The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

France Tahiry Firenena

RSS ho an i France

2009-06-10

Air Bus AF 447: Alahelo, tsy fahampiam-baovao sy fanaitairana

Niteraka resabe sy fanontaniana maro indrindra koa fikarohana ho an'ny filazam-baovao ilay fiaramanidina frantsay Airbus izay nanjavona tsy hitan'ny radara ny alahady 31 may; avy any Rio de Janeiro ity fiaramanidina ity ary hankany Paris. Niainga tany Brésil ilay fiaramanidina ny alahady 31 may, nisy mpandeha 216 tao anatiny ary ...

2009-06-09

Gabon: Manodidina ny fahafatesan'ny Filoha Omar Bongo

Ny Alahady alina teo, ireo mpampahalala vaovao Frantsay dia samy nanambàra ny fahafatesan'i Omar Bongo filohan'i Gabon,  izay nandany 41 tamin'ny 73 taona niainany teo amin'ny  fitondràna. Ny gazety Frantsay Le Point nitatitra fa hoe nahazo vaovao momba ny fahafatesany ry zareo, vokatry ny homamiadana, tany aminà toeram-pitsaboana ...

2009-03-14

Fiombonambe Eropeana-Ukraine: Resaka fifanatonana.

Nambara ampahibemaso tao amin'ny EU-Ukraine Summit tany Paris tamin'ny 9 septambra ny fikasan'ny Fiombonambe Eropeana  hanamafy  ny Fifanekem-piaraha-miasa miaraka amin'ny Ukraine tamin'ny 2009. Fomba samihafa no nentin'ny haino aman-jery sy ny mpitoraka blaogy maro nandray izany. “Manolotra antoka ho an'i Ukraine ny Fiombonambe Eropeana,” hoy ny lohatenin'ny BBC. “Tsy mampanantena na ...

2009-03-11

Andro Iraisam-Pirenena ho an'ny Vehivavy: “Mpanjakavavy avokoa ny vehivavy rehetra”Video post

Omaly no nankalazaina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy, ary nampiasa ny mozika sy ny tononkalo ary ny zava-kanto ireo mpitoraka bilaogy miteny Frantsay hankalazana ny kanto, ny fandresena ary ny tolona tsy an-kiato ho an'ny vehivavy. Tany Martinika dia nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy tamin'ny alalan'ny fandefasana ny ...

2009-02-22

Martinika: momba ny fahaleovantena sy ny “fifehezana” frantsay

Raha mbola mitohy moa ny fihetsiketsehan'ny mpiasa any Martinique sy Guadeloupe, dia misy ny mpamaham-bolongana any Martinique mihevitra fa mety te-hahaleo tena itony departemanta ampitan-dranomasina itony. Toy ny nanafintohina an'i le blog de [moi] sy heveriny ho misy fanindriana aloka ihany ny hevitra heverin'ny mpamaky azy fa noho ny mahakely ny nosy no mahatonga azy ireo ho ambany alokaloky ny hafa mandrakariva.

2009-01-04

Ankapobe: Fihetsiketsehana manohana an'i PalestinaSary post

Mitsangana hanohana an'i Gaza izao tontolo izao. Anjato arivony (an'hetsiny hoy isika) ireo olona amin'ny vazantany efatra nanao fihetsiketsehana nandritra izay dimy andro izay. Hatrany Boston ka hatrany Beirota, Le Cap ka hatrany Caracas, maro ireo olom-pirenena naneho ny firaisankinany amin'i Gaza. indreto ary misy rakitsary izay notovozina tao amin'ny  Flickr: Osama ...

2008-12-27

Frantsa: Vonona handray filoham-pirenena mainty hoditra ve?

Amin'izao vanim-potoanan'i Obama izao, vonona handray filoham-pirenena mainty hoditra ve i Frantsa? ka i Eugene Ebode, vahinin'ny bolongana ao amin'i Alain Mabanckou, no miresadresaka momba ny karazana politika any Frantsa.

2008-12-21

Fahalalahàna miteny ,
Zavakanto & Kolontsaina

Pierre Maury no mitatitra fa efa novalian'ny fitondram-panjakana frantsay ny fanamelohana fa tratran'ny sivana ilay piesin'ny tantaran'ny tolona ho amin'ny fahaleovantena “47″ nataon'i Jean-Luc Raharimanana sy Thierry Bedard. Victoire Bidegain Di Rosa, mpanolotsaina ao amin'ny minisiteran'ny kolontsaina frantsay no manazava fa tsy voatery hahaliana ny firenenkafa aty amin'ny faritra ilay lalao an-tsehatra ary mahazo alalana hampiseho azy ny ny foiben-kolontsaina tsirairay fa anjarany kosa ny mikaroka mpanohana mahaleo tena hanentsenana ny fandaniana mifandraika amin'izany (fr).