Global Voices amin´ny teny malagasy » France

Madagasikara: Manova olona ny mipetraka Andafy
Tamin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny volana Marsa no nanoratan'ny mpahay toekarena William Easterly sy Yaw Nyarko izay nanamarika fa mahatratra 81 isanjaton'ny vola raisin'ny olona mipetraka amin'ny firenena iray Afrikana atsimon'i Sahara ny vola fandefan'ireo nifindra monina.Efa niadian-kevitra tanatin'ny tontolom-bolongana Malagasy ihany koa tany aloha tany ny anjara toeran'ireo  Malagasy any ampielezana amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara . Vao niadian'ny mpamaham-bolongana hevitra ihany koa ny fiovan'ny fihetsiky ny Malagasy miaina any Andafy sy ny  fahasimban'ny fifandraisan'izy ireny amin'ny tapaka sy ny namana eto an-toerana.

News2dago no mitantara  ny fitotongan'ny fifandraisana ananany tamin'ny namana tena akaiky azy tany ampianarana satria nifindra nankany Firantsa io namany io:

“Nisy ranamana izay niray dabilio tamiko ary tena akama be mihitsy izy io tany @ taona 1992 tany ho any izahay no nihaona farany rehefa azo moa ny Bacc dia nanam-bitana ranamana ka lasa tany frantsa nanohy ny fianarany. Ny tena moa dia teto @ tanana ihany safidy moa io tsy misy omena tsiny mihitsy. Nivadika teny ihany ny volana sy ny taona tsy dia henoheno intsony ranamana taty aorina fa misy inona ary olona sendra nahalala azy no niteny tamiko oe nanam-bady izy! Ny tena moa manoratra email ihany fa tsy misy valiny intsony e!”

Nampian'i News2dago moa fa afaka nianatra ho any Firantsa ihany koa ny tenany tamin'ny taona 2005 fa rehefa nieritreritra lalina izy dia naleony ihany nijanona. Nambarany ary ny antony: Very be dia be ny fifaneraserana any Firantsa, samy maka ho azy ny olona any, tsy misy namana ilalaovana belaoty intsony, naleony nananganany tetikasa teto an-toerana ihany ny vola tokony nandehanana tany. “Izay no tsara kokoa toy izay tahaka an-dry zalahy manana dipilaoma maro dia maro.”

Hoy manko izy:

“Ny namana taloha ary ity toa mody fanina izany satria niantso azy efa in-3 aho t@ izany fotoana izany dia noraisiny t@ voalohany nandeha ny resaka ary natsidiko ny teny hoe “hibôsy kely any @ lisany any lesy aho raha sitram-po ny Tompo a”, “hay ve hoy ranamana”, “miantso anla ihany aho rehefa tena tapa-kevitra e”. Nanomboka teo dia lasa messagerie vocal foana ny finday-n'ilay ranamana”

Mifandraika amin'izany ihany dia nolazain'i news2dago fa nisy zanaky ny mpiray tampo taminy vavy iray nitodi-doha teto Madagasikara fa hatao mariazy amin'ny namany izay Malagasy ihany koa nifanena taminy tany. Efa niomanany avokoa ny zava-drehetra, hatramin'ny nitondra mpaka sary matihanina avy any Firantsa. Niangavy ny hampiasa ny aterinetony tao an-tranony izy ireo hikarakaran'izy ireo ny fiovana rivotra nankany Mahajangà, ary dia tsy nandalo nanao veloma akory izy ireo rehefa niverina nankany Firantsa indray. Tena manova olona tokoa ny miaina any andafy.

Raha namaly ity tantara ity moa Ravatorano dia nilaza fa tsy ny mpiray firenena monina any andafy ihany no manana izany tsy firaharahiana na mody fanina amin'ny namana izany. Na izany aza dia nolazainy fa  fanajana kely indrindra ny manaja ny olona izay nanampy anao. Namazivazy i Simp hoe: ” Mamindrà fo azy fa olombelona ihany izy… Ny soa atao levenambola hoy izy ary ny ratsy atao loza mihantona.”

lehilahytsyresy indray no manome ny anton'izay mety hanadinoana ilay fisakaizana akaiky izay (mg):

“Rehefa voaporitra mafy ao anaty fiaraha-monina gejain'ny concurrence ady-saritaka isan'andro isan' andro izy, dia normal raha toa ka raiki-tapisaka ao an-tsainy koa izay fomba fisainana “namana-raha-misy-patsa” izay, mba hahafahany mi-survivre. Rehefa avy eo koa anefa, dia tsy afaka intsony ilay toetra ka na dia ny havana koa aza, dia lasa anaovana “havako-raha-misy-patsa”.

Madagasikara: Masoivoho Frantsay voaroaka noho ny vitandratsy
Nanaitra ny mpanatrika ny fankalazana ny 14 jolay ny masoivoho frantsay Gildas Le Lidec eto Madagasikara rehefa nanambara fa handao ny firenena izy raha vao enimbolana monja no niasany:

Je regrette profondément que le président de la République de Madagascar ne m'ait pas accordé la moindre chance pour pouvoir remplir l'exaltante mission dont je rêvais depuis longtemps.

Malahelo tokoa aho fa tsy namela ahy hamita ny iraka mampientanentana nofinofisiko hatry ny ela ny filohan'ny Repobilikan'i Madagasikara.

Tsy mazava loatra ny antony andndefasana ity masoivoho ity. Misy ny mihevitra fa tsy ankasitrahan'ny filoha Marc Ravalomanana loatra ny fahitana matetika an'i Le Lidec any amin'ny firenena nisiana korontana.  Tany Kinshasa, renivohitry ny Repobilika demokiratikan'i Kôngô, indrindra i Le Lidec tamin'ny Oktobira 2000, raha nisy namono i Laurent-Désiré Kabila, ary tany Cote d'Ivoire nandritra ny 2002 ka hatramin'ny 2005, raha nisy ny mpioko mitam-piadiana namely an'i Laurent Gbagbo.

Angamba manoatra noho ny kisendrasendra ny niasan'i Le Lidec nandritra ny vanim-potoana niasany tamin'ireo fotoana nampihotakotaka ireo, ka nahatonga ny mpanao gazety akaiky ny fitondrana haminavina ny fikasan'i LaFirantsa atao eto amin'ny Nosy Mena:

Il vient pour tuer le President.

Tonga hamono ny filoha io.

Mailaka hanimbazimba ny tsy fitiavan-dravalomanana an'i Gildas Le Lidec kosa ny gazety Firantsay manilika azy ho amin'ny finoanoam-poanan'i Filoha Malagasy:

La raison de la défiance dont est victime le diplomate tient, selon les responsables français, à la personnalité du président Ravalomana, “un homme jeune à la fois moderne et superstitieux, voire arriéré.

Araka ny lazain'ny tompon'andraikitra Firantsay, dia ny toetra mahaizy azy ny filoha Ravalomanana no nahavoa an'ingahy dipilaomaty, [ny filoha izay] “tanora, sady tia fandrosoana no minomino foana, tratra aoriana e!”.

Sylvain Ranjalahy, mpanao gazety malagasy kosa, mahita avy amin'ity toe-javatra ity ny fahatapahan'ny fifandraisana eo amin'ny malagasy sy Firantsay. Saingy tsy aseho vahoaka moa amin'ny ankapobeny ny vaovao tahaka izany, ampangain'ny masoivoho firantsay ny filoha Malagasy ho manao izay hankahalana azy.

Maro any amin'ny tontolom-bologana Afirikana no toa mitovy hevitra amin'ny filoha Ravalomanana amin'ity masoivoho Firantsay ity ka anisan'izany ny mpamaham-bolongana Ivoariana Théophile Kouamouo:

Le Lidec semble étonnamment présent quand les présidents se font tuer, ou vivent des tentatives d'assassinat, surtout dans les pays où la France est potentiellement fortement impliquée.

Mahavariana tokoa fa tsikaritra any amin'ny toerana ahafatesana filoha na tratran'ny fikasana hamono filoha hatrany ity Le Lidec ity, indrindra moa fa any amin'ny firenena manana anjara toerana lehibe i Firantsa.

Ny hafa kosa mahita fa mbola taratry ny fahaverezan'ny henatra sy ny tahotra ananan'ny mpitondra afirikana ny nanjanaka azy taloha izao “fandroahana” ny dipilaomaty fratsay izao. Mampivoitra izany ny hevitra nabosaky Rakoto, mpamaky iray any eto Madagasikara, ho valin'ny filazan'i Kouamuo:

… ça discréditait un président que n'apprécient guère certains milieux.

Un journal français l'a même traité “d'arriéré”. Que diraient ces “vazaha” si notre Presse utilisait des qualificatifs équivalents à l'égard de leurs hommes d'Etat ? Une mentalité raciste et méprisante n'a pas été éradiquée chez les anciens colonisateurs et certains compatriotes psychologiquement “aliénés ” leur emboîtent hélas triomphalement le pas.On a donc mis sur le dos du président Ravalomanana, à qui on ne pardonne pas non plus l'utilisation de la langue maternelle dans l'enseignement primaire, ce qui est une querelle franco-française ; Ce faisant, on se défausse de ses turpitudes sur quelqu'un qui, pour le moment, n'a pas rejoint la “France-Afrique”. Ce qui est clair c'est que, dans le départ de l'ambassadeur, ni la superstition, ni le côté arriéré de notre président ne sont en cause.

