Tantara farany mikasika an'i Soeda
22/07/2012
Yemen: Fampirantiana “Yemen Avy Amin'ny Maso Tavoahangintsika”
Afrah Nasser, Yemenita mpanao gazety sady mpitoraka blaogy dia mampiasa ny fampielezam-baovao sosialy mba hanangonam-bola hanaovana fampirantiana sary any Stockholm, Soeda. Fantaro ny fomba ahafahanao manampy an'i Afrah hanatanteraka ny asany sy anohanana ireo mpaka sary Yemeni mampiseho ny asany sy ny talentany.
13/07/2012
Okraina: Tapitra ny “Euro 2012″ Ankehitriny!
Raha Okraina no nahazo nampiantrano ny “Euro 2012″ niaraka tamin'ny Polonina, maro no nahita azy io ho fotoana anararaotana hanatsarana ny endrik'i Okraina amin'ny maha-firenena Eoropeana azy. Saingy tsy mora izany....
26/05/2012
Rosia : Miverina Ao Anatin'ny Fiadiana Izay Ho Tompon-daka Eran-tany Amin'ny” Hockey” Taona 2012 ireo Kintan'ny NHL

Tsy resy mihitsy tao anatin'ny ny lalao im-pito natrehiny , ary nirehareha tamin'ny fisian'ny All-Star tao aminy, Ny ekipa nasionalin' i Rosia dia niatrika an'i Norvezy amin'ny lalao ampahefa-dalana amin'ilay fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin'ny Hockey 2012. Bilaogera maro no nirehareha noho ny fiverenan'i Alexander Ovechkin sy Alexander Semin, niaraka tamin'ny fahatsiarovana ny lasa ratsin'ny Rosia teo amin'nyfifaninanana iraisam-pirenena .
16/04/2012
Soeda: Mitsidika An'i Rinkeby, Ambany Tanàna Be Mpiavy Ao Stockholm
Malaza noho ny fahamaroan'ny mpifindra monina ao aminy ny fokontanin'i Rinkeby ao Stockholm, Soeda. Mitantara ny fitsidihany io faritra io izay mba te-hijerijery izany faritra izany. Monina any Stockholm ny mpanao gazety...
05/03/2012
Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?
Ny fanetsehana ny mpiondana aterineto hanohitra ny ACTA, ny fifanekena ara-barotra manohitra ny fakan-tàhaka dia samy tsy mihalefy raha toa kosa ny PArlemanta Eraopeana tsy maintsy niatrika ny fndinihana ireo tolo-dalànanandritra ny fivoriany tao Strasbourg tamin'ny herinandro lasa. Ny fanamafisana dia nahemotra eo am-piandrasana izay ho fanambaràna avy amin'ny Fitsarana Eraopeana mikasika izay mampifandraika azy na tsia amin'ireo lalàna fototra.
19/01/2012
Lahatsary Asongadina: Mpitolona, Fahafahana Maneho Hevitra, Olona ary Kolontsaina
Ity fanadihadiana ity dia mikendry ny hampahafantatra ny hafatra faramparany ato amin'ny Global Voices izay mampiseho fomba maro fa manampy ny olona hilaza ny tantarany manerana izao tontolo izao ny...
30/12/2011
Etiopia: Voasazy Higadra 11 Taona An-tranomaizina Ireo Mpanao Gazety Soedoà
Namoaka didy ny fitsarana Etiopiana tamin'ny Talata 27 Desambra 2011 teo fa sazy 11 taona an-tranomaizina no azon'i Martin Schibbye sy Johan Persson, mpanao gazety Soedoà voarohirohy ho nanohana ny tafika...
07/08/2011
Shina:Notazonina Ny Pasipaoron'ny Mpianatra Soedoa Iray Noho Ny Antso Hanao Flash Mob (Hetsika Tselatra)

Soedoa iray mpianatra, Sven Englund mianatra ao amin'ny Anjerimanontolo Fudan ao Shanghai no nantsoina tany amin'ny paositry ny polisy fa nanoratra taratasy ho an'ny Filoha Sinoa, Hu Jintao, tao amin'ny bilaoginy. Raha vao vita ny famotopotorana dia notazonina ny pasipaorony.
27/04/2011
Nandroaka Mpiasan'ny Fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan

Nitatitra ny The Commitee to Protect Journalists fa nandroaka mpiasan'ny fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan,izay tonga mba haka sary fanadihadiana iray momba ny zon'olombelona eo amin'io firenena io.
03/10/2010
Maneran-tany : Tsy misy ny aina rehefa tsy misy ny rano
Natao tany Stockholm , renivohitr'i Soisy nanomboka ny 5 ka hatramin'ny 11 Septambra 2010 ny fihaonana faharoapolo amin'ny Herinandro Iraisam-pirenena ho an'ny rano (World Water Week - WWW) mitondra ny lohahevitra hoe: Ny kalitaon'ny rano Tanjona-Fisorohana, Fampiasàna voalanjalanja sy fampihenana. Araka ny hevitr'ireo mpikarakara, "samy mitondra ny tsindrin'entany eo amin'ny habetsahana sy ny hatsaràn'ny loharanon-dranontsika na ny fanamboarana tanana, ny fambolena, ny indostria ary ny fiovaovan'ny toetr'andro."






























RSS ho an i Soeda
Karohy Wikipedia ny Soeda




tena mampijaly vahoaka tokoa ity TGV ity , betsaka @zao no tsy misakafo afatsy...