Tantara farany mikasika an'i Norvezy
13/07/2012
Oganda: Mahatsiaro Ny Fipoahana Baomba Tamin'ny 2010
Naka ny Facebook sy Twitter ho sehatra hanehoany ny fahatsiarovana ny tra-doza tamin'ny fanapoahana baomba tamin'ny 2010 tao amin'ny Rugby Club Kyaddondo sy trano fisotroana tao aminà tanàna Etiopiana ao Kampala ry zareo Ogande. Nitranga ilay fanafihana raha iny teo am-pijerena ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany nihaonan'i Pays-Bas sy Espaina tao Afrika Atsimo iny indrindra ireo mpankafy baolina fandàka.
16/05/2012
Norvezy: Ireo Resaka Momba An'i Amerika Latina Ao Amin'ny Oslo Freedom Forum
Ny herinandro lasa teo no notontosain'ny Human Right Foundation tao an-drenivohitra norveziana ny Oslo Freedom Forum. Ny teny filamatra “Avy amin'ny aizina mankamin'ny mazava,” avondron'ny forum ny endrika fanta-daza manerantany...
03/05/2012
Lahatsary: Mifampizara Ny Fiainany Ny Reny Manerantany
Hita ao amin'ny fampirantiana an'aterineton'ny Mozea iraisampirenena Momba ny vehivavy avokoa ny momba ny reny rehetra. Nampahafantatra ireo karaza-pijery momba ny reny tamin'ny alalan'ny fanadihadiana an-dahatsary natao tamin'ny vehivavy avy ao...
14/04/2012
Mali: Tombouctou, Tandindonin-Doza Ny Haren-Kolontsaina
Mampahatsiahy zavatra malaza sy toetr'andriana izany anarana Tombouctou izany ho an'izao tontolo izao. Nefa mahatandindonin-doza an'i Tombouctou ny ady any avaratr'i Mali sy ny fisian'ireo henja-pihetsika vitsy dia vitsy an'isa ao. Maro ireo mampaneno lakolosy fanairana.
27/03/2012
Mampiantrano Ny Fifaninanana Voalohany Ho An'ny Vazimba Teratany Mpanapariaka Vaovao I Norvezy
Fantatra maneran-tany amin'ny fikarakarana ny Loka manan-danja Nobel ho an'ny fandriampahalemana i Norvezy. Amin'ity volana ity, ity firenena Skandinavy ity dia hampiantrano ny fiandohan'ny hetsika iray, tsy dia mbola malaza loatra nefa koasa manana ny lanjany, dia ny loka World Indigenous Television Broadcasters Network (WITBN), na ny Tambajotra iraisam-pirenen'ireo Vazimba teratany Mpanapariaka Fahitalavitra, hatao ny 29 Martsa 2012.
15/03/2012
Makedonia: Mitohy Misondrotra Ny Vidin-tsolika
Ny fisondrotana tsy mitsahatry ny vidin-tsolika no anton'ny olana maro ho an'ireo vahoaka ao Makedonia, ary ny sasany tsy misalasala miresaka ilay fihenjanana anaty hanihany
20/08/2011
ANGLETERA:#BlameTheMuslims Tenifototra Tao amin'ny Twitter Nivaona Tamin'ny Tokony Ho Izy
Sanum Ghafoor, izay mandeha ao amin'ny Twitter amin'ny @Strange_Sanum, dia silamo 19 taona ary mpianatra ao Angletera. Tezitra amin'ny fanondroana avy hatrany ny Silamo ho tompon'antoka amin'ireo herisetra maro isan-karazany, indrindra fa ilay asa fampihorohorona tao Oslo tamin'ny herinandro lasa teo iny, nanao tora-po tamin'ny fibitsihana tamin'ilay tenifototra #blamethemuslims (an'ny silamo ny tsiny) i Sanum. Satria efa zary mahazatra antsika ny mahita lohahevitra iray mipariaka lavitra be toy izany eny am-pototsofin'ireo mpihaino, mahagaga fa efa mivaona amin'izay zava niseho ny fampiasàna azy, nitarika ho amin'ny fahasorenan'ireo mpampiasa Twitter tanteraka.
13/08/2011
Norvezy: Fitantaran'ny Nanatri-maso Ny Vono Olona Tany Utøya
Mitoraka bilaogy ny hitany maso sy ny zavatra nataony mba hahavelomany i Prableen Kaur, 23 taona, mpanao politika eo an-toerana ary tanora mpitarika avy any Oslo, raha nitifitra ireo tanora avy amin'ny fikambanan'ny tanoran'ny Antokon'ny mpiasa (Labour Party) Norveziana (Labour Party) any Utøya any Norvezy ny mpamono olona marary saina iray.
06/08/2011
Taratasy Iray Avy Ao Shina Ho An'ilay Norveziana Mpamono Olona
Maro ireo mponina ao Shina no tsy mahazo ny zava-doza nataon'i Anders Behring Breivik tao Norvezy. Saingy kosa tsy dia miraharaha ny antony nanosika azy sy ny foto-kevitra nijoroan'i Breivik. Eo imason'izy ireo, Norvezy dia paradisa, any ny olona no miaina amin'ny fahafaha-mividy ambony ary tsy mila ny hiatrika ny fahasahiranana ara-pivelomana. Ahoana no mahatonga izany?
10/10/2009
Ejipta: Nahoana mihitsy no i Obama no nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana?
Tamim-pahagagana sy tamim-pahatairana no nandraisan'ny mpamaham-bolongana sy mpisioka an-tserasera Ejipsiana ny fahazoan'ny filoha Amerikana Barack Obama ny loka Nobel ho an'ny fandriampahalemana: Amin'ny fomba ahoana moa no ahazoan'ny filoha manangana ady amina firenena lavitra azy no hahazo ny lokan'ny fandriampahalemana? Mbola hitantara maromaro amin'io amintsika i Tarek Amr






























RSS ho an i Norvezy
Karohy Wikipedia ny Norvezy



Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa