The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Uganda Tahiry Firenena

RSS ho an i Uganda

2009-05-24

Tontolo: Arahaba nahatratra ny Fetin'ny Reny!

Felam-boninkazo tany Xela, Guatemala nalain’i Erik++ ao amin’ny Flickr Raha misy ny zavatra iombonan’ny olombelona rehetra, dia ny hoe samy manana reny daholo isika rehetra. Ary amin’ny faritra maro eran-tany dia fahazàrana ny mankalaza ny renintsika amin’ilay andro miavaka iray: ny Fetin'ny Reny. Na dia miovaova aza ny daty ankalazana azy ...

2009-03-02

Oganda: Blogren na literatioram-bolongana

Mitombo hatrany ny famahanam-bolongana ataon’ireo mpitoraka blaogy ao Oganda ho toy ny seraseram-pifandraisana ho an’ny haisoratra, sy tontonokalo anterineto, manjary malaza izao ny fanaovan-tantara fohifohy sy ny andian-tantara.

2009-01-23

Bolongana Afrikana voafantina ho @ Bloggies 2009

Nisokatra tamin'ny voalohany volana janoary ary nikatona tamin'ny 19 janoary teo ny fifantenana fahasivy   ny loka fanolotra isan-taona: The 2009 Bloggies. Araka ny nolazain'ny vohikala mampanao ny fifaninanana dia ny Bloggies no fifaninanana lavitr'ezaka indrindra amin'ny resaka Web, ary anjaran'ny mpamaky ny bolongana avokoa no mifantina sy mifidy izay hiatrika ...

2008-09-24

Oganda : Apela iray falySary post

Glenna Gordon, ao amin'ny blaoginy Scarlett Lion manapariaka sarin' “apela iray faly” (toran'ny hehy eo am-pivoizana ny milina fanjairana) nalainy tany Gulu, any Oganda.

2008-08-07

Angovo ,
Tontolo_iainana

Omar ao amin'ny Safarinotes no mifantoka amin'ny resaka solika ao Ouganda, ka manao hoe
“Eo amin'ny resaka tontolo iainana, raha mitandrina dia mitandrina tokoa i Ouganda amin'ny fikajiana akora voajanahary hafa tahaka ny rano, ny tany ary ny fiainan-javaboary DIA (tsy misy tompo ankoatra ny lalàm-boajanahary) dia fantatra amin'ny maha-tsy mifaditrovana sy mpandrava tontolo iainana azy kosa ny orinasan-tsolika.”

2008-06-11

Fahalalahàna miteny ,
Media

Hoy i Moses Paul, miresaka ny famoretana ny mpanao gazety ao Oganda : “Nametraka rafitra vaovao ny governemanta ka mampiseho fomba iray indray hamehezan'ny fanjakana ny fampahalalam-baovao. Tsy vao voalohany io amin'ny fomba tsy manaraka ny lalam-panorenana ataon'ireo manam-pahefana ao amin'ny governemantan'ny Filoha Museveni mba hanafoana ireo fampahalalam-baovaovao tsy miankina amin'ny fanjakana.”

2008-06-10

Oganda : Paika fampitam-baovao tena diso tanteraka

Moses Paul Sserwanga izay mpanao gazety sy mpisolovava ao amin'ny fitsarana avo any Oganda no mitsikera ny paika fampitam-baovao tena diso tanteraka an'ny fitondrana any Oganda : Govt got its media strategy totally wrong. Government has heightened its preparedness to clamp down on the independent media. President Museveni’s attack on Daily ...

2008-05-25

Fivavahana

Miresaka ny amin'ny “PFanambin'ny fivavahana isan-kazarany any Afrika Atsinanana,” andian-dahatsary ao amin'ny YouTube i Pea: “vao avy nijery YouTube aho izao ary nanaraka andian-dahatsary mitondra ny lohateny hoe “Ny fanambin'ny fiavahana isan-karazany any Afrika Atsinanana.” Navoakan'ny ACFAR, izay inoako fa fanafohezan-tenin'ny African Centre for Apologetics Research (Ivotoeram-pikarohana Afrikana misahana ny fiarovana ny fivavahana arahina) io andian-dahatsary io. Tsapako fa ampy ahy ny nijereko azy nandritra ny roa minitra voalohany, saingy mba hialako amin'ny resaka fanombatombanana fotsiny dia nanapa-kevitra aho ny hijery azy hatramin'ny farany..”

2008-05-14

Oganda : Famehezam-bava ireo mpanao gazety

Moses Sserwanga no mizara izay fijeriny rohy mampitohy ny fahafahan'ireo mpanao gazety sy ny demokrasia any Oganda : At Daily Monitor, no less than 10 journalists including senior editors are at various stages of prosecution for alleged publication of false news, criminal libel and sedition. This is irrespective of the fact ...