· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Gresy tamin'ny Marsa, 2013

Lahatsary: Mampiroborobo Ny Fitomboan'Ireo Horonantsary Fanadihadiana Ny Krizy Ao Gresy

  29 Marsa 2013

Ny Fetibe Thessaloniki faha-15 ho an'ny Fanadihadiana - tanterahina ny 15 ka hatramin'ny 24 Martsa 2013 - dia ahitàna horonantsary dimy miresaka momba ny krizy Grika [el], tahaka ny tamin'ny herintaona lasa [el]. Raha mbola manohy miasa eo ambanin'ny trosa miavosa sy ny olan'ny fitsitsiana mafy amin'ny famoaham-bola ny Fetibe sy i Gresy iray manontolo, dia samy mihamifantoka amin'ny asan'izy ireo amin'ny fanehoana ny fiantraikan'izany eo amin'ny fiaraha-monina avokoa ny mpamokatra horonantsary foronina sy fanadihadiana.