“…manala baraka ny filoha tsy tia vondrona sasany izao. Milaza azy ho olona tratra aoriana mihitsy aza moa ny gazety firantsay iray. inona no holazain' ireny “vazaha” ireny raha mba tenenina tahaka izany ny mpitondrany? Toe-tsaina mpanavakavaka sy mpanambanimbany tsy afaka amin'ireo mpanjanatany ary arahin'ireo vahoakany “adala”. Ampangainy ny filoha Ravalomanana, izay tsy ekeny ihany koa ny anaovana ny teny ibeazana ho lasa ampanarana indray any amin'ny ambaratonga fototra, ho fototry ny disadisa Firantsay sy malagasy.  Amin'io lafiny io dia diso ny toraka atao amina olona iray izay tsy miditra amin'ny vondrona “France-Afrique” aloha amin'izao. Ny mazava aloha izao dia sady tsy ny finoanoam-poanan'ny filoha no tsy lafiny mahatratra aoriana ny filoha no antony nandroahana ny masoivoho.

Nanako tamin'ity mpiserasera iray ity ao amin'ny Serasera Forum ny tsy itokisany ny filoha ho manana andraikitra ratsy ( voampanga) :

Raha tena i filoha hajaina marina no nitondra ity baolina ity, nahoana kay no ingahy Ambasadaoro no nampilAza azy voalohany t@ mpanao gazety, ARY t@ andron'ny fety nasionaly firantsay? Mahagaga!!!

Raha tena i filoha hajaina marina no tena mazana t@ ity aferafera ity, nahoana ingahy zokinibe Ramarisely toa nihanahAna sahala @ zanak'Akoho natelindrRamenarana t@ io fotoana io? Io ihany dia efa manambara amiko fa TSY nampoizin'ingahy zokibe Ramarisely ity fanambarAna nataon'i ambasadaoro ity.

Mpiserasera Firantsay iray, namaly ny lahatsoratry Le Monde, “Masoivoho Firantsay voaroaka fa manimba vintana,” no milaza fa tokony ho voasoroka izany:

“Pour autant, si la raison est vraiment un problème de superstition, c'est une faute de notre diplomatie de ne pas l'avoir prise en compte lors de la nomination de notre représentant. Tout ceci n'enlève rien à son talent, bien entendu. Tout simplement une erreur de “casting”

“Raha tena resaka finoanoam-poana no antony, dia hadalan'ny dipilaomasiantsika ny tsy nieritreritra izany fony nannendry solontena.  Tsy manala ny fahaizana aman-talentany izany fa fahadisoan-toerana ametrahana olona fotsiny.”

Fa mpamaky iray ao amin'ny Le Monde iray hafa koa dia maminavina fa mbola fiantraikan'ny sotasota nataon'ny mpiasam-panjakana Firantsay an-dRavalomanana tamin'ny androny ihany izao:

Peut-être faut-il aussi rappeler le sentiment anti-français du président malgache. Peu de gens savent que ce sentiment est né alors que le Président actuel n'était qu'un petit industriel et qu'il s'est vu maltraité par le consulat lors d'une demande de visa. Faut-il aussi rappeler les sarcasmes entendus dans la bouche de nos diplomates toujours si arrogants lorsque ce petit industriel devenu plus grand a accédé à la mairie de Tananarive. Et nos diplomates continuent de railler…

Tsara ihany koa ny mampahatsiahy ny tsy fitiavan'ny Filoha Malagasy ny Firantsay. Vitsy ny mahalala fa nipoitra avy amin'ny tsy nahazoany visa avy amin'ny ambasady mihitsy izany fony ny filoha ankehitriny mbola mpandraharaha madinika. Tsara ihany koa ny mampahatsiahy ny fanevatevana nataon'ny dipilaomatintsika tamin'ilay mpandraharaha madinika lasa vaventy reehefa lasa Ben'ny tanànan'Antananarivo izy. Ary dia mbola miantsanatsambava ihany ny dipilaomatintsika…

Fa mbola misy ihany fanadrohadroana mikasika ny “mahatratra aoriana” ny fiarahamonina Afirikana:

L'horoscope de l'ambassadeur était en contradiction avec celui du président malgache ? Mon Dieu ! Mon Dieu ! L'Afrique est bien sur la voie du modernisme ! Aucun doute …

Tsy mifananmbina amin'ny filoha malagasy hoe ny masoivoho? Andriamanitro ô! Andriamanitro ô! tsy isalasalana fa mankany amin'ny fandrosoana tokoa i Afirika…

Fanamelohana ho faty ireo tantsaha malagasy noho ny aditany
Samihafa ny heloka nomen’ny Fitsarana ambaratonga voalohany tao Miarinarivo ireo tantsaha 21 avy ao Ankorondrano Analavory (90 km andrefan’Antananarivo) noho ny fiokoana nataon’izy ireo noho ny ady tany nifanaovan’izy ireo tamina tompon-tany iray. Ho fanoheran’izy ireo ny fanalana azy tamin’ny tany izay heveriny fa efa azy ampolony taona izao dia nifandona tamin’ny mpitandro ny filaminana tonga hanaisotra azy ireo avy amin’ny tany niadiana ireo tantsaha ireo. Niafara tamina fahafatesana mpitandro filaminana 2 sy vehivavy 1 anisan’ny fokonolona moa izany gidragidra izany.

Efa nivoaka 8 volana lasa izay ny didim-pitsarana saingy ny fanentanana samihafa hamotsorana ny helok’izy ireo no nampiverina indray ity raharaha ity hanaitra ny fifantohan’ny olona. Hita an-tserasera amin’ny alalan’ny dinika sy ny bolongana moa ny adihevitra momba izany.

Fa mialoha ny itaterana ireo fijery samihafa ireo, dia ilaina aloha ny mampahafantatra ny voalazan’ny lalàna (na ny ara-dalàna) nahatonga ny fifandirana.

Araka ny voalazan’ny  L’Express de Madagascar dia mpandraharaha iray no tompon’ilay tany mirefy 172 ha izay novidiany hananganana tetekasam-pampandrosoana iray (loharanom-baovao tsy voamarina no nilaza fa hanaganana toeram-pialam-boly ilay izy). Na izany aza, dia efa nanamainty molaly ny tany ireo tantsaha ireo hatramin’ny taona 70 rehefa tsy fantatra mazava intsony ny mombamomba ny tena tompontany ara-dalàna.

Toy izao manaraka izao ny fanamelohana azon’ireo tantsaha 21 ireo: 12nomelohina ho faty, 6 voasazy hiasa anterivozona 12 taona, 1 migadra herintaona ary ny 1 hafa kosa herintaona sazy mihantona.

Mpiserasera iray,  Raharimbahoaka Andriahobijaona, no manazava ao amin’ny takelaka facebook mangataka ny hamotsorana ny helok'ireo tantsaha ireo fa efa nanasonia ny fehinkevitra hanafoanana ny fanamelohana ho faty (natsangana tamin’ny 1958 teto Madagasikara) ao aminy i Madagasikara na dia mbola tsy voaisotra ao amin’ny Lalampanorenana aza izany, ny fanamelohana ho faty 53 nodidiana hatramin’io fotoana io tokoa manko dia « niofo » ho figadrana mandrapahafaty. Hoy izy nandresy lahatra (fr):

“ devant la justice, vu les faits et les preuves, les riches ont presque toujours gain de cause. La justice n'est pas mal faite, mais certaines lois sont dépassées et ne correspondent plus au monde actuel.[..]Le vrai problème est que le foncier dans la tradition malgache reste un héritage culturel.”

Eo anatrehan’ny fitsarana, raha jerena ny zavamisy sy ny porofo, dia ny mpanambola hatrany no mahazo rariny. Tsy fahadisoan’ny fitsarana izany, fa misy kosa ny lalàna efa nilaozan’ny toetr’andro ankehitriny […] ny tena olana dia lovankolontsaina [mifandaka amin’ny fanontoloana] ny raharahan-tany  eo amin’ny fombandrazana malagasy.

Nampiany koa hoe:

“Utiliser la presse étrangère, la diaspora malgache et tous les médias dont on disposent est, je pense, très utile. Car à notre ère, la présidence suit de très près ce qui se passe au pays et ailleurs. Ce qui compte c'est la manière et la façon dont on s'y prend pour agir. Nous devons respecter la loi en vigueur tout en négociant pour pouvoir trouver ce qu'il convient de faire sur le moment.”

Ilaina tokoa araka ny eritreritro ny mampiasa ny gazety vahiny, manetsika ny malagasy ampielezana ary ny fampahalalambaovao rehetra. Satria manaraka akaiky izay mitranga eto an-toerana sy any ankafa ny ao amin’ny fiadidiana ny repobilika. Ny fomba sy ny soritra ihetsehana no tena zavadehibe. Tsy maintsy manaja ny lalàna isika eo ampiraharahana izay tokony atao amin’izao fotoana izao.

