Tantara mikasika ny Gresy tamin'ny Novambra, 2012
Fikononana Nanerana Ny Faritra Atsimon'i Eoropa
Ny 14 Novambra 2012 no andro nahitàna fitokonana voalohany amin'ny karazany toy izao, nahitàna ireo firenena Eoropeana Tatsimo rehetra izay tena iantraikàn'ny olan'ny fitsitsiana sy ara-bola. Notaterin'ireo olon-tsotra mivantana avy eny an'arabe ny hetsika, hatramin'ireo fanehoana firaisankina, fahaiza-mamorona sy tatitra momba ny habibian'ny polisy.
Gresy: Mpanao Gazetin'ny Fahitalavi-Bahoaka Voaroaka Taorian'ny Fanakianan'izy ireo Minisitra
Noroahin'ny Fahitalavi-panjakana Grika (ERT) ny mpanao gazety anakiroa, i Kostas Arvanitis sy i Marilena Katsimi, tamin'ny 29 Oktobra 2012, taorian'ny nandalinany ny tsikeran'ny gazety Britanika The Guardian mikasika ny herisetra nataon'ny polisy Grika tamin'ny mpanao fihetsiketsehana anti-fasista tany Atena, ary nanakianan'izy ireo ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Grika. *Ireto ny tsonga avy amin'ny vaovao marainan'ny fahitalavitra nataon'izy ireo : Nanazava...