· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Alemaina tamin'ny Marsa, 2012

Loka Bilaogy Tsara Indrindra (Best of the Blogs): Efa nametraka ny Bilaoginao Ao Ve Ianao?

  09 Marsa 2012

Efa nandefa ny bilaoginao  amin'ilay Loka Bilaogy tsara indrindra 2012 (Best of the Blogs (BoBs)ve ianao, ry vondrona amin'ny valan-tserasera, na ry tompon-kevitra antserasera? Ny BoBs dia fifaninanana bilaogy fanao isan-taona karakarain'ny onjam-peo Alemana iraisampirenena Deutsche Welle (@dw_thebobs). Mpamahana bolongana, mpanoratra, mpanankato, olo-tsotra tia manangom-baovao, mpitolona sy ny mpitondra hevi-baovao no amporisihina mba...

Alemaina : Ny Fampahalalam-baovao anaty aterineto, tena #baomba (#bombe)!

  09 Marsa 2012

Ny sampam-pitsikilovana miafina Alemàna dia nanara-maso mailaka efa ho 37 tapitrisa sy nandalinana azy ireny mba hamaritana raha toa ka mifandraika amin'ireo mason-tsivana isan-karazany mifamatotra amin'ny lohahevitra fampihorohoroana sy asa fanondranana an-tsokosoko isan-karazany, ohatra amin'izany ny teny hoe baomba. Sady sorena no mihanihany, ireto ny fanehoan-kevitra eny anivon'ny tambajotra sosialy alemàna naterak'ilay vaovao.

Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?

Ny fanetsehana ny mpiondana aterineto hanohitra ny ACTA, ny fifanekena ara-barotra manohitra ny fakan-tàhaka dia samy tsy mihalefy raha toa kosa ny PArlemanta Eraopeana tsy maintsy niatrika ny fndinihana ireo tolo-dalànanandritra ny fivoriany tao Strasbourg tamin'ny herinandro lasa. Ny fanamafisana dia nahemotra eo am-piandrasana izay ho fanambaràna avy amin'ny Fitsarana Eraopeana mikasika izay mampifandraika azy na tsia amin'ireo lalàna fototra.

Polonina: Fanambarana Iombonan'ny Zanaky ny Web

  01 Marsa 2012

Mpaka sary sady poety poloney Piotr Czerski (tsidiho ny momba momba azy ao amin'ny Wikipedia teny poloney) no nanoratra voalohany indrindra tamin'ny teny Poloney ny “Fanambarana Iombonan'ny Zanaky ny Tambajotra” izay nanomboka niparitaka tamin'ny Web amin'ny fiteny marobe samihafa, taorian'ny nivoahany tamin'ny 11 febroary 2012, tao amin'ny gazeti-paritra ao Poméranie, ao Polonina, Dziennik...