Efa natao ny fanangonantsonia hanafahana ireo tantsaha ireo ary efa natolotry  French Association for friendship and solidarity with the African People na Association Française d’Amitié et de Solidarité avec le Peuple Africain (AFASPA na Fikambanana Frantsay Minamana sy Miray Hina amin’ny Vahoaka Afrikana) ny filoha Marc Ravalomanana sy ny Minisitry ny Fitsarana Bakolalao Ramanandraibe Ranaivoharivony.

Ny tena nampakaran’ireto mpanohana ny hanafahana ny tantsaha malagasy ireto ny feony dia ilay didy eo anatrehan’ny fahasarotan’ny tantaran’ny aditany miraikitra amin’iny faritra iny. Nohazavain’Atoa   Jean Razafindambo fa ny vanim-potoanan’ny fanjanahantany no tena nampiteraka ny savorovoro raha heverina izay tena tompon’ny tany ankehitriny. Nanolotra izao vahaolana izao ny lehilahy (fr):

“Le dialogue ne devrait-il pas toujours primer sur la répression dans un litige foncier? [..]L'Etat de Madagascar devrait racheter ces hypothèques à leurs justes valeurs actuelles et effectuer une réforme agraire en bonne et due forme qui tient compte des facteurs historiques et non juste des archives héritées de la colonization”

Moa tsy ny fifanakalozankevitra no mamamaika kokoa noho ny famaizana raha aditany no resahina ? […] Tokony hividy ireo tany antoka ireo amin’ny vidiny ara-drariny ny Fitondrana eto Madagasikara ary hanavao ny fizakantany tokoa sady handray ho zavadehibe ny lafiny tantara fa tsy izay tahirinkevitra nolovaina tamin’ny fanjanahantany ihany.

Shina: Sarkozy ve no fototry ny olam-pifandraisan'i Shina sy Frantsa?
Ekeko tokoa fa aingampanahy avy amin’ny GVO Lingua ity lahatsoratra ity. Ho avy hanatrika ny lalao olaimpika RaBush, ny fanapahan-kevitry ny Filoha frantsay Nicolas Sarkozy kosa dia miankina amin’ny vokatry ny fifampidinihana eo amin’ny Beijing sy ny Dalai Lama, mandeha amin’izao fotoana izao. Mandra-piandry izany ary, maro amin’ny mpiserasera Shinoa no miteny amin’ i Sarkozy tsy ho lany andro hanatrika izany.

Nitsikera ny Filoha frantsay Sarkozy noho ny fitsapatsapana te-hanatsara nefa mikaviavia ny fifandraisana eo amin’ny Shinoa sy ny Frantsay tamin’ity herinandro ity ny masoivohon’ny  Wen Wei Po ao Paris Atoa Zheng Ruolin mikasika ny heviny momba an’i Tibet raha nanasonia lahatsoratra nosoniaviny hoe ‘Mpanao gazety Shinoa’ hita ao amin’ny Rue89.com. Raha nahita izany ny mpamaham-bolongana ao amin’ny Sohu ‘Cai Xiongshan’ dia nandika ny maro tamin’ny filazan-kevitra (Mpamaham-bolongana ao amin’ny Sohu tokoa manko i Zheng btw  ) ho amin’ny teny Shinoa, ary indreto misy vitsy atolotra anao:

21H54 05/07/2008

Avec sa politique bling-bling-n'importe-quoi, Sarkozy va nous facher avec toute la planète.

以萨科奇的浪子策略，他会激怒全球。

Mandrangitra an’izao tontolo izao i Sarkozy amin’izao dridradridram-politika tsy misy dikany ataony izao.

21H59 05/07/2008

Liberté, Égalité, Fraternité vous y croyez vous ?

je suis français et cela fait bien longtemps que je n'y crois plus, c'est comme le père Noël.

自由，平等，博爱，你相信吗？我是法国人，我很久不相信了，这就像圣诞老人。

Fahafahana e, Fitoviana e, Firahalahiana e, mino an’izany ve ianareo? Frantsay aho fa efa ela no tsy ninoako izany intsony, tahaka an’i dadabe noely e.

M Zheng,

je pense comme vous qu'à force de vouloir jouer sur la corde raide, Sarkozy va réussir à mécontenter tout le monde.

Là où je ne vous suis plus c'est votre conviction que l'opinion Chinoise puisse avoir une influence sur l'opinion Française.

Rappelez vous, lors de l'opposition de Paris à la guerre en Irak, les Américains furent très mécontents de l'attitude Française et on a vu se monter une campagne anti-Française au USA. Malgré cela, si Chirac a eu des mauvais sondages ce n'est certainement pas parce qu'il avait mécontenter les Américains.

En ce qui concerne les touristes Chinois, s'il ne voulaient vraiment ne plus venir en France, on comprend mal alors le pourquoi de ce boycotage officieux de la destination Française sous la pression des autorités Chinoises ? Il s'agit là d'une maneouvre d'intimidation indigne d'une nation qui doit acceuillir les Jeux Olympiques.

Je terminerai sur l'arrogance de vos propos : “Ils veulent du travail, l’augmentation du pouvoir d’achat, la maitrise de l’inflation… Et c’est la Chine qui peut leur apporter tout cela et personne d’autre.”

Il ne faudrait pas que la Chine se fourvoye dans cette illusion. Incapable de maitriser son environnement, elle se croit capable faire la pluie et le beau temps de nos economies, j'ose esperer que cela n'est que votre point de vue.

郑先生，我和你一样认为萨科奇在走钢丝，他将激怒所有人。我所不同意的是你确信中国舆论将影响法国舆论。

提醒您，在伊兰克战争时，美国人对法国人态度很不满意，我们看到一场反法运动在美国。尽管如此，如果当时希拉克的民意调查支持率很低，但那明显不是因为他让美国人不高兴。

关于中国旅游者，如果他们真的不愿来法国，我不能理解为什么中国官方施压抵制法国作为旅游地呢？这是一个即将迎接奥运的国家的恐吓手段。

我以您高傲的言论结束：“他们要工作，提高购买力，控制通货膨胀，中国可以带给他们而不是别人。”中国不应该如此自我陶醉而迷路。目前中国对其环境恶化无能为力，却自信能控制其经济，我斗胆希望这不仅仅是您的观点。

Atoa Zheng,

Tahaka ny anao ihany koa ny eritreritro hoe hahatezitra ny rehetra ny filoha Sarkozy raha mbola manohy izao lalao mampidi-doza ataony izao.

Ny tsy itovizako hevitra aminao intsony kosa dia ny faharesen-dahatra ao aminao fa misy fiantraikany amin’ny hevitra ankapoben’ny frantsay ny hevitra shinoa.

Tsarovy fa tamin’ny nanoheran’i Paris ny ady tany Iràka dia tezitra aok’izany tamin’ny fihetsiky ny frantsay ny Amerikana ary nahitana fanaratsiana Frantsay tany Etazonia. Na teo aza izany, raha ambany ny tahan’ny fanohanana an’i Chirac tamin’izany fotoana izany, ny noho ny nataony nampahatezitra velively ny Amerikana tsy akory.

Raha momba ny mpizahatany Shinoa kosa, raha toa tokoa moa ka tsy te-hankany Frantsa intsony ry zareo, fa ny tsy azoko loatra nahoana no manery ankolaka ny hanao ankivy ny fahatongavana any Frantsa ny fitondrana Shinoa. Fihetsika tsy mendrika ny firenena handray ny Lalao olaimpika kosa izany amiko.

Hamarana azy aho amin’ny eboebonteny ataonao: “Mila asa izy ireo, mila ny fampakarana ny fahafaha-mividy, mila ny fifehezana ny sondrom-bidim-piainana…Ary Shina irery ihany no afaka mitondra izany ho azy ireo fa tsy misy hafa.”

Aoka i Shina tsy hijabaka ho amin’izany fahadisoam-pijerena izany. Tsy mahafehy ny tontolony akory ka hino fa afaka manao izay tiany atao amin’ny toekarenanay,  manantena aho fa fomba fijerinao samirery izany.

01H02 06/07/2008

Cher Daniel,

Je pense que dans notre ère mondialisée, les opinions d’un peuple influenceront tôt ou tard un autre, car les informations sur le net n’ont vraiment plus de frontières, et avec nos bonnes volontés et nos sincérités, nous arriverons à vous montrer et démontrer que la réalité du Tibet et de la Chine n’est pas ce qu’on voulait vous faire croire ! La France est quand même le pays de Voltaire, et de Rousseau, elle devait avoir un esprit suffisamment large pour écouter et comprendre les autres civilisations, et pas les rejeter sans connaître réellement la vérité ! J’ai vécu 15 ans ici, et vous voyez, certains (peut-être mes anciens compatriotes) m’accusent encore « ne connaît rien sur votre pays ». Alors je me demande combien de gens ici ont déjà posé le pied sur le sol de mon pays ? Donc expliquer, et discuter dans un esprit égal et ouvert, ça sert toujours quelques choses, et un jour quand un jeune Français connaît le système féodal-servage du Tibet sous la règne de dalaï-lama, on comprendra qui est contre la réforme démocratique en 1956… Et tous les événements depuis s’expliquent automatiquement !

