· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Espaina tamin'ny Aogositra, 2011

Espana: Famoretana An-kerisetra Nataon'ny Polisy Tamin'ny Mpanao Gazety Nitatitra ny “Diabe Laika”

  22 Aogositra 2011

Ny fitsidihana vao haingana nataon'ny Papa Benedicto XVI tao Espana dia niteraka fanaovana "Diabe Laika" iray ho fanoherana ny fampiasàna ny volam-bahoaka amin'ny resaka fivavahana ao anaty fanjakana laika. Ny fifandonana teo amin'ireo laika sy ireo olom-pinoana dia niafara tamin'ny famoretana an-kerisetra nataon'ny polisy tamin'ireo mpanao gazety nitatitra ny zava-nitranga. Ny Global Voices dia manolotra fantina lahatsary avy amin'ireo fihetsiketsehana.

Espana : Mpanao Gazety Nosamborina Ary Fihetsiketsehana Voasakantsakana

  14 Aogositra 2011

Ny hetsi-panoherana Espanola 15 m izay nahangona olona an'arivony teny an-dalambe hangataka rafitra ara-demokratika kokoa dia tonga tamin'ny dingana iray vaovao. Nanapa-kevitra ny manampahefana ny 2 Aogositra fa handràra ny fihetsiketsehana rehetra ary nampitandrina ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hivorivory. Rakotra fanehoan-kevitra sy fampitam-baovao avy amin'ny mponina ny tambajotram-piarahamonina.

Mpitoraka Bilaogy Ao Amin'ny Global Voices Manoro Hevitra Ireo Tanora Mafàna Fo Avy Aminà Firenena Miisa 10

  14 Aogositra 2011

Anio dia ambaranay ny anaran'ireo mpitoraka bilaogy miisa 10 ao amin'ny Global Voices sy ireo "Activista" miisa 11 izay hiara-hiasa amin'ny alalan'ny aterineto mandritry ny volana ho avy rehetra. Izy io dia ampahany amin'ny eritreritra vaovao ho fanoroana hevitra izay novokarin'ny Global Voices sy ny Activista, tambajotran'ny tanora ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena mikatsaka ny fandrosoana, ActionAid.