· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Espaina tamin'ny Novambra, 2012

Espaina: Mihantona Ny Fandroahana Hiala Amin'ny Trano Noho Ny Fanerena Ara-tsosialy

  29 Novambra 2012

Anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Krizy ao Eoropa ity lahatsoratra ity. Fikambanana sy sehatra miady amin'ny fandroahana olona hiala amin'ny trano fonenany no nahomby tamin'ny fahazoan'ny Asociación Española de Banca (Fikambanan'ny Banky Espaniola) hampiato ny fandroahana taorian'ny roa taona nitolomana. Nambara fa mandritra ny roa taona izany didim-pitsarana fampiatoana izany, ary...

Espaina: Tsy Ampy Taona Nodarohan'ny Polisin'ny Katalonia, Antso Hialàn'ny Minisitra

  26 Novambra 2012

Ny fampiasana hery nataon'ny vondron-kery polisin'i Katalonia antsoina hoe Els Mossos d’Esquadra [ca], nandritra ny fitokonambe [ca] tamin'ny 14 Novambra 2012 (#14N [ca]) no niteraka onjam-panamelohana an-tserasera. Niteraka fametrahana fanangona-tsonia [ca] ho fialan'ny minisitry ny atitanin'i Katalonia, Felip Puig, avy amin'ny antoko politika rezionaly efatra ity toe-draharaha nitranga tao antenantenan'ny fampielezan-kevitra manantantara ity.

Espaina: Fifidianana Katalana – “Garcia Avokoa Izahay Rehetra”

  25 Novambra 2012

Mitodi-doha mankany amin'ny biraom-pifidianana indray androany alahady, 25 Novambra 2012 ny any Katalonia izay ao raha mitokozihitra ny eo amin'ny toekarena ary mavaivay ny adihevitra momba ny fisintahana amin'i Espaina. Nanomboka tamin'ny alalan'ny lahatsary mampiady hevitra nivoaka tao amin'ny fantsona Youtube an'ny Antokom-Bahoakan'ny Katalana [es] (Partit Popular de Catalunya na PPC) izay mpitàna ny firaisampirenena ny fampielezan-kevitra, izay nifantoka indrindra tamin'ny adihevitra momba ny fahaleovantena [fr] tamin'ny herinandro lasa teo.

Hackathon Ho an'ny Daholobe: Ahoana ny Fanomanana Hackathon?

  23 Novambra 2012

Amin'ity lahatsoratra manaraka ity, ny vahiny, J.J. Merelo, Dokotera amin'ny Fizika sady Profesora ao amin'ny Anjerimanontolon'i Granada, Espaina, no miresaka amintsika ny zavaniainany tamin'ny fanomanana hackathon ara-panabeazana ho fanazavana ny Hackathon rezionaly Fampandrosoana an'i Amerika Latina 2012 [en] izay hotontosaina amin'ny volana ambony amin'ny Desambra

Nankatòavin'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana Espaniola Ny Fanambadian'ny Samy Pelaka

  18 Novambra 2012

Nankatòavin'ny Fitsarana momba ny lalàm-panorenana espaniola ny ankamaroany betsaka [es] tamin'ireo lalàna natolotry ny ny governemantan'i  José Luis Rodriguez Zapatero tamin'ny taona 2005 (Antokon'ny Mpiasa Sosialista-PSOE [es]) izay miantoka ny fitovian-jo ka mamela malalaka ny fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy (pelaka).. Toy izao manaraka izao ny fanovana hita tamin'ny lalàna: “Manan-jo...

Fikononana Nanerana Ny Faritra Atsimon'i Eoropa

  18 Novambra 2012

Ny 14 Novambra 2012 no andro nahitàna fitokonana voalohany amin'ny karazany toy izao, nahitàna ireo firenena Eoropeana Tatsimo rehetra izay tena iantraikàn'ny olan'ny fitsitsiana sy ara-bola. Notaterin'ireo olon-tsotra mivantana avy eny an'arabe ny hetsika, hatramin'ireo fanehoana firaisankina, fahaiza-mamorona sy tatitra momba ny habibian'ny polisy.

Espaina: Nandefa Lahatsary Mampiady Hevitra ny Antokon'ny Fampiraisam-Pirenena Katalana

  13 Novambra 2012

Handeha handatsa-bato ny Katalana amin'ny 25 Novambra 2012 hoavy izao, izay fifidianana naroso alohan'ny fotoana. Taorian'ny 11 Septambra nisian'ny famoriam-bahoaka mpitaky ny fahaleovantena tao Barcelona, izay olona maherin'ny iray tapitrisa no tonga nidina an-dalambe hitaky ny fisarahan'i Katalonia amin'i Espaina, toa lasa karazana fankalazam-bahoaka hametrahana an'i Katalonia ho firenena (antenaina ho) mahaleotena...