Concernant Ils veulent du travail, l’augmentation du pouvoir d’achat, la maitrise de l’inflation… Et c’est la Chine qui peut leur apporter tout cela et personne d’autre.” C’est vrai, vous avez raison, je suis maladroit, en pensant provoquer un débat il vaut mieux des piques qu’un verre d’eau tiède, je blesse à mon tour les Français, je m’excuse sincèrement ! Mais pour un simple citoyen, c’est une chose, pour un président de la République, il faut agir dans l’intérêt du peuple, non ? Pour les touristes chinois, le gouvernement ne peut qu’interdire les fonctionnaires d’état de venir en France, mais pas d’individus.

Merci pour votre mise en garde, je ferais attention.

亲爱的丹尼尔

我想在我们这个全球化的时代，异国民众舆论或早或迟影响其它国家，因为网上信息传播没有国界。怀着美好愿望及真诚，我们会向你们展现真实的西藏，中国也不 仅仅是我们曾想让你相信的中国。法国是伏尔泰的国度，卢梭的国度，她应该有足够的气质去聆听和理解其它的文明，而不是在一无所知的情况下排斥。我在这里生 活了15年，您看，有人指责我还是“对你们的国家一无所知”。我问自己你们多少人足迹到过我的祖国？所以，应该在一种平等和开放的精神下解释，讨论，这样 或多或少有用，当有一天法国年轻人明白在达赖喇嘛统治下的西藏农奴制度时，人们就会明白是谁反对1956年的民主改革，所有的一切就会不证自明。

关于我说的“他们要工作，提高购买力，控制通货膨胀，不是其它而是中国”对，您有道理，我很愚笨的认为激起这样一场辩论用锋芒毕露比一杯温水好，我 伤害了法国人，我真诚道歉。但最为一个简单的国民，是一回事，最为一国之总统，应该以人民利益行事？不是吗？作为中国旅游者，政府紧紧只限制国家公务员来 法国，并没有禁止个人。

Atoa Daniel,

Mino aho fa amin’izao vanimpotoanan’ny fanantoloana iainantsika izao, dia hisy fiantraikany amin’ny vahoakan’ny firenena hafa ihany ny hevitry ny vahoaka iray, efa tsy misy fizarantany tsy azo ihoarana loatra anie ny fivezivezen’ny vaovao amin’ny aterineto e, ary  ho voasehonay sy ho voaporofonay aminareo ihany noho ny fahatsorana sy ny ezaka ataonay fa tsy araka izay tadiavina ampinoana anareo ny zavamisy any Tibet sy Shina. Tany nipoiran’i Voltaire sy i Rousseau ihany i Frantsa, Tokony hisokatra tsara ny masony mba hihainoany sy hamantarany ny riba hafa, mba tsy hanilika avy hatrany tsy mahalala ny marina akory ! 15 taona no niainako teto, ary hitanao fa, maro (angamba ny mpiray tanindrazana amiko taloha) no miampanga ahy ho tsy mahalala na inona na inona amin’ny firenenareo. Ka manontany tena aho hoe firy amin’ny olona eto moa no efa nandia ny fireneko. Noho izay, misy ilana azy mandrakariva ny manazava, ny miady hevitra ao anaty fahalalahantsaina, raha misy tanora frantsay iray niaina tambanin’ny fanompoana nandritra ny fitondran’ny Dalai Lama, dia ho tsapany ny fanavaozana demokratika nitranga tamin’ny taona 1956… Ary mifanjohy hatreo ny fanazavana rehetra !

Raha ny momba ny hoe mila asa izy ireo, mila fampakarana ny fahafaha-mividy sy ny fifehezana ny sondrom-bidim-piaiana… Ka i Shina no afaka mamaha izany fa tsy misy hafa.  Marina ny hevitrao, nikaviavia aho, nieritreritra ny hanainga adihevitra dia naleo tsindrotsindrona toy izay nanome rano matimaty iray vera, nanevateva ny Frantsay koa aho ka tena ialako tsiny be dia be ny amin’iny ! Raha ho an’ny olotsotra iray dia safidy izany, fa ho ana Filohana Repobilika kosa, moa tsy ho amin’ny tombotsoam-bahoaka no iasany ? Momba mpizaha tany Shinoa kosa, tsy afa-mandrara afa-tsy ny mpiasam-panjakana tsy hankany Frantsa ny fitondrana, fa tsy ny rehetra.

Misaotra amin’ny fampitandremana fa hitandrina aho amin’ny manaraka.

09H05 06/07/2008

Dans les pays dits “non démocratiques”, la plupart des

gens savent qu'il y de la propagande officielle

Par contre dans un pays dit ‘démocratique”comme la France, la plupart des gens croient qu'il n'y a pas de

propagande officielle ! mais c'est pire , c'est plus vicieux, car “la propagande”est distillée par les médias à la solde de gros groupes financiers !

Enfin , soyons fiers de nos médias français indépendants et donnons des leçons à la Chine !

在一个 非民主国家，大部分人知道有官方宣传。相反，在一个所谓的民主国家，如法国，大部分人认为没有官方宣传。这更糟糕，更缺陷，因为宣传被支持媒体的财团所控制。

最后，为法国的媒体独立而自豪吧，给中国人上课！

Fantatry ny maro fa misy ny fampielezankevitra ofisialy atao any amin’ny firenena lazaina fa tsy demokiratika. Maro koa ny mino fa tsy misy izany fampielezankevitra ofisialy izany any amin’ny firenena lazaina fa demokiratika ! nefa ny tena ratsy, sy tena mampidi-doza,  ny vondrona fampahalalam-baovao miankina amin’ny vondron’ny mpanankohariana no tena « manao fampielezankevitra ».

Ary farany, Aoka hireharehantsika ny fahaleovantenan’ny fampahalalam-baovao frantsay ka omeo lesona i Shina!

12H10 06/07/2008

C'est assez drôle, quand Mr Zheng Ruolin exprime son avis, on lui rappelle tout de suite que la Chine n'est pas la France, et quand France, on peut critiquer allégrement le Président sans rien risquer.

Mais il y a quelque chose que je ne comprends pas, bien que je lise et que je relise cet article et tous ceux traitant plus ou moins du même sujet : pourquoi les relations entre la France et la Chine passionnent-elles tout le monde à ce point? Ca frise l'hystérie. Peut-être parce qu'en France nous avons de belles valeurs, de beaux idéaux, une Révolution dont on oublie souvent le caractère sanguinaire ? Peut-être à cause des restes de l'ancienne politique néo-colonialiste, qui fait que les pays européens et la France en particulier aiment à rappeller à tout bout de champ à quel point nous sommes sages et démocrates ?

Et puis, pourquoi taper à ce point sur la France (qui l'a peut-être un peu cherché) quand il y a pas si longtemps à l'échelle de l'Univers les Anglais ont déclenché une guerre en Chine pour contrôler les routes de l'opium ?

很奇怪，郑先生发表他的观点，我们提醒他中国不是法国，在法国我们可以激励批评总统而没有任何危险。

但有些东西我不理解，虽然我重复读了这篇文章，或多或少是一个主题：“为什么中法关系如此让所有人热衷呢？”到了杰斯蒂里的地步。可能因为在法国，我们有好的价值，我们的思想，我们的大革命。可能由于殖民历史，让欧洲国家及法国尤其喜欢回忆起我们的明智和民主。

然而，为什么这一点紧紧抓住法国呢？英国不是对中国发动了鸦片战争为了控制鸦片输入吗？

Mampihomehy ihany rehefa manome ny heviny Atoa Zheng, tsapa avy hatrany fa tsy Shina akory Lafrantsa, fa eto Frantsa anie azo atao ny mitsikera tsy amin’ahiahy ny filoha. Fa ny tsy azoko hatramin’izao na dia mamerimberina ny mamaky ny lahatsoratra mitovy lohahevitra aza aho : Fa maninona no manintona ny olona tahaka izao ny fifandraisan’i Frantsa sy Shina ? Efa manakaiky ny firediredena izy ity. Angamba manana soatoavina tsara izahay eto Frantsa tsara, manana tarigetra nahafinaritra, nisy revolisiona izay adino ny endrika ra mandrika nananany teto ? Angamba noho ny fisian’ny farasisan’ny politikam-panjanahana amin’ny endriny vaovao, izay mahatonga ny firenena eoropeana sy Lafrantsa indrindra indrindra mamerimberina amin’ny rehetra manerana ny vazantany hoe hatraiza moa ny fahendrenay sy ny fanajanay ny hevi-bahoaka ?

Koa nahoana moa no midaroka an’i Frantsa tahaka izao? Fa angaha moa tsy Angiletera no nanangana ady tamin’i Shina hifehezany ny lalan’ny Rongony?

22H57 05/07/2008

Monsieur Zheng,Je suis abusolutement d'accords avec vous!Sarkozy doit reflechir.Il ne faut pas toujour traiter les affaires chinoises dans une maniere francaise.Aujourd'dui,la Chine,est capable de dire “non” dans le monde,pourquoi pas?!

Cest vrais,La Chine a beacoup de problemes,mais la Chine s'ameliorer toujours. Il faut fair les francais connaitre mieux la Chine ,sinon,ils pensent que la Chine est toujour a l'epoque de Mao.

Je suis alle a l'universite a paris pour communiquer avec les etudiants .Il y a des etudiants qui ne savent pas ou es tibet sur le plan de la Chine,mais lls parlent Tibet comme specialistes.Ce n'est pas responsable!

