Tantara mikasika ny Oganda tamin'ny Marsa, 2012
Taorian'ny Kony 2012, “Inona No Tiako Momba An'i Afrika” Ho Setriny
Izay rehetra mpanaraka ny median'olotsotra tamin'ity volana ity dia tsy afa-miala tamin'ilay adihevitra mafana manerantany momba ny fanentanana nalaza vetivety momba ny Invisible Children hisamborana ilay mpamono olona an'ady sady mpitarika ny tafika mpioko ongandey Joseph Kony. Raha nahazo ny fifantohana nokendreny ny Kony 2012, dia maro kosa ny Ongandey sy...
Oganda: Yes We Kony! na “Eny Mi-Kony Izahay”
Nandray kihon-dàlana iray vaovao ny fanentanana iray anaty media sosialy mba hanairana ny saina hanohana ny fisamborana ilay Ogande mpitarika ady anaty akata sady mpanao heloka an'ady efa karohana fatratra, Joseph Kony. Miley be aty anaty aterineto ankehitriny ireo lahatsary maka tahaka amin'ny fomba mahatsikaiky.
Lahatsary Misongadina: Fiarovana Ny Zon'Olombelona
Andian-dahatsary mahaliana sy vao haingana nataon'ny Global Voices ho fiarovana ny zon'olombelona ka tafiditra amin'izany ny zon'ny vazimba teratany sy ny vaovao faramparany avy any Amerika Latina, Azia Atsinanana, Eoropa Andrefana ary Afrika atsimon'i Sahara izay nofantenin'i Juliana Rincón Parra.