaogy dia mampiasa ny fampielezam-baovao sosialy mba hanangonam-bola hanaovana fampirantiana sary any Stockholm, Soeda. Fantaro ny fomba ahafahanao manampy an'i Afrah hanatanteraka ny asany sy anohanana ireo mpaka sary Yemeni mampiseho ny asany sy ny talentany.
Okraina: Tapitra ny “Euro 2012″ Ankehitriny!
Raha Okraina no nahazo nampiantrano ny “Euro 2012″ niaraka tamin'ny Polonina, maro no nahita azy io ho fotoana anararaotana hanatsarana ny endrik'i Okraina amin'ny maha-firenena Eoropeana azy. Saingy tsy mora izany. Takon'ny fahasarotana ara-toekarena, ny fifanolanana teo amin'ny sehatry ny fifandraisana iraisam-pirenena noho ny fanagadrana ny praiminisitra teo aloha Yulia Tymoshenko...