Tantara farany mikasika an'i Finlandy
26/05/2012
Rosia : Miverina Ao Anatin'ny Fiadiana Izay Ho Tompon-daka Eran-tany Amin'ny” Hockey” Taona 2012 ireo Kintan'ny NHL

Tsy resy mihitsy tao anatin'ny ny lalao im-pito natrehiny , ary nirehareha tamin'ny fisian'ny All-Star tao aminy, Ny ekipa nasionalin' i Rosia dia niatrika an'i Norvezy amin'ny lalao ampahefa-dalana amin'ilay fiadiana izay ho tompondaka eran-tany amin'ny Hockey 2012. Bilaogera maro no nirehareha noho ny fiverenan'i Alexander Ovechkin sy Alexander Semin, niaraka tamin'ny fahatsiarovana ny lasa ratsin'ny Rosia teo amin'nyfifaninanana iraisam-pirenena .
05/03/2012
Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?
Ny fanetsehana ny mpiondana aterineto hanohitra ny ACTA, ny fifanekena ara-barotra manohitra ny fakan-tàhaka dia samy tsy mihalefy raha toa kosa ny PArlemanta Eraopeana tsy maintsy niatrika ny fndinihana ireo tolo-dalànanandritra ny fivoriany tao Strasbourg tamin'ny herinandro lasa. Ny fanamafisana dia nahemotra eo am-piandrasana izay ho fanambaràna avy amin'ny Fitsarana Eraopeana mikasika izay mampifandraika azy na tsia amin'ireo lalàna fototra.
28/11/2011
Lahatsary: Manome Mari-pankasitrahana An'ireo Tanora Mpamokatra Horonantsary Ny Plural+ 2011
Nahazo mari-pankasitrahana tany New York ireo tanora manerana izao tontolo izao noho ireo horonantsary fohy manainga ny fisainana anehoan-dry zareo ny tolokevitr'izy ireo mba hahatonga ny ny fiaraha-monina hilamina kokoa sy hanana kolontsaina maro amin'ny alàlan'ny firesahana io lohahevitra toy ny fahasamihafana, fifindra-monina sy ny farotsahana an-tsehatra amin'ny lafiny sosialy.
15/07/2010
Eoropa: Fifaninanana Horonantsary momba ny fahaizana tenim-pirenena maro
Raha monina any Eoropa ianao, eo anelanelan'ny 18 hatramin'ny 35 taona ary mahay miteny tenim-pirenena maherin'ny iray, mandraisa anjara amin'ny fifaninanana horonantsary amin'ny aterineto momba ny fahaizana tenim-pirenena maro, ary mahazoa toerana iray amin'ny hetsika famokarana sarimihetsika, izay handeha ary hokarakaraina any amin'ireo nosikelin'i Turku any Finland.






























RSS ho an i Finlandy
Karohy Wikipedia ny Finlandy




Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa