Bilaogera zimbabweana, Sir Nigel, nampahafantatra tao amin'ny bilaogy mikasika ny tenifototra #263Chat, izay karazana resaka mivantana na karajia amin'ny aterineto fanao isan-kerinandro ao amin'ny Twitter mba ahafahan'ireo Zimbabweana miresaka momba ny olana lehibe atrehin'ny firenena :
Tamin'ity taona ity, nampandroso hevitra ny amin'ny tokony hikarakarantsika adihevitra tsy ofisialy amin'ny Twitter aho mba hiresahana momba ny firenena mamintsika : Zimbabwe. Adihevitra mikasika ny lasa mahaliana sy ny hoavin'i Zimbabwe no resahina, ary hasongadina indrindra amin'izany ny soso-kevitra momba ny vahaolana mahomby amin'ny hoavy. Nieritreritra aho fa ny fahitana ny tena olana ankehitriny no hibahana 25% amin'ny adihevitra.






























RSS ho an i Zimbaboe
Karohy Wikipedia ny Zimbaboe


















Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa