The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Greece Tahiry Firenena

RSS ho an i Greece

2009-10-27

Lahatsoratra Grika momba ny Blog Action Day ‘09

Ny tanjon'ny Blog Action Day amin'ity taona ity dia ny hanairana ny fahatsiarovan-tena momba ny fiovaovan'ny toetr'andro. Maherin'ny 150 no mpitoraka blaogy Grika nanoratra anarana handray anjara.

2009-08-26

Grèce: Mandondona an'i Athènes ny afo

Nisy doro tanety nitranga tany avaratra atsinanan'i Attica any Grèce ny zoma alina lasa teo, ary avy hatrany dia nandrava ala maro sy tanin'olona maro. Tao anatin'ny 2 andro monja dia nahazo ny faritra avaratra indrindra any Athènes ny afo, mampahatsiahy ny fahasimbana goavana nateraky ny doro tanety tamin'ny lohantaona ...

2008-12-13

Gresy: Ilay gidragidran'ny tanora sy ny pôlisy tany an-toeranaSary postVideo post

Nisy fihetsiketsehana sy gidragidra nahery vaika nataon'ny olona an'arivony nidina an-dalambe tao an-drenivohitry Gresy, Athena, nandritra ny telo andro, ho fanoherana ny fitifirana nataon'ny pôlisy nahafaty zatovolahy 15 taonaantsoina hoe Alexandros Grigoropoulos tao Athena faritry Exarchia tamin'ny 6 Desambra 2008 lasa teo. Niitatra vetivety hatrany Thesalonikia, tanàna lehibe faharoa any Gresy sy tany amin'ny tanàna hafa any an-toerana ny korontana. Ary nisy fifanandrinana hatrany Shipra aza. Araho an-tsary sy an-dahatsary ato ary izany.

2008-04-10

Fahalalahàna miteny ,
Governance

Greater Surbiton no manoratra momba ny fifandraisan'ny OTAN sy Rosia: “Raha tsy sahy mifanandrina amin'i Rosia akory ny vondrokerin'ny OTAN, dia mampanontany tena ihany hoe inona moa izany no tena ilàna ny OTAN?” Ary miresaka amin'ny fifandraisan'i Gresy amin'i Makedonia ao amin'ny OTAN ihany koa izy: “Mpikambana bitika tao amin'ny OTAN i Gresy; 130 monja ny miaramilany any Afghanistana - isa mitovy amin'ny an'i Makedonia, tsy mpikambana sady ampahadimy amin'ny isan'ny mponina any aminy.”

2008-04-07

Eoropa atsimo atsinanana, Rosia: Ady, Fandriampahalemana ary tantara ifampizarana

Vladikavkaz renivohitry Ossetia Avaratra any Rosia, nametraka a baoritra kisarintsoratra amin'ny teny Rosiana izay ho sarotra tanterahina any Kaokazy avaratra ny mpampiasa ny LJ alan-tskhurbaev:   Kosovo is Serbia! Kosovo an'i Serbia! Raha mitaha amin'i Ossetia atsimo faritra miendaka amin'i Georgia, izay iheveran'ny mpitarika ao fa fanombohan-javatra iny fahaleovantenan'i Kosovo iny, dia nanamarika io ...