Tantara mikasika ny Sodàna

Fitroarana Sodana: sit-in ao Nertati, ny onja vaovao

  17 Septambra 2020

Tamin'ny 28 jona, nivory nanao sit-in ny olom-pirenena izay mbola mitohy mandraka androany mitaky zava-dehibe maro: famaranana hatreo ny fanafihan'ny milisy ny sivily, fanesorana ny fitaovam-piadiana, fisamborana ireo nahavanon-doza ary fiarovana ara-pambolena mandritra ny fotoam-piotazana [fijinjana].

Afrika: Nanome voninahitra an'i Michael Jackson ireo bilaogera

  09 Febroary 2020

Taty Afrika, nanome voninahitra an'i Michael Jackson tamin'ny alàlan'ny fandefasana sary, rindran-tsary, tononkalo ary fisaintsainana ireo bilaogera taorian'ny fahafatesany. "RIP MJ", hoy ny nosoratan'ilay bilaogera Kenyana, WildeYearnings. "Manana ny lanitra iray manontolo ianao izao handihizana ny moonwalk ..."

Sodàna: Miezaka ho velona tsy ampian'ireo ONG

  13 Novambra 2019

Ny 4 Martsa 2009, ny Cour Pénale Internationale (CPI) dia namoaka didy fampisamborana ho an'ny filohan'i Sodàna, Omar Hassan al-Bashir. Ho valifaty dia 13 ireo ONG noraràna dieny ny ampitson'io tsy hahazo hiasa ao amin'ilay firenena, isa tafakatra ho 16 ny herinandro taorian'izay

Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana

  14 Jolay 2019

Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka)  ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.

Raha Toa Ka Mametraka An'i Siria Ao Anatin'ny Lisitra Fotsy, Mbola Sakanan'ny Linkedin Hatrany Kosa Ireo Mampiasa Aterineto Any Sodana!

GV Mpisolovava  17 Marsa 2019

Taorian'ny nanakanan'ny Linkedin, ilay tambajotra sosialin'ny fandraharahàna, ireo mpampiasa Aterineto tany Siria ary avy eo namela azy ireo indray sady niala tsiny (toy ny notaterin'ny ArabCrunch.), voamarina fa mbola tsy afaka miditra amin'ny Linkedin ireo mpampiasa Aterineto any Sodàna (firenena Afrikana Arabo ), izay nosakanan'ny Linkedin efa volana maro lasa izay