Tintin au Congo [Tintin any Kôngô], ilay rakitsariitatra faharoa amin'ny andian’Ireo tantaram-piainan'i Tintin izay diam-penin'ny kalaza Hergé, teratany Belzà [avy any Belzìka] izay mpanoratra ny tantara sady nanao ireo sariitatra mitantara ny fiainan'izato tovolahy mpanao gazety antsoina hoe Tintin, dia miatrika fandraràna nohon'ny fitoriana fanavakavaham-bolo-koditra. Ao amin'ny blaoginy Black Bazar, Alain Mabanckou kosa mihevitra fa «tokony avela ho vavolombelon'ny teotsaim-panjanahana izay nanjàka tamin'ny vanin-taona 1930-1940 ity lahatsarin'i Tintin ity» [fr].
Tantara farany mikasika an'i Belzika
09/08/2012
Frantsa : #harcelementderue, Ilay Tenifotra Mitantara Ny Fanaovana Zinona Ny Vehivavy Amin'ny Andavanandro
Satria nalam-baraka sy nompain'ireo lehilahy teny an-dalamben'i Bruxelles ny tovovavy Belza iray mpianatra, Sofie Peeters dia namokatra lahatsary iray tamin'ny alalan'ny fakàna sary miafina [nl] mba hiampangana ny fanambaniana vehivavy ataon'ny lehilahy isan'andro an'ireo vehivavy mandeha irery eny an-dàlana eny. Ny sarimihetsika novokariny dia niteraka resa-be tao Belzika ary avy eo tao Frantsa. Eo ambanin'ny tenifototra #harcelementderue, (filam-baniny an-dalambe) mijoro vavolombelona amin'ny filam-baniny amin'ny fiteny sy ny resaka filan'ny nofo, ny ompa zakain'izy ireo eny an-dalambe ireo vehivavy Frantsay
23/03/2012
Lahatsary Gafin'ny “Fifandonan'ny Riba” Navoakan'ny Vondrona Eoropeana
Nisy lahatsary natao ho an'ny tanora efa lehibe nangala-tahaka ny sarimihetsika Kill Bill ary miompana amin'ny "fifandonan'ny riba" nataon'ny Vondrona Eoropeana entina hivelaran'ny Firaisambe Eoropeana. Saingy nesorina ny lahatsary ny 6 Marsa 2012 rehefa niteraka adihevitra mafana noho ny fiampangana azy ho mampiroborobo ny fanavakavaham-bolonkoditra.
05/03/2012
Fiombonambe Eraopeana : “Alea (non) ACTA est” ? , na tsy mbola vita ve ny fanapahana?
Ny fanetsehana ny mpiondana aterineto hanohitra ny ACTA, ny fifanekena ara-barotra manohitra ny fakan-tàhaka dia samy tsy mihalefy raha toa kosa ny PArlemanta Eraopeana tsy maintsy niatrika ny fndinihana ireo tolo-dalànanandritra ny fivoriany tao Strasbourg tamin'ny herinandro lasa. Ny fanamafisana dia nahemotra eo am-piandrasana izay ho fanambaràna avy amin'ny Fitsarana Eraopeana mikasika izay mampifandraika azy na tsia amin'ireo lalàna fototra.
28/03/2011
Hollaback!Fampiasaina finday hisorohana ny herisetra eny an-dalambe
Tranga tsy mbola fahita tany aloha ahafahana mampitsahatra herisetra ara-nofo eny an-dalam-be ny fisian'io "fipoahana teknolojia teo amin'ny finday io". Namporisika ny vehivavy manerana izao tontolo izao mba hampiasa an'ireo fitaovana eo am-pelantanan''izy ireo ireo io tetikasa io mba ahafahan'izy ireo mizara ny tantarany, manao tatitra sy mamaritra ny toerana nitrangan'izany toe-javatra izany.
01/08/2010
Frankofonia: Mihatsara tahaka ny divay antitra ny Twitter
Nitamberina somary nalaza kely tanatin'ny ora tsy nampoizina ny hash tag, #jesuisvieux, ao anatin'ny valan-tserasera mpiteny frantsay. Hatramin'ny faha-26 Jolay dia somary nitodika tany amin'ny fahatsiarovana ny mpampiasa twitter, mamoaka...
16/04/2010
Qatar: Manohitra ny politika vaovao mikasika ny fahazoan-dàlana raisina eo am-pahatongavana ireo mpiasa mpifindra monina
Manankery manomboka ny 1 May, Qatar dia miomana hanafoana ny fahazoan-dàlana alaina eo am-pahatongavana ho ana firenena ampolony maro mampiasa io fomba io. Sorena ireo mpiasa mpifindra monina mieritreritra ny amin'ny fianakavian'izy ireo ary milaza sahady fa mety hanimba ny reska fizahantany ao amin'ity firenena kely ao amin'i Gulf ity io.
14/03/2009
Fiombonambe Eropeana-Ukraine: Resaka fifanatonana.
Nambara ampahibemaso tao amin'ny EU-Ukraine Summit tany Paris tamin'ny 9 septambra ny fikasan'ny Fiombonambe Eropeana hanamafy ny Fifanekem-piaraha-miasa miaraka amin'ny Ukraine tamin'ny 2009. Fomba samihafa no nentin'ny haino aman-jery sy...
05/01/2008
Global Voices : Tamberin’ny 2007 sy drafitra lehibe ho an’ny taona 2008
Tsy hisy nahavinavina fa ny Chinese ant farmers(tantsaha Shinoa taloha?) no tantara be mpamaky indrindra tamin’ny taona 2007 iny. Ireo tantara be mpamaky amin’ity vohikala ity dia ireo mpamaham-bolongana ao...






























RSS ho an i Belzika
Karohy Wikipedia ny Belzika





tena mampijaly vahoaka tokoa ity TGV ity , betsaka @zao no tsy misakafo afatsy...