GlobalVoices anaty

Eoropa Andrefana

Tahiry Faritra · 387 Lahatsoratra


Tantara farany mikasika an'i Eoropa Andrefana

14/06/2013

Video Lahatsoratra
Resadresaka Tamin'i Anne, Iray Amin'ireo Mpandray Anjara Amin'ny Vaovao An-dahatsary “Manao ahoana any Bamako?”

Tohin'ny lahatsoratra

Amperin'ady any Mali i Frantsa. Nanapa-kevitra ny handefa amin'ny YouTube vaovao an-dahatsary iray mikasika ireo resadresany tamin'ny Skype i Anne Morin any Parisy sy ilay vehivavy namany Awa Traoré any Bamako. Te hahazo ireo vaovao mikasika ny faritra sy ireo namany i Anne. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'i Anna Gueye, niresaka betsaka mikasika io gazety io sy ny fifandraisany amin'i Mali izy .

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
Hatezerana Noho Ny Herisetra Tamin'ny Fisamborana Ireo Mpaka Sary Mpanao Gazety Espaniola Roa

Tohin'ny lahatsoratra

Nozaraina be tao amin'ny Twitter amin'ny tenifototra hoe #RaúlLibertad ireo vaovao momba ny fisamborana ilay mpaka sary mpanao gazety Raúl Capín, tany Madrid. Voasambotra ihany koa i Adolfo Luján, mpaka sary mpanao gazety. Hafatra maro maneho fahatezerana sy manohitra ny famoretana ny mpanao gazety izay mitatitra ny fikomiana ara-tsosialy no mifanaretsaka ao amin'ny aterineto.

21/05/2013

Sary Lahatsoratra Video Lahatsoratra
SARY: Tetikasa “Inside Out” Ao Japana

Tohin'ny lahatsoratra

Tamin'ny volana Novambra 2012, nisy kamiao iray niainga tao an-tanàna avaratra andrefan'i Japana, Kesennuma ho any Fukushima. Ahitana ila-maso ngezabe isaky ny zoron'ilay kamiao, ary zavatra misokatra tahaka ny boaty...

12/05/2013

Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao

Tohin'ny lahatsoratra

Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika - mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli - ao anatin'ny "fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano"

08/05/2013

Vehivavy, Kongolezy Ary Minisitra Ao Anaty Governemanta Gaovao Italiana

Tohin'ny lahatsoratra

Notsaohan'ny tontolon'ny bilaogy afrikana ny fanendrena an'i Cécile Kyenge, profesora mpitsabo avy amin'ny mpiavy, ho eo amin'ny toeran'ny Ministre de l'Intégration ao anatin'ny governemanta italiana.

02/05/2013

Takalon'Aina sy ny Tambiny : Politika Manao Ahoana ny An'i Frantsa ?

Tohin'ny lahatsoratra

Tokony ho telo volana taorian'ny fanapaha-kevitr'i François Hollande hampitsaharana ny fandoavana tambiny ho an'ireo mpanao takalon'aina, dia  navotsotra ihany ny ankohonana Moulin-Fournier, izay niteraka sento ho an'ny fianakaviana sy ny...

Mariazy ho an'ny Rehetra : Ahoana ny Eritreritr'ireo Ivoariana ?

Lany tao Frantsa tamin'ny herinandro lasa teo ny lalàna  ”mariazy ho an'ny rehetra” izay manome alalana ny fanambadiana na eo amin'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy. Ny adi-hevitra...

21/04/2013

Sary Lahatsoratra
Niteraka Hatezerana Tao An-Tanàna Kely Ao Espaina Ny Herisetra Mihatra Amin'ireo Mpifindra Monina

Tohin'ny lahatsoratra

Nazera avy eny ambonin'ny tetezana i Moulaye Ndiaye, mpivaro-mandeha sy teraka Senegaly ny andro mialoha ny fetibe Tomatina [es] 2012 ao Buñol, Valencia, ao Espaina. Teo am-pivarotana ny entambarotra nandritra ny...

13/04/2013

Nolavin'ny Fitsarana Avo Momba Ny Lalàm-panorenan'i Portiogaly Ireo Fepetra Fitsitsiana

Tohin'ny lahatsoratra

Nolavin'ny [pt] Fitsarana Avo Momba ny Lalàm-panorenana ao Portiogaly ireo fepetra fitsitsiana noheverin'ny governemanta fa ilaina mba hameno ireo fepetrany mikasika ny lamina ho fanitsiana tetibola mitentina 78 miliara euro, izay mbola manokatra lavaka [amin'ny teny anglisy] eo amin'ny 1.3 miliara euro ao amin'ny tetibola 2013-n'i Portiogaly.

08/04/2013

Fikarohana Lalam-baovao Ho Fampihenana Ny Fahantrana

Tohin'ny lahatsoratra

Ny zavatra tadiaviana dia ny vahaolana ho fampihenana ny fahantrana satria efa manakaiky ny 2015 fetra farany ho an'ny Tanjon'ny Taonarivo ho a'ny Fampandrosoana napetraky ny Firenena Mikambana na UN Millenium Development Goals (MDG). Vondrona maro no mitady làlam-baovao mba hahita valiny.

Faritra manerantany

Firenena

Teny

Lohahevitra Manokana

Lahatsoratra miaraka amin'ny