· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Espaina tamin'ny Desambra, 2012

Espaina: Saina Sahisahy Eo Amin'ireo Tanora Mpifindra-monina

  17 Desambra 2012

Andro vitsy lasa izay, anisan'ireo lohahevitra malaza indrindra tao amin'ny Twitter i « Marina del Corral ». Del Corral, tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Ministeran'ny Asa sy Ny Fiahiana Ara-tsosialy, na ny marimarina kokoa, Sekretera Jeneralin'ny Fifindram-ponenana sy ny Fifindra-monina, nanjary malaza izy noho ilay fanambarany niteraka fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy. Nanambara ity...

Espaina: Bilaogera Iray Notorian'ny Fahitalavitra Telecinco Tany Amin'ny Fitsarana

  16 Desambra 2012

*Vaovao farany: nanambara ny fahitalavitra Telecinco tamin'ny 27 Novambra, fa nosintoniny ny fitoriany an'ilay bilaogera Pablo Herreros. Nivory ny tale mpitantana ny Telecinco/Mediaset sy i Herreros ary nahita marimaritra iraisana. Azo vakiana ato amin'ny bilaogin'ilay bilaogera [es] ny fifanekena nataon'ny roa tonta sy ny fanehoan-kevitr'ilay bilaogera. Mety efa nandre ny anarana hoe Pablo...

Espaina: Famindram-po Azon'ireo Polisy Voaheloka Noho ny Fampijaliana Olona

  09 Desambra 2012

Ny tranga faran'izay akaiky indrindra momba ny andianà polisy iray voaheloka tamin'ny fampijaliana teratany Romana irey dia niteraka hasosorana sy fanekena fa nadritra nytaona maro ny famindram-po, izay noheverina ho fitaovana rafitra iray natao hisian'ny fitsaràna mitsinjo ny maha-olona, dia nampiasàn'ny governemanta mba hamafàna ny helok'ireo mpandika lalàna mifandray akaiky amin'ny fitondràna .

Fahazoana Vaovaom-Panjakana: Zonao izany!

  06 Desambra 2012

Tsy hoe mora lalandava ny mahazo ny vaovao, angon-drakitra ary antontan-taratasy any amin'ireo sampan-draharaham-panjakana, na dia marina aza fa an'ny olom-pirenena ihany ireo vaovao sy angona eny an-tanan-dry zareo. Izany no antony anankiray nandrisika ireo fikambanan'ny sosaity sivily sasany, izay manokan-tena ho amin'ny fikatrohana hisian'ny mangarahara, nanangana karazana vovonana an-tserasera hahafahan'ny olona mangataka ireo karazam-baovao avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana.

Miatrika Fanamby Vaovao Ny Politikam-Pifindra-monina Breziliana

  04 Desambra 2012

Raha efa ela no niadian-kevitra tany Eoropa sy Etazonia ity resaka ity dia vao haingana kosa vao niha-nalaza ny lohahevitra momba ny fifindra-monina mankany Brezila. Efa fantatra ho firenena mpandray vahiny mandra-pahatonga ny fotoana vitsivitsy izay, ny zavamisy vaovao izay niainan'ny firenena tao anatin'ny fotoana vitsivitsy izay no mametraka fanamby...