Tantara mikasika ny Luxembourg
Fifidianana Filoham-pirenena Etazonia: Ny Teny Misy S… sy Eoropa
Ny famelezana farany tamin'ny fanentanana nataon'i McCain dia toa mihodina manodidina an'io teny mandratra manomboka amin'ny teny "S" io - sahala amin'ny ao anatin'ny hoe "Obama dia Sosialista". [...] Maro amin'ny olona eto no mino fa mitovy lanja ny sosialisma sy ny rafitra kaominista. Omaly, tao anaty trano etiopiana iray fisotroana kafé ao amin'ny faritra misy ahy ao Washington DC, valaka aho nanazava tamin'ireo mpividy vitsivitsy
Mali: Tombouctou, Tandindonin-Doza Ny Haren-Kolontsaina
Mampahatsiahy zavatra malaza sy toetr'andriana izany anarana Tombouctou izany ho an'izao tontolo izao. Nefa mahatandindonin-doza an'i Tombouctou ny ady any avaratr'i Mali sy ny fisian'ireo henja-pihetsika vitsy dia vitsy an'isa ao. Maro ireo mampaneno lakolosy fanairana.
Makedonia: Mitohy Misondrotra Ny Vidin-tsolika
Ny fisondrotana tsy mitsahatry ny vidin-tsolika no anton'ny olana maro ho an'ireo vahoaka ao Makedonia, ary ny sasany tsy misalasala miresaka ilay fihenjanana anaty hanihany
Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?
Ny fanetsehana ny mpiondana aterineto hanohitra ny ACTA, ny fifanekena ara-barotra manohitra ny fakan-tàhaka dia samy tsy mihalefy raha toa kosa ny PArlemanta Eraopeana tsy maintsy niatrika ny fndinihana ireo tolo-dalànanandritra ny fivoriany tao Strasbourg tamin'ny herinandro lasa. Ny fanamafisana dia nahemotra eo am-piandrasana izay ho fanambaràna avy amin'ny Fitsarana Eraopeana mikasika izay mampifandraika azy na tsia amin'ireo lalàna fototra.
Qatar: Manohitra ny politika vaovao mikasika ny fahazoan-dàlana raisina eo am-pahatongavana ireo mpiasa mpifindra monina
Manankery manomboka ny 1 May, Qatar dia miomana hanafoana ny fahazoan-dàlana alaina eo am-pahatongavana ho ana firenena ampolony maro mampiasa io fomba io. Sorena ireo mpiasa mpifindra monina mieritreritra ny amin'ny fianakavian'izy ireo ary milaza sahady fa mety hanimba ny reska fizahantany ao amin'ity firenena kely ao amin'i Gulf ity io.