Liberté, Égalité, Fraternité on veut bien ,mais il ne faut pas jouer double jeu au nom de Liberté, Égalité, Fraternité .

Le peuple chinois ne accepte jamai ca !

郑先生，我完全同意你的观点，萨克奇应该反省下。不能总是用法国人的方式来看待中国问题。今天，中国有能力说“不”，为什么不呢？

是的，中国有很多的问题，但中国一直在改进。应该让更多的法国人了解中国，否则，他们都以为中国还是处于毛泽东时代。

我曾经去法国大学和大学生交流，有的学生都不知道西藏在中国地图哪里，但谈起西藏问题就像专家一样，这是不负责任的。

自由，平等，博爱，我们中国人也想要。但不应该以自由，平等，博爱之名去耍政治手腕。中国人民决不接受！

Atoa Zheng, tena mitovy hevitra aminao tanteraka aho ! Tokony hieritreritra i Sarkozy. Tsy hoe tsy maintsy atao amin’ny fomba fanao frantsay hatrany ny fikarakarana ny raharaha shinoa. Ankehitriny efa afa-mametraka ny « Tsia » eto amin’izao tontolo izao i Shina, Nahoana ?

Ekana fa manana olana maro i Shina, saingy afa-mivoatra hatrany i Shina. Tsy maintsy atao izay hahalalan’ny Frantsay kokoa an’i Shina, fa raha tsy izany dia mbola hieritreritra izy fa toy ny tamin’ny andron’i Mao hatrany i Shina.

Nankany amin’ny Anjerimanontolo tany paris aho hifandray tamin’ny mpianatra. Misy ny mpianatra tsy mahalala akory hoe aiza ho aiza ao Shina i Tibet, nefa dia sahy miteny an’i Tibet ho tahaka ny mpahalala manokana momba azy. Tsy matotra izany ! Fahafahana, Fitoviana, Firahalahiana tena ilaina tokoa fa tsy tokony hanaovana hevitra ambadika ny Fahafahana, Fitoviana, Firahalahiana. Tsy hanaiky izany velively ny vahoaka Shinoa!

Ary ity kosa dia iray amin’ireo hevitra mihoatra ny 140 hita ao amin’ny lahatsoratry Xiongshan:

自由、民主、博爱，多么令人陶醉的字眼！可是，这和一个国家和民族的发展和文化传统相关。如果不是8过联军的入侵，如果没 有列强的瓜分，如果没有那么多的赔偿，那么自由、民主、博爱可能我们早已经走在了他们的前面。难道他们忘记了自己曾经是怎样的一个不知道羞耻的侵略者吗？ 拿走我们的黄金白银，然后给我们鸦片，是我们的民族饱受压迫和饥饿，屈辱、落后曾经和我们相伴那么久，难道是我们自己的过错吗？我们的人民生活刚刚走向繁 荣富强的道路，也是我们努力勤奋的成绩。他们就说三道四，为什么呢？他们害怕什么呢？难道这就是他们的“自由、民主、博爱”的象征吗？这就是他们的“人权 宣言”吗？我不明白这是怎样的一个逻辑？都不知道《诗经》是那朝那代，却对它的内容大加歪曲评判，不知道我们的西藏在中国的什么地方，却对其历史和地位枉 加评说，不觉得可笑吗？这是标准的强权政治的产物！

Fahafahana, Demaokirasia ary Firahalahiana, Teny mba mambabo fo loatra! Saingy, miankina be dia be amin’ilay firenena io sy ny fivoarany ary ny riban-kolontsainy. Raha tsy nisy ny fananiham-bohitra nataon’ireo fahefana valo niara-dia, raha tsy voazarazara ny Fahefana, raha tsy be  loatra ny onitra, dia angamba mba nahazo ny Fahafahana, Demaokirasia ary Firahalahiana talohaloha kokoa izahay. Adinondry zareo mihitsy angaha fa efa tsy menatry ny nanani-bohitra koa izy ireo ? Efa nalainy ny volamenantsika sy ny volafotsintsika ary zava-mahadomelina no natakalony izany ho antsika ? Izany no antony nahatonga ny vahoaka ho voageja, kere, afa-baraka ary tratra aoriana nandritra ny fotoana elaela raha miohatra amin’ireo mpifanolo-bodirindrina amintsika. Koa azontsika heverina ho fahadisoantsika ve izany ? Efa eo amin’ny lalan’ny fivelarana sy ny fahafenoankarena ny vahoakantsika amin’izao fotoana izao, mijinja ny vokatry ny asa mafy sy ny fahakingantsika. Mirediredy fotsiny ireny, nahoana hoy ianao? Inona no atahorany ? Sa izany no ataony hoe « fahafahana, demaokirasia ary Firahalahiana?” Sa izany no “fanambarany ny zon’olombelona ”? Izay fahamarinana izay mihitsy no tsy azoko. Tsy fantany akory hoe nandritra ny fiankohonam-panjakana iza na tamin’ny vanim-potoanan’ny inona no nivoahan’ny Bokin’ny Antsa , fa azony atao tsara aloha ny mandray diso sy mitsikera izay ao anatiiny e ! Tsy fantany akory hoe aiza ho aiza ao amin’ny sarintanin’i Shina no misy an’i Tibet, fa afa-mamadika ny tantarany izy ary mandiso ny toerana misy azy. Moa va tsy mahatsikaiky izany ? Izany no votoatin’ny realpolitik!

Eoropa: OTAN
Greater Surbiton no manoratra momba ny fifandraisan'ny OTAN sy Rosia: “Raha tsy sahy mifanandrina amin'i Rosia akory ny vondrokerin'ny OTAN, dia mampanontany tena ihany hoe inona moa izany no tena ilàna ny OTAN?” Ary miresaka amin'ny fifandraisan'i Gresy amin'i Makedonia ao amin'ny OTAN ihany koa izy: “Mpikambana bitika tao amin'ny OTAN i Gresy; 130 monja ny miaramilany any Afghanistana - isa mitovy amin'ny an'i Makedonia, tsy mpikambana sady ampahadimy amin'ny isan'ny mponina any aminy.”

Armenia : An'iza ny fitantanana ny rano ?
Ny blaogin'ny lalàna mikasika ny rano na Water Law Blog dia mamakafaka ny toe-draharaha mikasika ny famatsiana rano fisotro sy ny famalanana rano avy nampiasaina any Armenia, taorian'ny fianjeran'ny firaisan'ireo fanjakana Sovietika sy ny fitsofohan'ireo orinasa Frantsay amin'ny fitrandrahana izany :

In Armenia, domestic water supply and sewer services are supplied either by local municipalities or State owned stock companies.

The State’s report in support of its privatization conclusion makes an all or nothing conclusion: In order to provide efficient and cost effective water services to all Armenia, private companies should provide water throughout Armenia, both in urban and rural areas. While the report recognizes that individuals can be self supplied by wells, it fails to mention or address the effectiveness of self-regulated and owned small community water associations.

Any Armenia, eo am-pelatanan'ireo rafitra fitondram-panjakana na ireo orinasa izay ambany fiadidian'ny fanjakana ny fitantanana ny famatsiana rano fisotro sy ny famalanana rano avy nampiasaina.

Ny valin'ny fanadihadiana nataon'ny fanjakana izay mitarika any amin'ny fialan'andraikitry ny fitondrana fa fivarotana izany amin'ny orinasa, dia manao fehinkevitra karazany “na alaivo daholo na ialao” [tsy misy marimaritra iraisana] : Mba hahatomombana ny fitantanana sy ny tolotra rano fisotro manerana an'i Armenia, ireo orinasa izay tsy miankina amin'ny fanjakana dia tokony hanome tolotra manerana ny firenena, sady an-tanàna no eny ambanivotra koa. Na dia marihin'izany tatitra izany aza fa afaka vatsiana amin'ny alalan'ny vovo fatsakana koa ny tsirairay, adinony ny manamarika fa na mampivoitra ny fahombiazana sy ny fahaiza-mitantana izay nasehon'ireo fikambanana madinika mitrandraka ny rano.

“Tantely amam-bahona” ny fiainana any Eorôpa araky ny fijerin'ny mpiblaogy Kongoley Cédric Kalonji
Mifototra amin'izay niainany, ny mpiblaogy Kongôley Cédric Kalonji dia mizara ny fijeriny momba izay “tantely amam-bahona” sedrain'îreo Afrikana misafidy ny hiaina any Eorôpa :

Je me demande finalement qu’est ce qui est mieux entre la vie dans son enfer africain et tous ces regards et jugements pas toujours positifs au paradis.

“Manontany tena aho nony farany hoe inona no tsaratsara kokoa, miaina any amin'ny “afobe” Afrikana sa misedra ny tondro-molotra sy ny tsikera any am-paradisa [Eorôpeana].”

Etiopia: Mpanao hosodoko manohitra ny fanambadiana aloha loatra
Lova Rakotomalala no manoratra ny hetsika ataon'ireo Mpanao hosodoko Etiopiana hanoherana ny fampanambadiana aloha loatra amin'ny alalan'ny zavakanto izay ataon'izy ireo (tsindrio ny rohy hahitanao ny sary).

Frantsa: Night Club Malagasy vaovao
harinjaka no mitatitra ny fisiana toeram-pihaonana amin'ny alina sy fandihizana natokana ho an'ny Malagasy (night club) vaovao [Fr] iray any Marseille: “Fantatro avy amin'ny traikefa niainako manokana fa tsy mora ny miditra club eto (Frantsa),  indrindra fa hoe mainty ianao na arabo…Tsy ny Queen no lazaiko eto fa club iray izay ny Malagasy kosa no Olobe (VIP) ao.”

Etiôpia : Mpanjakavavin'ny Saba, vita dika Frantsay koa
Tamin'ity herinandro ity, ny blaogy amin'ny teny Frantsay Roots and Culture (Faka sy kolontsaina) dia nitafatafa [FR] tamin'ingahy Samuel Malher, manampahaizana mpikaroka ara-pivavahana any Strasbourg, Frantsa izay nanatanteraka ny dikanteny manontolo amin'ny teny Frantsay voalohany ny boky “Kebra Negast”, izay soratra masina eo imason'ireo Etiôpiana.

Ny Kebra Negast na “Voninahitr'ireo Mpanjaka” dia heverina ho soratra masina tsy eo imason'ireo Kristiana Ôrtôdôksa Etiôpiana ihany izay saiky ho 65%-n'ny mponina, fa ireo Rastafariana (Rastafaris) any Jamaïka koa izay mihevitra fa io boky io dia mifono faminaniana izay manambara fa ny Mpanjaka Etiôpiana farany dia “andriamanitra tonga nofo.” Ity boky ity dia manazava ny firazànan'ireo mpanjaka Etiôpiana, izay ambara fa taranaka mivantan'i Menelik, zanaky Solomona Mpanjakan'i Israely sy ny Mpanjakavavy Etiôpiana Makeda, izay maro mpahalala koa amin'ny anarana hoe Mpanjakavavin'ny Saba. Mitantara koa ity boky ity ny fomba namindrana ny fiaran'ny Vavolombelona [Ark of the Covenant | Arche de l'Alliance] ho any Etiôpia avy any Israely, ka nanjary ny Etiôpiana indray no nanjary firenena “nofidian'Andriamanitra”.

Ao amin'io tafatafa io no anazavan'ingahy Malher izay nahasarika azy tamin'ny taona 1998 handinika akaiky ireo fivavahana Kristiana Etiôpiana, raha mbola mpianatra Teolojia tamin'ny Anjerimanontolon'ny Strasbourg, Frantsa izy.

Iray tamin'ireo mpampianatra azy, izay Afrikana rahateo, dia nanamarika fa nampidirin'ireo Misiônera ny ankamaroan'ireo fivavahana Kristiana any Afrika, anefa nanontany raha mbola mitombona izany hoan'Afrika iray manontolo.

Hoy i Malher :

Alors je me suis rendu compte qu’il y avait l’Ethiopie qui échappait un petit peu à cette règle où le christianisme est arrivé depuis le 3° siècle déjà.

« Dia tsikaritro fa miviona kely amin'io lalàna io i Etiôpia, satria ny fivavahana Kristiana dia efa tonga tany tamin'ny taonjato faha-3 sahady »

Nanapa-kevitra ary i Malher ny ho any Etiôpia mba hahalala bebe kokoa mikasika ny Mpanjakavavin'ny Saba, ny Fiaran'ny Vavolombelona, ary ny taranak'ireo Emperora nandidy sy nanapaka an'i Etiôpia nanomboka tamin'ny taonjato faha-13 ka hatramin'ny taona 1974, izay samy namototra ny fiandrianany amin'ny fiekem-pinoana ny maha-taranaky Solomona Mpanjaka azy ireo. Nony tonga tany an-toerana izy dia nahita fa i Etiôpia dia tena “mifahatra amin'ny fivavahana toy ny ireharehany ny tantarany, nahaleo tena hatrany [tsy mba nisy firenena nanjana-tany]. Tantara tokana izay mbola tsikaritra any amin'ireo tanan-dehibe ao aminy.”

Makeda, Mpanjakavavin'ny Saba sy ny Fiaran'ny Vavolombelona

Makéda c’est “la belle” en éthiopien. Elle a d’abord entendu parler de la sagesse de Salomon, elle n’a pas résisté à attendre, à patienter chez elle. Elle s’est mise en route avec sa caravane, elle a emmené beaucoup de pierres précieuses, d’encens, de choses pour apporter, pour honorer le roi Salomon, qui avait déjà une grande réputation dans la région. Une fois arrivée sur place, la rencontre a voulu qu’elle se déroule dans le palais. Mais elle a eu le temps de voir aussi le pays, la Bande de Gaza par exemple, différents endroits sont cités par le Kebra Nagast, on peut retrouver les lieux, c’est vrai.

Et cette fameuse reine a rencontré le roi Salomon et lui aurait donné une descendance. Ce qui étonnant c’est que cette reine n’est pas restée auprès de celui qui pouvait être un concubin, ou un mari ou un partenaire pour la vie.

Elle est retournée auprès des siens dans le royaume de Sabah qui est parfois très difficile à situer. Il était peut-être beaucoup plus petit que l’actuelle Éthiopie, sans doute il se concentrait, il se limitait au haut plateau de l’Abyssinie, donc au nord de l’actuelle Éthiopie.”

« Ilay “tsara tarehy” no dikan'ny Makeda amin'ny teny Etiôpiana. Raha nahare momba ny fahendren'i Solomona Mpanjaka izy dia tsy naharitra tany amin'izay toerana misy azy [fa te hihaona taminy]. Narosony ny andia mpiara-dia aminy, nivatsy vatosoa maro, sy zava-manitra, sy fanomezana maro hanomezam-boninahitra ny Mpanjaka Solomona izy, Solomona izay efa fanta-daza tany amin'ny faritra manodidina. Nony tonga tany an-toerana izy, tao amin'ny lapan'ny Mpanjaka no natao ny fihaonana raha vao tonga. Na dia izany aza dia nanana fotoana izy hizahan-tany ity firenena ity, ny faritr'i Gaza ohatra; toerana samihafa no tondroin'ny Kebra Negast, ary mbola hita any an-toerana ireo toerana nambara ireo, marina izany.

Ity Mpanajakavavy fanta-daza ity dia nihaona tamin'ny Solomona Mpanjaka sady nanome azy taranaka. Ny mahagaga anefa dia tsy nijanona teo anilan'ilay tokony ho andefi-mandry mandra-pahafatiny na koa vadiny [Solomona Mpanjaka] ity Mpanjakavavy ity.

Fa naleony Niverina tany amin'ny fihaviany, tany amin'ny fanjakan'ny Saba izay sarotra faritana [ankehitriny]. Angamba azo heverina ho kely kokoa noho i Etiôpia ankehitriny, faritra kely ihany angamba no nisy izany fanjakana izany, voafetra tamin'ny tampoketsan'ny Abyssinie [plateau de l’Abyssinie], izany hoe amin'ny faritra Avaratr'i Etiôpia ankehitriny. »

Ny fototra ara-pôlitika nihavian'ny Kebra Negast

Azavain'i Mahler fa heverina ho nosoratana tanelanelan'ny taona 1200 ka hatramin'ny 1700 ny Kebra Negast, raha nifaninana ho lohan'i Ethiopia ireto taranaka roa :

…c’était l’époque où il y avait deux dynasties qui se faisaient concurrence, d’une part la dynastie du roi Salomon, et puis les autres dont la dynastie des Agrées. Il y avait deux peuples qui prétendaient au pouvoir en Ethiopie. Et donc il y a là dans le Kebra Negast le fameux Isaac le pauvre qui est donc du côté de la dynastie Salomonienne qui aurait donc compilé le kebra Negast à partir des citations bibliques mais sans doute aussi à partir de récits oraux qui se racontaient, il les a mis par écrit tout d’abord sans doute en arabe puis en copte avant de pouvoir les traduire et les publier ouvertement en Guèze.”

« … tamin'izany andro izany, taranaka mpanjaka roa no nifaninana, andaninyny taranaky ny mpanjaka Solomona, ankilany kosa ireo taranaky Agrées. Vahoako roa no niady ny fitondrana tany Ethiopia. Raiketin'ny boky Kebra Negast ilay mahantra nantsoina hoe Isaka izay taranaky Solomona izay ambara fa nanagona ny boky Kebra Negast avy amin'ireo teny notsoahina avy amin'ny Baiboly anefa koa angamba avy amin'ny lovantsofina izay nifampitaan'ireo taranaka mifandimby, ary dia nosoratany tamin'ny fiteny Arabo aloha izany, avy eo nadika tamin'ny fiteny Kôpta vao napariaka tamin'ny fiteny Geza [Guèze | Ge'ez]. »

Ny boky Kebra Negast dia mametraka ny fifidianan'Andriamanitra ny taranaky Solomona, ka noho izany dia izy ireo no mendrika ny hanapaka an'i ethiopia :

C’est un modèle, le pouvoir est transmis avec une bénédiction, avec l’idée d’une élection, ça c’est très important, beaucoup de pays ont connu aussi cette tradition, jusqu’au moment où on est arrivé à l’idée de la démocratie, l’idée de la monarchie a été peu à peu mise de côté.

