· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Zambia tamin'ny Novambra, 2012

Mandoa Hetra Be Lavitra Noho Ny Orinasa Iasany Ve Ireo Zambiana Mpiasa Amin'ny Fitrandrahana Harena Ankibon'ny Tany?

  28 Novambra 2012

Podcast iray (Taxcast) avy amin'ny tambajotra Tax Justice nomeny lohateny hoe Zambian miners paying more tax than mining company, na "Mandoa hetra betsaka kokoa noho ireo orinasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany ireo Zambiana mpitrandraka" no navoaka tety anaty aterineto nanindry fa hoe mandoa be lavitra hetra avy amin'ny karamany ireo mpiasa mpitrandraka harena ankibon'ny tany miohatra amin'ireo hetra fandoan'ny orinasa iasàn-dry zareo.

Hasiana Fanamboarana Ny Sandam-bola Zambiana

  19 Novambra 2012

Vonona hanavao ny sandam-bolany amin’ny alalan’ny fanesorana ireo aotra telo amin’ny Kwacha i Zambia amin’ny taom-baovao. Nanan-danja teo amin'ireo mpampiasa aterineto ilay tetikasa goavana izay nanoloran'ny Bankin'i Zambia mihitsy ny andro 31 Desambra 2012 ho andro tsy fiasàna mba hamelana ny fifindrana moramora avy amin'ny vola ampiasaina amin'izao fotoana mankany amin'ireo vola taratasy sy vola madinika navaozina , izay averina hampidirina ihany koa. Raha manohana izany fampiharana izany ireo mpampiasa aterineto sasany, ny hafa kosa milaza fa fanovàna endrika ivelany fotsiny izany.