The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

France Tahiry Firenena

RSS ho an i France

2008-12-15

Madagasikara: Nosivanin'ny Fitondrana Frantsay ny piesy teathralin'ny Tolom-panafahanaVideo post

Nofoanan'ny solotenam-panjakana frantsay misahana ny tapany atsimon'i Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tsy misy fanazavana ny fitetezantany ilay piesy teathraly mampahatsiahy ny tantaran'ny tolom-panafahana hahaleovan'i Madagasikara tena tamin'ny 29 marsa 1947. Mbola mitohy ihany koa ny adihevitra momba ity resaka ity ato amin'ny aterineto. Misy lahatsary ato.

2008-12-10

Shina sy Frantsa: Atao fahirano ny vita frantsay

Nisy lahatsoratra nivoaka tamin'ny 1 Desambra tao amin'ny China.com mampirisika ny firenena manontolo hanao fahirano ny vokatra frantsay ho fanoherana ny fihaonana eo amin'ny Filoha frantsay Nicolas Sarkozy sy ny Dalai Lama. Manome torohevitra ny mpanjifa ny lahatsoratra tsy hividy marika frantsay tokony ho 50 eo ho eo ka anatin'izany ...

2008-12-07

Bangladesh, India: Sary momba ny fiainan'olona serôpôzitifa

Mpanao gazety mpaka sary malaza Bengali Shahidul Alam no manao tamberina ny asan'i Dayanita Singh, mpaka sary Karana iray efa nadrombaka ny amboara tamin'ny fakana sary. Maneho ny "Fiainana serôpôzitifa" mitondra ny tsimok'aretina VIH na “Positive Lives”, fampirantiana ny setriny ataon'ny olona momba ny VIH/SIDA moa izany tamberina izany.

2008-10-18

Madagasikara : Manahy izay mety ho fiantraikan'ny krizy Ekônômika ireo mpiblaogy

Raha tsy mitsaha-mitombo ny krizy, ireo kandida ho filoham-pirenena Amerikana roa lahy, ireo mpitondra Erôpeana sy lohandohany amin'ireo fikambanana iraisam-pirenena dia samy manambara fa voatery ahena ireo fanampiana iraisam-pirenena. Ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa an'i Madagasikara izay mbola mianki-doha fatratra amin'ny fanampiana iraisam-pirenena dia manahy mafy satria manambana ireo ezaka izay ...

2008-09-13

Madagasikara: Manova olona ny mipetraka Andafy

Tamin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Marsa no nanoratan'ny mpahay toekarena William Easterly sy Yaw Nyarko izay nanamarika fa mahatratra 81 isanjaton'ny vola raisin'ny olona mipetraka amin'ny firenena iray Afrikana atsimon'i Sahara ny vola fandefan'ireo nifindra monina.Efa niadian-kevitra tanatin'ny tontolom-bolongana Malagasy ihany koa tany aloha tany ny anjara toeran'ireo Malagasy ...

2008-07-25

Madagasikara: Masoivoho Frantsay voaroaka noho ny vitandratsy

Miady hevitra amin'ny fandroahana ny Masoivoho Firantsay ny mpiserasera Malagasy sy Firantsay. Resaka finoanoam-poana tokoa ve izy ity?

2008-07-14

Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny aditany

Samihafa ny heloka nomen’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Miarinarivo ireo tantsaha 21 avy ao Ankorondrano Analavory (90 km andrefan’Antananarivo) noho ny fiokoana nataon’izy ireo noho ny ady tany nifanaovan’izy ireo tamina tompon-tany iray. Ho fanoheran’izy ireo ny fanalana azy tamin’ny tany izay heveriny fa efa azy ampolony taona izao dia ...

2008-07-08

Shina: Sarkozy ve no fototry ny olam-pifandraisan'i Shina sy Frantsa?

'Fahafahana , Fitoviana, Firahalahiana, mba teny mambabo fo loatra lahy izany! Raha izany ary nahoana no mbola misy lonilony eo amin’i Shina sy Frantsa?'

2008-04-10

Fahalalahàna miteny ,
Governance

Greater Surbiton no manoratra momba ny fifandraisan'ny OTAN sy Rosia: “Raha tsy sahy mifanandrina amin'i Rosia akory ny vondrokerin'ny OTAN, dia mampanontany tena ihany hoe inona moa izany no tena ilàna ny OTAN?” Ary miresaka amin'ny fifandraisan'i Gresy amin'i Makedonia ao amin'ny OTAN ihany koa izy: “Mpikambana bitika tao amin'ny OTAN i Gresy; 130 monja ny miaramilany any Afghanistana - isa mitovy amin'ny an'i Makedonia, tsy mpikambana sady ampahadimy amin'ny isan'ny mponina any aminy.”

2008-04-04

Armenia : An'iza ny fitantanana ny rano ?

Ny blaogin'ny lalàna mikasika ny rano na Water Law Blog dia mamakafaka ny toe-draharaha mikasika ny famatsiana rano fisotro sy ny famalanana rano avy nampiasaina any Armenia, taorian'ny fianjeran'ny firaisan'ireo fanjakana Sovietika sy ny fitsofohan'ireo orinasa Frantsay amin'ny fitrandrahana izany : In Armenia, domestic water supply and sewer services are supplied ...