· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Gresy tamin'ny Mey, 2012

Gresy: Mitombo Ny Herisetra Ataon'ny Polisy Amin'ireo Mpifindra Monina

  15 Mey 2012

Ambony ambany ny media sosialy Grika taorian'ny lahatsary iray nakarina tao amin'ny Facebook sy Twitter, nampiseho ireo manampahefana avy amin'ny polisy nanao tsinontsinona ampahibe-maso mpifindra-monina iray voatàna am-ponja tao an-tanànan'i Athenes.. Mihanaka ao Gresy ny herisetra noho ny fanavakavahana sady amin'ny taha mampivarahontsana tato anatin'ny taona vitsy, raha mbola miantona kosa ny fanavaozana ara-pitantanana nampanantenaina.

Eoropa : Tsianjery Maimbo Momba Ny Fifindra-monina

  11 Mey 2012

Nifarana ny fifidianana izay ho filoham-pirenena frantsay saingy ny nifidianan'ny filoha teo aloha, Nicolas Sarkozy, hanao ny resaka fifindra-monina ho ivon'ny fampielezan-keviny kosa dia mitohy resahana hatrany ety anivon'ny tranonkala. Manotany teny ny maro amin'ny mpiondana aterineto raha toa io safidy nanaovany pi-maso tamin'ny hery farany havanana mba ho fampandaniana azy io ka nanampy mba hanamaivamaivana ny fahareseny, na mifanohitra amin'izany, anisan'ny antony iray nampandositra ireo mpifidy azy.