· Jolay, 2012

Tantara mikasika ny Sodàna tamin'ny Jolay, 2012

Sodàna: Nokendrena Manokana Ny Vehivavy #SudanRevolts

Miditra ao amin'ny volana faharoa ankehitriny ny fihetsiketsehana ataon’ireo vahoaka Sodaney marobe manohitra ny fitondrana. Manohy ny famaizana mahery vaika ireo mpanao fihetsiketsehana   kosa etsy andaniny ny governemanta sy ny  Sampan-draharaha malaza misahana ny Fitsikilovana sy ny Fiarovana (NISS). Mpikatroka Sodaney an’arivony no mbola notanana, anisan’izany ilay  mpisera Twitter mavitrika...

Sodàna: Bilaogera Mitantara Ny Famotorana Natao Azy Nandritra Ny Telo Andro

  17 Jolay 2012

 Nosoritan’ ilay bilaogera Sodaney Maha Elsanosi  mazava tsara ny famotorana natao azy izay naharitra telo andro tao amin'ny Sampan-draharaha nasionaly misahana ny Fitsikilovana sy ny Fiarovana (NISS), taorian'ny fisamborana azy tao Sodàna. Tao amin'ny lahatsoratra izay tokony hovakiana, Maha, izay tsy iza fa mpanoratra Sodàna ato amin'ny Global Voices ihany, nitantara toy izao: Nandritra...

Afrika: Fankalazana Ny Maha-Olombelona Amin'ny Alalan'ny Sary Sy Lahatsary

Nanjary lasa niparitaka be ny lahatsoratra manazava sary 21 izay mamerina indray ny maha-olombelona. Indrisy anefa, tsy tao anatin'izy ireo ny Afrikana sy i Afrika. Nefa tsy ny fijoroana vavolombelona goavana amin'ny fisian'ny toe-panahy maha-olona avy amin'ny kaontinanta Afrikana akory no tsy misy. Ireto misy sary vitsy sy lahatsary izay maneho fa, 'Manana Fo ihany koa i Afrika'.