Tantara mikasika ny Norvezy

Oganda: Mahatsiaro Ny Fipoahana Baomba Tamin'ny 2010

  13 Jolay 2012

Naka ny Facebook sy Twitter ho sehatra hanehoany ny fahatsiarovana ny tra-doza tamin'ny fanapoahana baomba tamin'ny 2010 tao amin'ny Rugby Club Kyaddondo sy trano fisotroana tao aminà tanàna Etiopiana ao Kampala ry zareo Ogande. Nitranga ilay fanafihana raha iny teo am-pijerena ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany nihaonan'i Pays-Bas sy Espaina tao Afrika Atsimo iny indrindra ireo mpankafy baolina fandàka.

Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum

  16 Mey 2012

Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny  forum ny endrika fanta-daza manerantany hiresaka ny krizy mahaolona sy hifanakalo hevitra momba ny fiantraikany. Iray amin'ny nandray anjara fitenenana mandritra ny fotoana mitondra ny lohahevitra...

Lahatsary: Mifampizara Ny Fiainany Ny Reny Manerantany

  03 Mey 2012

Hita ao amin'ny fampirantiana an'aterineton'ny Mozea iraisampirenena Momba ny vehivavy avokoa ny momba ny reny rehetra. Nampahafantatra ireo karaza-pijery momba ny reny tamin'ny alalan'ny fanadihadiana an-dahatsary natao tamin'ny vehivavy avy ao Nizeria, Kenia, Afganistana, Etazonia, Kolombia, Hongria, Shina ary Norvezy ny MAMA: Ny Fiainan'ny reny manerana ny glaoby. Mama to Be (Ho reny atsy...

Mampiantrano Ny Fifaninanana Voalohany Ho An'ny Vazimba Teratany Mpanapariaka Vaovao I Norvezy

  27 Marsa 2012

Fantatra maneran-tany amin'ny fikarakarana ny Loka manan-danja Nobel ho an'ny fandriampahalemana i Norvezy. Amin'ity volana ity, ity firenena Skandinavy ity dia hampiantrano ny fiandohan'ny hetsika iray, tsy dia mbola malaza loatra nefa koasa manana ny lanjany, dia ny loka World Indigenous Television Broadcasters Network (WITBN), na ny Tambajotra iraisam-pirenen'ireo Vazimba teratany Mpanapariaka Fahitalavitra, hatao ny 29 Martsa 2012.