· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Sodàna tamin'ny Desambra, 2012

Global Voices: Misy Dikany Ny Feo Tsirairay

GV Mpisolovava  29 Desambra 2012

Ny hevitra hoe misy dikany ny feo tsirairay dia tena mifanakaiky amin'ny hevitry ny Global Voices amin'ny maha-vovonana sy vondrom-piarahamonina azy. Raha nivondrona ny mpiserasera amin'ny aterineto hanao izay handrenesana ny feony amin'ny fotoana izay iadian'ireo manam-pahefana eto amin'izao tontolo izao hevitra ny amin'izay hitantana ny aterineto, nanapa-kevitra izahay ny hangataka amin'iro vondrom-piarahamonina samihafa misy anay mba handray anjara sy hiteny ny olana mafonja amin-dry zareo sy hanao jery todika ireo olana notaterintsika nandritra ny taona amin'ny fiheverana fa misy dikany ny feo tsirairay.

Vehivavy Sodanezy Mpanao Gazety Nampijaliana, Manao Antso Avo

  28 Desambra 2012

Sumaya Ismail Hundosa, 34 taona, dia nisy naka an-keriny tao an-tranony tamin'ny 29 Oktobra, ary hita taty aoriana nisy nanipy tany anaty fotaka tany amin'ny faritra somary lavidavitra any Khartoum tamin'ny 2 Novambra, dimy andro taorian'ny fakàna azy an-keriny. Satria tsy nosokafana ny andinindininy mikasika ny fampijaliana an'i Hundosa teo aloha, dia novalian'ny Sodanezy mponin'ny aterineto tamin'ny alahelo sy hatezerana izany, maneho ny fiaraha-miory sy ny firaisan-kina amin'ilay mpanao gazety, araka ny nosoratan'i Usamah Mohamed