The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

South Africa Sokajy ara-tany

RSS ho an ny South Africa

2008-05-26

Afrika Atsimo : Fametrahana an-tsaritany ireo toerana izay nisehoan'ny herisetra

Black Looks no manapariaka ny fametrahana an-tsaritany ho indray mijery ireo toerana izay nisehoan'ny herisetra sy fanafihana vahiny mpiavy mpilaravinahitra any Afrika Atsimo : The Ushahidi engine is being used to map xenophobic attacks in South Africa at the “United For Africa” website. “Ampiasaina mba ametrahana an-tsaritany ho indray mijery ireo ...

Nizeria/Afrika Atsimo : Nizeria miatrika an'i Afrika Atsimo

Nanjaboy avy any Nizeria, no mizara izay fomba fijeriny ny izao krizy fanafihana vahiny mpiavy mpilaravinahitra any Afrika Atsimo izao : Lest we have forgotten, Nigerians economy now harbors the best of their businesses. For goodness sake, the lists of Nigerian-based multinational companies wholly owed or controlled by South Africa ...

2008-05-25

Mozambique,
South Africa

“Ireo mpanao politika malaza nigoka ny fiarovan'ny vahoaka mozambikana ary efa lasa mpitarika na mpandraharaha amin'izao fotoana izao, nahoana moa izy ireo no tsy manandratra ny feony hiaro ny Mozambikana tsy ho tratran'ny fankahalana vahiny ary hanakana ireo mpanatanteraka (ny herisetra)?”, hoy ny fanontanian'i Bosse Hammarström [pt].

South Africa

Soritsoritan'i Khanya ny niandohan'ny voambolana hoe “makwerekwere,” tenin-jatovo ho an'ny vahiny any Afrika Atsimo:  Mpamaham-bolongana roa liana amin'ny teny sy fiteny ny mitady ny dika sy nipoiran'ny teny hoe “makwerekwere”. Tenin-jatovo ho an'ny vahiny izany, indrindra ireo niditra antsokosoko, ary fampiasako amin'ny lahatsoratra hanoherana ny herisetram-pankahalana nitranga nandritra ny roa volana farany.

2008-05-22

Afrika Atsimo : Inona no azon'ny mpiblaogy atao mikasika izao krizy fankahalana vahiny izao ?

Mihevitra i Stii fa mahavita zavatra hanoherana izao krizy fankahalana vahiny any Afrika Atsimo izao ireo mpiblaogy raha manao : My idea is to have like a trust fund, NGO or something to which bloggers/technology people can contribute to financially. I’m more than willing giving money to any organization, but ...

Afrika Atsimo : Ry mpiblaogy, andeha hiara-mientana !

Miantso ireo namany mpiblaogy fotsy hoditra any Afrika Atsimo i Mike Stopforth hiara-mientana hanoherana ireo fanafihana mahery vaika izay sedrain'ireo vahiny mpiavy any Afrika Atsimo : It’s on that note that I’d like to encourage you, my fellow bloggers and business people, to join me in doing something about it. We ...

2008-05-21

South Africa

Vonona hiatrika ny 2010 ve i Afrika Atsimo, izay mankahala mpiavy ?“, hoy i Bomseh, mpitoraka blaogy avy any Kenya - monina ao Afrika Atsimo. “Manaitra ary toa tsy mampino ny mahita ny fivoaran'ny fanafihana ireo vahiny ao Johannesburg sy ny faritra manodidina ao amin'ny faritanin'i Gauteng. Mihanaka tahaka ny doro tanety ny habibiana vokatry ny fankahalana, tahaka ny nitranga tao Kenya tsy ela akory izay ; amin'izao fotoana izao dia mananika ny 100 ireo mpiavy maty noho io korontana io, anjatony hafa no naratra ary maro no nifindra toerana.”

Zimbaboe : Ny anjara miandry ireo Zimbaboeana mialokaloka any Afrika Atsimo

Hope no manapariaka ao amin'ny This is Zimbabwe mikasika izay fihetseham-pon'ny mponina any Zimbaboe mikasika ny fanenjehana / fanafihana ataon'ny tompotany ireo vahiny mpila ravinahitra mialokaloka any Afrika Atsimo : The xenophobic attacks against migrant workers in South Africa is having its inevitable knock on impact on people here in ...

2008-05-15

Afrika : Tsy mba maka sary ry zareo any AfrikaThis is a Photos post

Africa is a Country [Afrika no firenena] no manontany tena raha mba misy maka sary ihany ve any Afrika ? : Pieter Hugo, the South African photographer, is the only African featured in JUXTAPOZ’s “Photo Issue” that came out this month. I guess we’ll have to wait till their “Africa” issue “Ny ...

2008-05-14

Ghana,
Nigeria,
South Africa

Vaovan-damaody afrikana Ladybrille: “Angom-baovaon-damaody mivoaka isan-kerinandro miresaka momba an'i Afrika na avy eto Afrika. Vaovao misongadina vitsivitsy tamin'ity herinandro ity: a) Mikarakara ny herinandron'ny lamaody voalohany indrindra miaraka amin'ny herinandron'ny Lamaody Coca-cola Accra i Ghana; b) Mamolavola fifandraisana amin'i Azia i Afrika Atsimo, Mikasa hanao seho any Nizeria ilay mpamoron-damaody Nizeriana mipetraka any Afrika Atsimo Fred Eboka ary efa ho hipoka tanteraka ny any Johannesburg renivohitry ny Lamaody Afrikana Tatsimo!”