· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Frantsa tamin'ny Aogositra, 2012

Frantsa, Libanona, Syria : Ny Dia Tsy Mampinon'ny Sidina Parisy-Beyrouth

Niala tamin'ny mahazatra ny sidina Air France Paris-Beyrouth tamin'ny 15 aogositra 2012 : izay nahitàna ny masoivohon'i Frantsa ao Libanona, sy olona ambony mpanohitra an'i Bachar al Assad tao anatin'ireo mpandeha taminy, navily nankany Damas mba hameno solika ! Hiverenantsika kely ity dia feno zava-tsy nampoizina nifamahofaho ity, izay niteraka onja ara-politika vitsivitsy.

Frantsa: Ethylotest Tsy Maintsy Atao Hisorohana Ny Alikaola Eny Am-pamiliana Fiara

  25 Aogositra 2012

Manomboka ny 1 Jolay 2012, ny mpamily fiara misy maotera rehetra ao Frantsa dia tsy maintsy mandalo 'éthylotest' daholo araka ny didim-panjakana nivoaka tao amin'ny Gazetim-panjakana tamin'ny Alakamisy 01 Martsa 2012. Io fepetra io dia heverina hampihena ny isan'ny loza aterak'ireo mpamify tsy ampy fiheverana domelin'ny alikaola. Maneho hevitra momba ireo loza ateraky ny fandraisana alikaola eny am-pamiliana ireo mpikirakira aterineto.

Azo iainana Tsara Ve Any Amin'ireo Tanan-dehibe Afrikana ?

  20 Aogositra 2012

Fanadihadiana iray nataon'ny The Economist Intelligence [en] momba ireo tanàn-dehibe eran'izao tontolo izao azo iainana tsara (ny tatitra manontolo amin'ny endriny pdf) , no manolotra hoe amin'ireo tanàna 10 sarotra iainana indrindra eto ambonin'ny tany, 6 no aty Afrika. Kanefa, misy fandaharana iray hafa mampiseho fa sambatsambatra kokoa any amin'ny firenena afrikana sasantsasany noho ny any amin'ny firenena eoropeana maro

Frantsa : #harcelementderue, Ilay Tenifotra Mitantara Ny Fanaovana Zinona Ny Vehivavy Amin'ny Andavanandro

  09 Aogositra 2012

Satria nalam-baraka sy nompain'ireo lehilahy teny an-dalamben'i Bruxelles ny tovovavy Belza iray mpianatra, Sofie Peeters dia namokatra lahatsary iray tamin'ny alalan'ny fakàna sary miafina [nl] mba hiampangana ny fanambaniana vehivavy ataon'ny lehilahy isan'andro an'ireo vehivavy mandeha irery eny an-dàlana eny. Ny sarimihetsika novokariny dia niteraka resa-be tao Belzika ary avy eo tao Frantsa. Eo ambanin'ny tenifototra #harcelementderue, (filam-baniny an-dalambe) mijoro vavolombelona amin'ny filam-baniny amin'ny fiteny sy ny resaka filan'ny nofo, ny ompa zakain'izy ireo eny an-dalambe ireo vehivavy Frantsay

Tontolo: BRICS vs. NATO – Tolona Am-batolampy Momba Ny Hevitra Fitsabatsabahana

  04 Aogositra 2012

Ny fanapahan-kevitra vao haingana norasin'i Shina sy Rosia hampiasa ny vato tsy azo ivalozana tao amin'ny Filankevi-Pilaminan'ny Firenena Mikambana ho vahaolana ao Syria - dia nanainga indray ny adihevitra mikasika ny fifandraisan'ireo hery 'vaovao' tahaka an'i Brezila, Rosia, India, Shina ary Afrika Atsimo - ny BRICS - amin'ireo hery 'tranainy' tahaka ny Fifanaraham-piaraha-misan'ireo Firenena Any Amerika Avaratra (OTAN) rehefa misy ny fitsabahana iraisam-pirenena.