· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Sodàna tamin'ny Novambra, 2012

Sodàna: 8 Volana Izay No Notànana Am-ponja Ilay Mpikatroka ao An-tendrombohitr'i Nouba

Ny alin'ny 14 Martsa 2012, nalain'ny Sampam-pitsikilovana Nasionaly sy ny Sampam-piarovana Sodànezy (NISS) tao amin'ny trano fonenany ilay vehivavy antsoina hoe Jalila Khamis Kuku ary nampidirina am-ponja. Tsy mahazo maka mpisolo vava izy ary tsy mahazo mitondra akanjo hosoloina ihany koa, natosika tao anaty fiara pickup i Jalila izay mbola niaraka tamin'ny akanjo fentina matory ary NISS am-polony manao fanamiana sivily no nanaraka azy tamin'izany.