· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Zambia tamin'ny Marsa, 2012

Zambia: Nofoanan'ny Governemanta Ny Antoko Nitondra Teo Aloha

  19 Marsa 2012

Ny antoko politika mpanohitra lehibe indrindra ao Zambia, ny Movement for Multi-Party Democracy (MMD) izay nesorin'ny antoko Patriotic Front (PF) tsy ho eo amin'ny fitondrana taorian'ny fifidianana tamin'ny Septambra 2011 rehefa teo amin'ny fitondrana nandritra ny 20 taona, dia nofoanan'ny manampahefana tamin'ny 14 Martsa noho ny filazana fa tsy nahaloa ny vola fandrotsaka voafaritry ny lalàna ho an'ny fe-potoana naha-teo amin'ny governemanta azy. Maneho hevitra ety anaty aterineto mikasika ity fivoaran-draharaha ity ny Zambiana.

Zambia: Mangataka Ny Firenena Hanaja Ny Zon'ny Pelaka i Ban Ki-moon

  13 Marsa 2012

Nitsidika an'i Zambia ny Sekretera Jeneralin'ny ONU Ban Ki-moon vao haingana izay, nanatrika ny parlemanta, nihaona tamin'ireo mpanao politika malaza, isan'izany ny filoham-pirenenan'ny Repoblikan'i Zambia voalohany Kenneth Kaunda ary nitsidika ny toerana fizahan-tany voalohan'ny firenena, Randranon'i Victoria any Livingstone, tanàna any atsimon'ny firenena . Tsy nisy na iray aza tamin'ireo niteraka resabe tahaka ny fanentanany ny firenena hanaja ny zon'ny pelaka.