· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Espaina tamin'ny Mey, 2011

Espaina: “Yes We Camp” na “Eny, Milasy izahay” Fanentanana An-dalambe Sy Anaty Aterineto

  21 Mey 2011

Hatramin'ny 15 May, nirotsaka an-dalambe ny vahoaka tao Espaina mba hitaky ny hisian'ny demaokrasia bebe kokoa amin'ny fifidianana ho avy eo, miaraka aminà olona an'aliny mitoby eny ivelany any amin'ireo tanàna maro samihafa manerana ny firenena. Mifandamina any anaty tambajotra ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanohana, sady mampiasa ny fitaovan'ny media sosialy hifampizaràna sy hanelezana ny vaovao, hilazàna ny tantarany, ary hiaraha-miasa anaty fifandrimbonana momba ny hevitra, ny fomba fijery syny fandraisana andraikitra.

Espaina: An'aliny ireo vahoaka nirotsaka an-dalambe

  20 Mey 2011

An'aliny ny olona nirotsaka an-dalambe tany Espana tamin'ity herinandro ity mba hanohitra ny kolikoly, ny tsy fahazoana antoka ny ampitso, ny tsy fisian'ny asa ary ny rafitra politika tsy misy afa-tsy antoko roa. "Tsy entam-barotra eny an-tànan'ny banky ny mpanao politika akory isika," no teny fanevan'ireo olona an'aliny nanao fihetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny 15 May teo, andro vitsy monja mialoha ireo fifidianam-paritra. Hitohy ny hetsi-panoherana sy ny fitorevahana.

Espana: Namely An'i Murcia Ny Horohorontany

  13 Mey 2011

Tratry ny horohorontany in-droa i Lorca, any amin'ny faritr'i Murcia, ao Espana, tamin'ny 11 May. Niteraka fahafatesan'olona sivy sy naharatrana manodidina ny 300 teo ho eo hatreto ireo horohorontany, nanana tanjaka 4.1 sy 5.1 [es] tamin'ny maridrefy Richter, miampy ireo rambony taty aoriana. Vaovao, fanehoan-kevitra sy fanohanana samihafa no niraraka tany anaty bilaogy ary tambajotra dizitaly tany.

Espana: Lahatsarin'Ilay Horohorontany Tao Lorca

  13 Mey 2011

Lahatsarin'olon-tsotra no maneho ny taorian'ilay horohorontany nanana hery hatramin'ny 5.1 sy 4.5 namely ny tananan'i Lorca any amin'ny faritra'i Murcia, Espana ny 11 May. Araka ny Filankevitry ny Tanàna, eo anelanelan'ny 20 000 sy 30 000 eo ny olona natory teny an-dalambe, raha mbola eo an-dalam-panamarinana ireo tranobe ny brigady voatokana ho amin'izany.