· Jona, 2013

Tantara mikasika ny Espaina tamin'ny Jona, 2013

Loka Eropeana Ho An'ny Fanampiana Ireo Voakasiky Ny Krizin'ny Fanaovana Antoka any Espaina

  30 Jona 2013

Namoaka ny anaran'ireo mpandresy tamin'ilay fifaninanana Olom-pirenena Eoropeana tamin'ity taona ity ny Parlemanta Eropeana. Nomena ilay Sehatra ho an'ny Voakasiky ny Fanaovana Antoka (PAH amin'ny teny espaniola) ny iray tamin'izany, fikambanana iray any an-toerana natao hanamaivana ny fijalian'ireo olona any Espaina izay voakasik'ilay krizin'ny fampindramam-bola "subprime" sy ireo voaroaka niala tamin'ny trano fonenany. Nasiaka dia nasiaka ny antoko eo amin'ny fitondràna tamin'ny fomba fizaràna loka, raha toa ka nanaiky tanteraka izany ny mpampiasa aterineto.

Hatezerana Noho Ny Herisetra Tamin'ny Fisamborana Ireo Mpaka Sary Mpanao Gazety Espaniola Roa

  14 Jona 2013

Nozaraina be tao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra hoe #RaúlLibertad ireo vaovao momba ny fisamborana ilay mpaka sary mpanao gazety Raúl Capín, tany Madrid. Voasambotra ihany koa i Adolfo Luján, mpaka sary mpanao gazety. Hafatra maro maneho fahatezerana sy manohitra ny famoretana ny mpanao gazety izay mitatitra ny fikomiana ara-tsosialy no mifanaretsaka ao amin'ny aterineto.