· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Espaina tamin'ny Avrily, 2012

Espaina: Ny Mpanjaka Sy Ny Elefanta

  22 Avrily 2012

Natao fandidiana ny Mpanjaka Juan Carlos tamin'ny 14 Aprily lasa teo satria tapaka andilana noho ny fianjerana nahazo azy nandritra ny fihazany elefanta tany Botswana, ao Afrika. Nanambara izany voina izany ny solontenan'ny fianakavian'ny mpanjaka rehefa vita soa aman-tsara ny fandidiana natao tamin'ny mpanjaka ary mbola tsaboina an-kahamehana ao amin'ny hopitaly...

Espaina: Lahatsary Manaporofo Ny Herisetran'ny Polisy Nandritra Ny Fitokonana Faobe Tamin'ny 29 Marsa

  11 Avrily 2012

|Amin'ny teny espanola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny filazana manokana] Tamin'ny #29M (29 martsa), niantso ho amin'ny fitokonana faobe ho fanoherana ny fanovana ny lalàna mifehy ny asa [amin'ny teny frantsay] nataon'ny governemantan'i Mariano Rajoy (Parti Populaire) ny sendikà espainola. Fitokonana voalohany hatrehin'ny governemanta izany, tao anatin'ny 100 andro monja nandraisany...

Andro Iray Eto An-Tany: Nivoaka Ny Rakikira Niaraha-Mientana Manerantany

  10 Avrily 2012

Nisy rakikira an-dahatsary iray nivoaka ho fanomanana ny fiaraha-mijery manerantany [mg] ny sarimihetsika nifarimbonana manerantany One Day on Earth [Andro Iray Eto An-Tany], izay hotontosaina any amin'ny toerana maro samihafa manerana ny planeta mandritra ny Andron'ny Tany (22 Avrily 2012). Asongadin'ny lahatsary ny mpihira, poety, mpandihy noraketina an-tsarimihetsika nandritra ny fotoana mitovy 24 oran'ny 10 Oktobra 2012, izay niangalian'i Cut Chemist ny fanapatapahana sy ny fanambatambarana azy.