· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Paortiogaly tamin'ny Novambra, 2012

Portiogaly: Bilaogera Mpikatroka Nampanginin'ny Google

GV Mpisolovava  18 Novambra 2012

Notampenam-bava ny bilaogin'ny vondrona Precários Inflexíveis tamin'ny 14 Novambra, nandritra ny andron'ny fitokonana faobe tao amin'ny firenena ary indrindra fotoana mahabe mpamaky ny pejiny. An'arivony ireo olona niandry sy nitady vaovao momba ny fihetsiketsehana ary naharay ity hafatra ity ny tao amin'ny bilaogin'ny vondrona “Manitsakitsaka ny fepetra fampiasana ny Blogger ity bilaogy...

Fikononana Nanerana Ny Faritra Atsimon'i Eoropa

  18 Novambra 2012

Ny 14 Novambra 2012 no andro nahitàna fitokonana voalohany amin'ny karazany toy izao, nahitàna ireo firenena Eoropeana Tatsimo rehetra izay tena iantraikàn'ny olan'ny fitsitsiana sy ara-bola. Notaterin'ireo olon-tsotra mivantana avy eny an'arabe ny hetsika, hatramin'ireo fanehoana firaisankina, fahaiza-mamorona sy tatitra momba ny habibian'ny polisy.

Takon'ny Fifandonana Ny Alina Ny Fitokonana Faobe Am-pilaminana Tao Portiogaly

  16 Novambra 2012

Nitondra indray mandeha indray ny vahoaka ho eny an-dalambe nanerana ny firenena ilay fitokonana faobe tao Portiogaly ny 14 Novambra 2012, hijoroany hanohitra ny fisongan'ny politikam-pitsitsiana. Ny tena hery manosika ny vahoaka hanao fihetsiketsehana na izany aza, dia tsy takatr'ireo fampahalalam-baovao mahazatra loatra noho ny fisian'ireo hetsika mahonena "mahasarika kokoa ny maso": tamin'ny fiafaràn'ny andro iray nafotaka nanaovana hetsika am-pilaminana sy fitorevahana, ny fifanandrinana nivadika ho herisetra teo amin'ny polisy sy ireo mpanao hetsi-panoherana no zary lasa lohatenim-baovao mirantiranty.

Fanetsehana Hitazonana Ny Fampiasàna Ny Portioge Ho Isan'ny Teny Fampianarana Ao Frantsa

  15 Novambra 2012

Miisa 250 tapitrisa eo ny mpiteny portioge, izy no teny faha enina be mpiteny indrindra eto an-tany. Ambara ho misy eo amin'ny 2 tapitrisa eo ny miteny portioge ao Frantsa, izay ny betsaka dia ireo mpifindra monina na ny taranaka portioge mpifindra monina . Nilaza ramatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony, Geneviève Fioraso, tao anaty tafatafa iray fa "ny hanana sampam-piofanana iray tsy fahita firy, toy ny portioge, any amin'ny anjerimanontolo rehetra, angamba tsy dia ilaina loatra". Mihetsika maneho hevitra amin'io fanambaràny io ireo bilaogera miteny portioge ao Frantsa: