· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Frantsa tamin'ny Desambra, 2012

Habaka Fanaovan-Gazety Angon-dRakitra Frantsay Mahaleotena OWNI Norahonana Hakatona

  28 Desambra 2012

Nivoaka iny herinandro lasa iny ny vaovao mikasika ny fanankatonana izay tsy azo idoviran'ny OWNI (OWNI.fr), Angon-drakitra Frantsay momba ny Fampahalalàm-baovao mahaleotena. Malaza amin'ny fiaraha-miasa akaiky miaraka amin'ny WikiLeaks, OWNI nampivoatra ny rindrambaiko WarLogs sy nanatanteraka ny famakafakana mahaliana ny amin'ny SpyFiles, ary dia nitatitra hatrany hatrany ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny aterineto ary ny fahalalahana an-tserasera.

Ny Perla Avy Amin'ny Media Momba an'i Afrika

  16 Desambra 2012

Nisy ny fanatsotsorana momba an'i Afrika nifandrohy tamin'ny fanentanana #Kony2012 nataon'ilay ONG Invisible Children [Ankizy Tsy Hita]. Nisy fanentanana hafa natao avy eo ho fanitsiana ny kinendry. Efa tsy ampahafantarina intsony [en] ny fanombatombanan'ny fampahalalam-baovao momba an'i Afrika na dia efa nihena dia nihena aza ny fahadisoana tao anatin'ny taona vitsivitsy farany. Tsy mandehandeha fotsiny amin'izao...