Tantara farany mikasika an'i Pays-Bas
23/02/2013
Maxima Zorreguieta, Ilay Arzantina Ho Lasa Mpanjakavavy Hitondra An'i Nederlandy
Anton-dresaka fankalaza sy bitsika ho an'ny Arzantina ny fialàn'ny Mpanjakavavin'i Nederlandy Beatrix teo amin'ny toeram-boninahitra, ary koa satria ho lasa Mpanjakan'ny tanin'i Nederlandy i Máxima Zorreguieta.
13/07/2012
Okraina: Tapitra ny “Euro 2012″ Ankehitriny!
Raha Okraina no nahazo nampiantrano ny “Euro 2012″ niaraka tamin'ny Polonina, maro no nahita azy io ho fotoana anararaotana hanatsarana ny endrik'i Okraina amin'ny maha-firenena Eoropeana azy. Saingy tsy mora izany....
Oganda: Mahatsiaro Ny Fipoahana Baomba Tamin'ny 2010
Naka ny Facebook sy Twitter ho sehatra hanehoany ny fahatsiarovana ny tra-doza tamin'ny fanapoahana baomba tamin'ny 2010 tao amin'ny Rugby Club Kyaddondo sy trano fisotroana tao aminà tanàna Etiopiana ao Kampala ry zareo Ogande. Nitranga ilay fanafihana raha iny teo am-pijerena ny lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany nihaonan'i Pays-Bas sy Espaina tao Afrika Atsimo iny indrindra ireo mpankafy baolina fandàka.
16/03/2012
Lahatsary: Zarao Ny Fanambinao Ka Mahazoa iPad Amin'ny Fifaninanana Future Challenges
The Bertelsmann Foundation's FutureChallenges initiative wants to hear about the challenges faced by people all around the world. By making a video and uploading it to their Facebook page, you could win a new iPad2.
15/03/2012
Makedonia: Mitohy Misondrotra Ny Vidin-tsolika
Ny fisondrotana tsy mitsahatry ny vidin-tsolika no anton'ny olana maro ho an'ireo vahoaka ao Makedonia, ary ny sasany tsy misalasala miresaka ilay fihenjanana anaty hanihany
05/03/2012
Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?
Ny fanetsehana ny mpiondana aterineto hanohitra ny ACTA, ny fifanekena ara-barotra manohitra ny fakan-tàhaka dia samy tsy mihalefy raha toa kosa ny PArlemanta Eraopeana tsy maintsy niatrika ny fndinihana ireo tolo-dalànanandritra ny fivoriany tao Strasbourg tamin'ny herinandro lasa. Ny fanamafisana dia nahemotra eo am-piandrasana izay ho fanambaràna avy amin'ny Fitsarana Eraopeana mikasika izay mampifandraika azy na tsia amin'ireo lalàna fototra.
26/11/2011
Pays-Bas (Nederlandy): Vanim-potoanan'ny Fety, Fiakanjoana…Ary Fanavakavahana?
Taona vitsy lasa izay "Zwarte Piet" (Pete mainty ), ilay naman'i Saint Nicholas mainty hoditra nandritra ny fotoanan'ny ririnina tao Nederandy, dia lasa adihevitra be satria nisy ireo tezitra tamin'ny fiakanjon'izy ireo, isan'izany ny tarehy miloko mainty.
17/11/2011
Tontolo : Ny Fisoloàn-toerana An'i Moreno Ocampo Ao Amin'ny Fitsarana Iraisam-pirenena Ho An'ny Ady Heloka Bevava
Tonga amin'ny fetra farany ny fotoana ipetrahan'i Luis Moreno Ocamp amin'ny maha mpampanoa lalànan'ny Fitsarana Iraisam-pirenena ho an'ny Ady Heloka Bevava. Ny fifidianana mpitsara dia voalahatra ho amin'ny volana Desambra. Ny adihevitra dia miompana amin'ireo Kandidà izay hisolo an'i Moreno Ocampo izay hindraindrain'i Evan Fleischer ato.
10/05/2011
Fifaninanana Erantany Fitorahana Bilaogy Momba Ny Olan'ny Rano
Ny European Journalism Centre (Ivontoerana Eraopeana ho an'ny Fanaovan-gazety) dia mampanao fifaninana mitoraka bilaogy ato anatin'ny 3 volana miompana amin'ny olan'ny rano, nomena ny anarana hoe TH!NK5. Mpitoraka bilaogy avy amin'ny firenena 40 samihafa no nirotsaka hifaninana, samy te-hahazo ny loka amin'ny famaranana: fandehana any Lisbon, Portugal. Indreto ny sasany amin'ireo lahatsoratra be mpahalala indrindra sy avy any ifotony nosoratan'ny sasany tamin'ireo nivoaka ho mpandresy:
06/03/2011
Holandey-Iraniana maty novonoina tany Iran
Novonoin-ko faty tany Iran ny Holandey-Iraniana Zahra Bahrami taorian'ny nahitana fa meloka mikasika ny heloka mikasika ny rongony izy ary nomelohin-ko faty ny 2 Janoary. Nogadraina i Zahra Bahrami ny 27 Desambra 2009 raha toa izy ka nanatrika ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta araka ny vaovao voaray.






























RSS ho an i Pays-Bas
Karohy Wikipedia ny Pays-Bas




Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa