· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Zambia tamin'ny Jona, 2012

Noferan'i Zambia Indray Ny Vidin'Ny Katsaka, Ka Mahasorena Ny Banky Mondialy

  07 Jona 2012

Efa niteraka roaka sy tonga hatrany amin'ny fikasana hanongam-panjakana ny fiakaran'ny vidin'ny katsaka, foto-tsakafon'i Zambia. Mbola nandraikitra ny vidiny farany ambony indrindra ihany ny manampahefana zambiana na dia eo aza ny fampitandremana nataon'ny Banky Mondialy amin'ny fahapotehan'ny sehatry ny fambolena vokatr'izany fanapahan-kevitra izany.

Manome Solika 5 Tapitrisa Litatra Ho An'i Malaoi i Zambia

  04 Jona 2012

Tsy ela akory izay dia tonga tamin'ny fetra ambony tsy nampoizina sy nahatalanjona ny olana ara-diplaomatika nisy teo amin'i Malaoi sy Zambia efa ho an-taonany maro, tamin'ny nanoloran'i Zambia solika 5 tapitrisa litatra ho an'i Malaoi. Nambara fa ny antony nanosika ilay fanomezana dia ny fandevenana ny filoha teo aloha Bingu wa Mutharika, izay maty tamin'ny 5 Aprily 2012, taorian'ny fijanonan'ny fony. Kanefa, ny fifandirana ara-politika nahatongavana tamin'ity fihetsika ity dia tantara manana endrika saro-bahana.