« Modely izy io, ny fahefana dia nampitaina niaraka tamin'ny fitahiana, sady mifono hevitra “fifidianana manokana,” tena manana ny lanjany mihitsy io foto-kevitra io. Maro ireo firenena izay nandova koa no foto-kevitra toy izany talohan'ny nihavian'ny demôkrasia, fa nahilika tsikelikely ny hevitra fanjakan'andriana. »

Sady nanohitra ny fanafihan'ny fahavalo koa :

Le Kebra Negast lui est vraiment connu en Éthiopie, il a était le livre de base des empereurs pour administrer leur pays mais aussi pour se comparer à d’autres pays donc en se disant descendant du roi Salomon, en se rattachant à des origines nobles, l’Éthiopie avait de quoi faire face à des pays qui voulaient peut être envahir le territoire éthiopien.

« Ny Kebra Negast dia tena fanta-daza mihitsy any Ethiopia; io no boky fototra sady fitaovam-panapahana nampiasain'ireo Emperora nifanesy tany Ethiopia anefa koa ifampitahana amin'ireo firenan-kafa amin'ny maha-taranaky Solomona azy ireo, amin'ny maha-taranaka voafidy azy, angamba mety ho fitaovana nentina handresen-dahatra ireo fahavalo nitetika an' Ethiopia koa io boky io. »

Ny “fiaran'ny vavolombelona”, ny vahoaka voafidy

Tsy ny firazanana amin'i Solomona ihany no nanohana ny tsy fizarazarana ny tanin'i Ethiopia, ireo fanjakana sy ireo mpanjaka nifanesy fa ny fitehirizany izay heveriny ho “fiaran'ny vavolombelona,” namboarin'i Mosesy araky ny Testamenta Taloha mba hitehirizana ny [vato] misy ireo didy folo nomen'Andriamanitra sady nentin'ny Andriandahy Menelik, tsy nahy, zanaky Makeda sy Solomona tany ethiopia.

Le Kebra negast est un ensemble d’écrits qui décrivent l’histoire des patriarches, l’histoire de la reine mais aussi l’histoire de l’arche de l’alliance qui serait actuellement encore déposé dans une église dans le nord de l’Éthiopie et avec les prophéties qui tournent autour de l’élection du peuple d’Israël qui serait donc transférée sur le peuple de l’Éthiopie avec la présence de l’arche de l’alliance.

« Ny Kebra Negast dia fitambarana soratra izay mitatitra ny tantaran'ireo razambe, ny tantaran'ny Andriambavy ary ny tantaran'ny “fiaran'ny vavolombelona” izay voatahiry any amin'ny fiangonana any Avaratry Ethiopia [araky ny lovan-tsofina] sy ny namindrana hoamin'ny Ethiopiana ny faminaniana maha-vahoakan'Andriamanitra izay nitoetra tamin'ny Israelita fahiny, ka ny fitehirizana ny “fiaran'ny vavolombelona”, no manambara izany. »

L’arche de l’alliance on en trouve déjà la mention dans la bible dans le livre de l’exode et dans le livre des rois, où Moise était chargé de concevoir un coffre en bois d’acacia recouvert d’or et à l’intérieur seraient déposées les deux tablettes sur lesquelles figuraient les dix commandements. Alors cette arche intéressait aussi le peuple éthiopien car il représentait la présence de Dieu parmi le peuple. Là où était l’arche le temple était sanctifié…Elle représente la présence de Dieu et l’élection du peuple d’Israël parce que l’arche aurait eu un grand pouvoir, elle se déplaçait presque seule, de la volonté d’Israël d’accompagner le peuple d’Éthiopie pendant son voyage.

« Ny “fiaran'ny vavolombelona” dia efa tantaraina ao anaty Baiboly, ao amin'ny bokin'ny Eksodosy sy Mpanjaka, raha nirahina i Mosesy ny hanamboatra boaty hazo na akasia, norakofana volamena ary natao hitehirizana ireo vato roa misy ny soratry ny didy folo. Mahaliana ny Ethiopiana koa io “fiaran'ny vavolombelona” io satria manambara ny itoeran'Andriamanitra amin'ny vahoaka. Nohamasinin'Andriamanitra izay fiangonana itoeran'ny “fiaran'ny vavolombelona” … manambara ny fitoeran'Andriamanitra sy ny maha-vahoaka voafidy an'i Israely satria manana fahefana io “fiaran'ny vavolombelona” io, saika fanapaha-keviny samirery no nanarahany ny dian'ny dian'ny vahoaka Ethiopiana, ka handao ny Israely. »

Et aujourd’hui encore on retrouve une reproduction dans chaque église par la présence de tablettes qui représentent les dix commandements sous forme de copie. C’est un peu comme dans l’église catholique la présence du corps du christ par l’Ostie.

Aujourd’hui l’arche de l’alliance est un peu un objet de curiosité pour les journalistes pour les scientifiques aussi mais en même temps elle est protégée par l’église orthodoxe éthiopienne, qui la conserverait dans cette fameuse cathédrale de st. Marie de Sion.

Je pense que c’est vraiment une question de foi. Lorsqu’un prêtre éthiopien vous répond : “Si vous voulez prouver que l’arche n’est pas là, allez-y. Et le journaliste pose la question en sens inverse, il demande toujours est-ce que l’arche est vraiment là ? Elle est là, c’est à vous de le prouver, elle n’est pas là c’est à vous de le prouver !”

« Ary mandrak'ankehitriny dia ahitana sary dikan'ny “fiaran'ny vavolombelona” any amin'ireo fiangonana tsirairay, sy ireo vato nanoratana ny didy folo. Azo oharina amin'ny toeran'ny Ôstia [na mofom-pandraisana boribory] eo anivon'ireo Fiangonana Katôlika.

Ankehitriny, mahasarika ireo mpikaroka sy mpanao gazety maro ny “fiaran'ny vavolombelona” fa arovan'ny Fiangonana Ôrtôdôksa Ethiopiana ho toy ny “anak'andriamaso” ao amin'ny katedraly Masina Marian'i Ziona.

Heveriko fa resaka finoana mihitsy no apetrak'io. Rehefa mamaly anao ny Pretra ethiopiana hoe : “raha te hanaporofo ianao fa tsy ao io fiara io dia ataovy.” Dia mametraka hatrany ny fanontaniana mifangarika amin'io ny mpanao gazety hoe “Tena ao tokoa ve ilay fiara e ? Ao izy, fa anao no manome porofon'izany, tsy ao izy, mbola anao ihany koa ny manolotra porofo !” »

Kebra Negast sy ny Baiboly

Toy ireo soratra maro tsy voafidy ho isan'ny Baiboly, ny Kebra Negast dia tsy voatazona ho isan'ireo horaketina ao anaty Baiboly ary maromaro aza ireo dika mitovy izay nodoran'ny Fiangonana [Erôpeana].

C’est un peu l’histoire des Apocryphes, l’église universelle a toujours eu la priorité de garder un recueil de texte que l’on appelle la Bible. Il y a beaucoup d’apocryphes en effet qui sont mis de côté, qui sont ignorés par beaucoup de fidèles déjà et qui ne sont pas très droits dans ce que veut exprimer l’Eglise. Il y a des écrits qui concernent parfois la vie de Jésus, la vie d’un prophète, la vie d’un patriarche, qui montrent le côté humain de ces hommes et de ces femmes, et l’Eglise voulait d’abord faire passer le message de Dieu, de la justice… Il y avait certaines raisons de ne pas exploiter ces textes.

« Mitovy tantara amin'ireo lahatsoratra “Apokryfa” ihany izy ity. Isan'ny vaindohan-draharahan'ny Fiangonana hatrizay hatrizay ny hitazona lahatsoratra voafantina izay iaraha-mahalala amin'ny anarana hoe Baiboly [ankehitriny]. Maro tokoa ireo lahatsoratra Apokryfa izay navela,  izay tsy nifanaraka tamin'izay foto-kevitra nofidian'ny Fiangonana hapetraka, ary zary tsy fantatr'ireo Kristiana akory izay fisiany. Misy amin'izy ireny mitatitra ny tantaran'ny fiainan'i Jesosy [tety an-tany], ny fiainana mpaminany iray, ny fiainan'izay Razambe iray izay mampiharihary ny fahalemana maha-olombelona azy ireny lehilahy sy vehivavy ireny, ny Fiangonana anefa izay Andriamanitra miteny [amin'ny olona], ny fahamarinany no tiany hampahafantarina … misy antony mitombon ny fanapaha-kevitra ny amelana ireny lahatsoratra Apokryfa ireny. »

Na dia izany aza, ny Kebra Negast dia miankina betsaka amin'ny kolotsaina nentim-paharazana Jodeo-Kristiana [Judeo-Christian | Judéo-Chrétien] sy Silamo, arak'izay ambaran'i Malher :

La fin du Kebra Negast…parle beaucoup du Christ, du nouveau testament dans la Bible mais aussi beaucoup de l’ancien…Les éthiopiens ont repris les versets importants de l’ancien testament, tel que le prophète Jérémie, ou Zacharie ou Osée…qui ne sont pas beaucoup lus…

« Ny faran'ny boky Kebra Negast … dia miresaka lava momba an'i Kristy, momba ny Filazantsara [Vaovao Mahafaly] ao anaty Baiboly, anefa miresaka betsaka koa momba ny [Testamenta] Taloha … nindrana andininy betsaka avy amin'ny Testamenta Taloha ny Ethiopiana, avy amin'ny mpaminany Jeremia, Zakaria na Hosea … izay tsy dia be mpamaky matetika … »

Ny Kebra Negast dia manafangaro ireo tantaran'ireo Razamben'Israely ho Razambe tokana sady ngezalahy ary nampiditra ireo faminaniana mikasika ny Mesia tao anatin'ny Testamenta Taloha toy itony, “hiverina indray, hanarina ny tranony [taranany], ary hanavotra ny vahokany.” I Malher dia milaza fa natolotra hoan'ny olon-drehetra ny teny fampanantenana famelan-keloka izany, anefa araky ny fomba nitehirizany azy dia, “Ethiopia no firenena nofidiana, firenena tokana nolalaina. Tsy misy izay fiheverana famelan-keloka [na famonjena], na fampihavanana indray hoan'ireo mponina hafa [ankoatr'i Ethiopia]. Heveriko manokana fa tena zava-dehibe mihitsy, hoan'ny mponina manerana an'Afrika sy hoan'ny olona manerana izao tontolo izao, ny mamaky [sy mahatsapa fa nambara ho azy koa] ireny teny faminaniana ireny [fa tsy hoan'ny mponin'i Ethiopia irery].”

