· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Oganda tamin'ny Mey, 2011

Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

  26 Mey 2011

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...

Oganda : Sarin'ny diabe “Walk to Work”

  21 Mey 2011

Nanao fihetsiketsehana hanoherana ny fiakaran'ny vidin-dasantsy, ny vidin-tsakafo ary ny fisondrotam-bidim-piainana midangana ny Ogandey tao anatin'ny roa volana izay. Androany, nampiasa ny loko raozy, ny baomba mandatsa-dranomaso ary bala tena izy nitifirana ny mpanao fihetsiketsehana mihitsy ny polisy. Indro atolotra an-tsary anio ny tantaran'ny fihetsiketsehana. Indro ny antony mahatonga ny...

Oganda: Nolokoin'ny Polisy Mavokely Ireo Mpanao Hetsi-panoherana

  17 Mey 2011

Nanao valin-kafatra ho an'ireo hetsi-panoherana Walk to Work nisy tato anatin'ny roa volana farany ny polisy Ogande, tamin'ny entona mndatsa-dranomaso sy tifitra tamin'ny bala tena izy. Nandritra ny hetsika iray natao tamin'ny Talata lasa teo, fomba hafa indray no nampiharin-dry zareo, tifitra rano miloko mavokely mankany amin'ireo mpanao fihetsiketsehana izay nikasa ny handeha ho an'ny an-kianjan'ny Lalampanorenana ao afovoan'i Kampala.

Oganda: Mitroatra Ny Vahoaka Noho ny Fisamborana Tamin-kerisetra Ny Lehiben'ny Mpanohitra

  10 Mey 2011

Voasambotra indray tany amin'ny Kampala renivohitra ny Dr.Kiiza Besigye lehiben'ny mpanohitra Ogande noho ny fandraisany anjara tamin'ny the Walk to Work Campaign(mandeha tongotra mba hiasa) alina iray taorian'ny famotsorana azy notakalozam-bola. Nomena fahafahana nosandaim-bola i Besigye nasiana fepetra fa tsy handray anjara amin'ny fanentanana izay nahatonga ny fitondrana Ogande ho lohateny lehibe nandritra ny telo herinandro izao.