Tantara farany mikasika an'i Sodàna Atsimo
29/07/2012
Hifaninana Eo Ambanin'ny Sainan'ny Lalao Olaimpika Ilay Sodaney Tatsimo Mpihazakazaka Lavitr'ezaka
Tsy hihazakazaka eo ambanin'ny sainam-pirenen'i Sodana Atsimo ilay mpihazakazaka lavitr'ezaka Guor Marial mandritra ny Lalao Olaimpika ao Londona. I Sodana Atsimo, izay nahazo ny fahaleovantenany tamin'ny taona lasa, dia mbola tsy ankasitrahan'ny Kaomity Iraisam-pirenenan'ny Lalao Olaimpika.
18/03/2012
Tontolo Arabo: Vahao i Clooney!
Nosamborin'ny Etazonia ilay mpisehatra George Clooney sy ny rainy Nick nandritra ny fihetsiketsehana teo an-tokotanin'ny Ambasady Sodaney ao Washington DC. Mpisera Arabo namoaka izay niseho tamin'ny fihetsiketsehana nandritra ny fisamborana tao amin'ny...
28/01/2012
Sodana Atsimo: Krizy Amin'ny Maha-olona Ao Amin'ilay Firenena Vaovao Indrindra
Herintaona latsaka hatramin'ny nanambarany ny fahaleovantenany tamin’ny Jolay 2011 hanjary ho ny firenena vaovao indrindra eran-tany , dia mbola mitohy miatrika ny krizy amin'ny maha-olona hatrany i Sodana Atsimo, indrindra taorian’ny herisetra ifanandrinan'ny foko samihafa any an-toerana.
26/07/2011
Sodàna Atsimo: Afaka Ihany Nony Farany!
Nahazo firenena vaovao i Afrika : Ny repoblikan'i Sodàna Atsimo. Nanao fitsapan-kevibahoaka i Sodàna Atsimo ny 9 Janoary 2011; amin'ny hoe hijanona ho faritr'i Sodàna ve izy sa tsia. Taorian'ny fifidianana saika lanin'ny besinimaro (99%) ho an'ny fahaleovantena hiala amin'ny avaratra, dia nambara tamin'ny 9 Jolay 2011 ny fahaleovantena ofisialin'i Sodana Atsimo. Miresaka mikasika ity vanim-potoana manan-tantara ity ireo mpitoraka bilaogy.
22/07/2011
Sodàna Atsimo: Hafatra momba ny #LoveFromSudan
Ny ampitson'ny fahaleovantenan'i Sodàna Atsimo, nanangana vondrona hetsika ny tanora Sodaney izay miezaka hampisy fifanakalozana sy firahalahiana eo amin'ny Atsimo sy Avaratra ary hampifandray amin'ny alalan'ny aterineto ny tanora avy amin'ireo firenena...






























RSS ho an i Sodàna Atsimo
Karohy Wikipedia ny Sodàna Atsimo



Rehefa App ny resaka dia fampiasa na fampiharana no tsara iantsoana azy kokoa