Ambaran'i Mahler koa fa taterin'ny Kôrana [Coran] koa ny momba ny Mpanjakavavin'i Saba, anefa dia izy no ampitondraina ny andraikitry ny firodanan'ny fanjakan'i Solomona, nohon'ny ny fanarahan'i Solomona izay fitondratena tsy mety fanaony. Amin'ny lafiny hafa koa ny Baiboly dia manatintrantitra ny fanapahan-kevitr'ity Mpanjakavavy ity ny hanaiky ny Andriamanitr'i Solomona ary ny nitondrany izany fivavahana izany “niaraka” taminy raha niverina tany aminy tanindrazany izy.

Momba ny finoan'ireo Rastafari

Nanontanian'ny Roots and Culture koa i Malher momba ny tioeran'i Haile Selassie I, Emperoran'i Ethiopia nanomboka tamin'ny 1930 ka hatramin'ny 1974, izay heverin'ireo [mpanaraka fivavahana] Rastafariana ho andriamanitra ety an-tany. Toherin'i Malher izany fomba fivehitra izany, satria hoy izy, ny fitahiana fonosin'ny Kebra Negast dia hoamin'ireo mpanjaka rehetra mitondra an'i Ethiopia, fa tsy olon-tokana irery ihany.

Le Kebra Negast s’arrête après 117 chapitres d’éloges et de gloire, il s’arrête sur le Christ.

Ce sont les prophètes, les rois, les entités mais il n’est rien dit du dernier empereur Hailé Sélassié.

C’est simplement pour dire que la bénédiction sera accordée à l’Éthiopie et sur les différents rois, sans avoir connu le dieu d’Israël auparavant, ils se sont soudainement tournés vers lui à travers le moment de la rencontre de la reine de Sabah et de Salomon.

Rien ne les prédisposait à se soumettre à ce Dieu .

Ils ont fait le pas qui leur accorde la bénédiction. C’est ce qui est dit vers la fin du kebra Negast, C’est Hailé Sélassié qui s’appuie sur ce texte pour légitimer sa descendance, son ascendance, il a donc un pouvoir légitime.

« Avy nitanisa nandritra ny toko miisa 117 ireo fiderana sy voninahitra ny Kebra Negast dia mifarana amin'ny tantaran'i Kristy.

Ireo nambara tamin'izany dia ireo mpaminany, ireo mpanjaka, ireo zava-misy, fa tsy misy filazana izay Emperora farany, Haile Selassie I.

Raha atao tsotsotra dia natolotra an'i Ethiopia sy ireo mpanjaka izay nandidy azy ny fahasoavan'Andriamanitra, satria na dia tsy nahalala taloha izay moba an'Andriamanitry Israely aza ry zareo dia nitodika taminy taorian'ny fihaonan'ny Mpanajakavavin'i Saba sy Solomona Mpanjaka.

Tsy misy izay nanomana azy hivadika finoana hoan'io andrimani-baovao io toy izany.

Nodiavin-dry zareo tongotra ny làlana mitarika any amin'izany fitahiana izany. Izany no ambara any amin'ny famaranana ny Kebra Negast. Fa i Haile Selasie no nampiasa ireo teny ireo ho fototra anamarinana ny taranany sy ny maha avo-firazanana azy, izany hoe rariny raha azy ny fitondrana an'i Ethiopia. »

J’ai rencontré des rastas en Éthiopie, à Shashaménie. On a discuté, on s’entend sur pas mal de choses.

Parfois c’est aussi un préjugé, l’élection divine, je pense que chaque homme est béni, chaque homme peut être élu, c’est pas seulement l’empereur Hailé Sélassié qui est l’unique élu.

Cette bénédiction s’étend à tous les rastas, chacun est considéré par le grand dieu qui a donc posé son regard sur l’Éthiopie.

« Tafahaona tamina Rastas maromaro aho tany Shahamenie, any Ethiopia. Nony niresaka izahay, dia nitovy hevitra amin'ny fomby fijery maromaro.

Tsindraindray, tsindriamandry ny fifidianan'Andriamanitra, heveriny fa samy mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra daholo ny olombelona tsirairay, samy mety ho ilay “olom-boafidy” ny tsirairay, fa tsy ny Emperora Haile Selassie I ihany no ilay hany tokana nofidiana.

Ary izany fitahiana izany dia mipariaka koa amin'ireo Rastas rehetra [mpanaraka ny fivavahana Rastafari]; samy ambany mason'Ilay manana ny hery rehetra izay nifidy an'i ethiopia ny tsirairay. »

Ny maha-zava-dehibe izao fandikanteny izao

Tamin'ny taona 1915 no nanontana ny dikanteny Frantsay farany ny Kebra Negast, izay nahitana andininy folo monja izay nofidiana arak'izao fomba fihevitra izao “ireo zavatra tena mampihetsi-po tamin'ny fihaonana tamin'ny Mpanajakavavin'i Saba.” Tsy tanteraka ny dikasoratra nataony ny Ge'ez izay fiteny Ethiopiana fahiny .

Heverin'i Malher ho manana ny lanjany mihitsy ny dikasoratra nataony, indrindra amin'izao fotoana izay itomboan'ireo fomba fivavahana Kristiana hafa vahana any Ethiopia ankehitriny izao.

Parmi les 65% des Chrétiens il y a naturellement aussi des églises très récentes qui sont arrivées, l’église catholique, l’église protestante et l’église d’une communauté américaine, qui s’implantent en éthiopie. On retrouve de multitudes de concessions, de communautés différentes…

…Beaucoup de religions se développent ou prennent une place importante dans la vie du peuple éthiopien. C’est important de pouvoir dialoguer.

Comme beaucoup de religions ont des livres, la Bible traduit dans beaucoup de langues, l’Ethiopie a la particularité d’avoir le Kebra negast, un livre millénaire, qui mérite d’être connu par les étrangers, par ceux qui visitent l’Éthiopie, pour se plonger un petit peu dans la culture et dans la littérature éthiopienne c’est sans doute avec le Kebra Negast traduit en Français que l’on peut déjà faire un grand pas dans ce sens là…

« Amin'ireo taha 65 %-n'ny Kristiana [any ethiopia ankehitriny] dia mazava ho azy fa misy ireo finagonana izay vao niforona vao tsy ela akory : ny Katolika, ny Protestanta, ny fiangonana nentin'ireo mpnonina avy any Amerika, izay samy mijoro any ethiopia ankehitriny. Misy trano fiangonana maro ary fiangonana [paroasy, zanam-piangonana] maro …

…Maro amin'ireo foto-pivavahana ireo no mitombo sy manomboka mahazo vahana ao amin'ny fiainan'ny Ethiopiana. Ary tena zava-dehibe mihitsy ny ipetrahan'ny fifanakalozan-kevitra anivon'izy ireo.

Ary satria manana izay boky mitahiry izay finoany ny fomba fivavahana maro hafa, dia ny Baiboly izay nadika tamin'ny fiteny maro samihafa, manokana mihitsy ny fananan'i Ethiopia ny Kebra Negast, izay boky mitahiry lahatsoratra aman'arivon-taonany, izay mendrika ny ho fantatry'ireo vahiny bebe kokoa, ireo rehetra izay hizahatany any ethiopia, mba hilomano lalindalina kokoa anivon'izany kolotsaina sy ny haisoratra Ethiopiana ary angamba ny fandikana ny Kebra Negast ho amin'ny teny Frantsay dia dingana lehibe sahady mitondra hoamin'izany làlana izany … »

Vakio amin'ny teny Frantsay, ny tafatafa manontolo nandraisan'i Mahler anjara ao amin'ny blaogin'ny Roots and Culture.

Tompontsary : Kebra Negast an'i Samuel Malher; ny katedraly Masina Marian'i Ziona any Ethiopia, izay itehirizana ny “fiaran'ny vavolombelona” [Wikipedia]; ary Haile Selassie I, mpanjakan'ny mpanjaka farany tany Ethiopia [Library of Congress]