Tantara mikasika ny Finlandy

Armenia: Straight mankany an-tanàna

  18 Oktobra 2018

(2012) Miaraka amin'ny tahan'ny Harinkarena faobe isan-taona izay tombanana ho $5,400 eo fotsiny tamin'ny 2011, iray amin'ireo firenena mahantra indrindra tao amin'ny Firaisana Sovietika taloha i Armenia. Tena azo tsapaintànana ny toedraharaha ho an'ireo tanàna ao amin'ilay firenena lavitra andriana, fa manantena ny hanova izany rehetra izany ny diplaomaty iray.

Rosia : Miverina Ao Anatin'ny Fiadiana Izay Ho Tompon-daka Eran-tany Amin'ny” Hockey” Taona 2012 ireo Kintan'ny NHL

Tsy resy mihitsy tao anatin'ny ny lalao im-pito natrehiny , ary nirehareha tamin'ny fisian'ny All-Star tao aminy, Ny ekipa nasionalin' i Rosia dia niatrika an'i Norvezy amin'ny lalao ampahefa-dalana amin'ilay fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin'ny Hockey 2012. Bilaogera maro no nirehareha noho ny fiverenan'i Alexander Ovechkin sy Alexander Semin, niaraka tamin'ny fahatsiarovana ny lasa ratsin'ny Rosia teo amin'nyfifaninanana iraisam-pirenena .

Lahatsary: Manome Mari-pankasitrahana An'ireo Tanora Mpamokatra Horonantsary Ny Plural+ 2011

Nahazo mari-pankasitrahana tany New York ireo tanora manerana izao tontolo izao noho ireo horonantsary fohy manainga ny fisainana anehoan-dry zareo ny tolokevitr'izy ireo mba hahatonga ny ny fiaraha-monina hilamina kokoa sy hanana kolontsaina maro amin'ny alàlan'ny firesahana io lohahevitra toy ny fahasamihafana, fifindra-monina sy ny farotsahana an-tsehatra amin'ny lafiny sosialy.

Eoropa: Fifaninanana Horonantsary momba ny fahaizana tenim-pirenena maro

  15 Jolay 2010

Raha monina any Eoropa ianao, eo anelanelan'ny 18 hatramin'ny 35 taona ary mahay miteny tenim-pirenena maherin'ny iray, mandraisa anjara amin'ny fifaninanana horonantsary amin'ny aterineto momba ny fahaizana tenim-pirenena maro, ary mahazoa toerana iray amin'ny hetsika famokarana sarimihetsika, izay handeha ary hokarakaraina any amin'ireo nosikelin'i Turku any Finland.